Alahady 15/11/2015 : Toriteny

“Hiverina indray i Kristy amin’ny farandro”

Anisan’ny zava-dehibe amin’ny finoantsika ny fiverenan’i Jesoa Kristy am-boninahitra, ary tafiditra ao anatin’ny fiekem-pinoantsika izany no anisan’ny fototry ny finoantsika.

Amin’izao fotoana antomotry ny Noely izao koa, amin’ny fiaviana dia hiverina indray ilay teny hoe: “i Jesoa Kristy dia efa eo, nefa mbola ho avy.” Efa eto anivontsika i Kristy amin’ny alalan’ny Eokaristia, amin’ny alalan’ny asan’ny Fanahy Masina ; ary mbola ho avy satria “niakatra any an-danitra izy ary nipetraka eo ankavanan’Andriamanitra Ray, ary mbola ho avy am-boninahitra indray hitsara ny velona sy ny maty.” Izany hoe: efa eto anivontsika i Kristy amin’ny alalan’ny Eokaristia Masina, nefa dia mbola ho avy am-boninahitra indray. Io no antony hivoriantsika, io no anton’ny finoantsika, dia izay fanomanana ny fiverenan’i Jesoa Kristy izay saingy mbola tsy fantatra ny fotoana. I Jesoa Kristy aza nilaza any amin’ny faran’ny Evanjely manao hoe: “Tsy misy mahalala izany na ny Anjely any an-danitra, na izaho Zanaka fa Andriamanitra Ray ihany no mahalala azy.” Efa imbetsaka izy no namerimberina izany: “Miomàna! Miambena!”, “Sambatra ny mpanompo tratran’ny tompony eo am-panatanterahana ny asany”, “Ho avy toy ny mpangalatra ny zanak’olona”

Ny bokin’i Daniela Mpaminany sy ny Evanjely dia manambara amintsika hoe: “Hanao ahoana izay fotoana izay?” I Jesoa dia nilaza fa hisy famantarana hiseho amin’izany fotoana izany:”Ny masoandro hihamaizina, ny volana tsy hazava intsony, ny kintana hiraraka amin’ny tany.” Na i Daniela mpaminany aza dia nanambara fa hisy famantarana. Nambarany “fa ho androm-pahoriana tsy misy toa azy hatramin’ny nisian’ny firenena izany andro izany… ary amin’izay dia ho voavonjy ny firenenao, dia izay rehetra voasoratra ao amin’ny boky.” Iay hiverenan’i Kristy amin’izany andro izany no ataontsika hoe: “Farandro”.

Tsy tokony hampitahotra izany farandro izany, noho izany, fa tokony hifaliana satria marina fa androm-pahoriana saingy androm-pamonjena koa, izany hoe ho voavonjy avokoa izay rehetra voasoratra ao amin’ny bokin’ny famonjena. Noho izany dia tsy maintsy omanina izany andro izany, ka anjaran’ny tsirairay no misafidy hoe: hatao androm-pamonjena ve ny amin’izay sa hatao androm-pahoriana dia ilay fiainana mandrakizay. Izay ilay safidy nomen’Andriamanitra antsika: hain’Andriamanitra ny manao ny zavatra rehetra saingy zavatra tokana fotsiny no tsy ataony dia ny “manery antsika hanaraka azy, ny manery antsika hanompo azy, ny manery antsika hino azy.” Fiainana mandrakizay miaraka amin’Andriamanitra ve sa fiainana mandrakizay miaraka amin’ny Losifera? Ka isan’andro isika no manomana an’izay fiainana mandrakizay izay.

Hisy famantarana izany hahalalana fa efa atomotra izany andro izany. Fa ireo olona tsy dia mandalina loatra, ireo zay mandray an-tendrony ny Soratra Masina, na ireo izay te hitarika ny olona hanaraka azy (antikrista), na ireo te hanakorontana ny sain’ny olona dia milaza fa efa ho tonga ny farandro raha vao mahita famantarana kely fotsiny, mba hanakorontanana ny olona, na hitarihana azy any amin’ny lalan-kafa. Ary maro ireo fiangonana zandriny no mampiasa an’io, ilay atao hoe “psychose”: mandray an-tendrony izay voalaza ao amin’ny Baiboly ka iny no hitarihana ny olona hanaraka azy.

Nilaza koa nefa i Jesoa fa ho avy ny Anjely hanangona ny olom-pinidiny manerana ny vazantany efatra, hatramin’ny faran’ny tany ka hatramin’ny faran’ny lanitra. Isika rehetra dia nantsoin’Andriamanitra avokoa, fa isika no nanova ny safidintsika, ary indraindray izay safidintsika izay tsy mifanaraka amin’izay niantsoan’Andriamanitra antsika. Ka raha mifanaraka amin’izay niantsoan’Andriamanitra antsika ny safidintsika dia ho tonga olom-boafidy isika. Koa mitaona antsika i Jesoa Kristy mba hanomanantsika izany andro izany, ka anjarantsika ny misafidy hoe hatao androm-pamonjena sa hatao androm-pahoriana. Fa ny fahaverezana dia tena misy, ny afobe dia tena misy ; ary ny firesahana azy na ny fampianarana azy na famerimberenana azy dia tsy nentina hampatahotra antsika akory, fa mba andehanantsika amin’ny lalana tena izy, ahafahantsika manomana izay fiainana mandrakizay miaraka amin’Andriamanitra izay, ny hiainantsika ny finoana, ny hifankatiavantsika, ny hanaovantsika ny tsara. Ny fanaovana ny ratsy dia toy ny vain’afo an-tampon-doha ka rehefa ho avy ny andro hirehetany dia tsy ny volo ihany no may, fa ny fiainana iray manontolo, dia izay ilay afobe. Ny fanaovana ny ratsy na dia kely fotsiny aza, dia manokatra ny varavarana hizorana mankany amin’ny afobe.

Koa aoka ary isika ho tia ny Fahamarinana mba ho voavonjy, ary mangataha amin’Andriamanitra mba hananantsika fanantenana, hananantsika fahatokisana bebe kokoa an’Andriamanitra , ka rehefa tonga izay andro farany izay dia ho anisan’ireo olom-boafidy isika, ary ny androntsika amin’izay andro izay dia ho androm-pamonjena.

Resaka Facebook