Alahady – 14/12/2014 – Toriteny

« Mifalia fa efa akaiky ny ny Tompo »

Io no hafatra ezahantsika iainana mandritra ity herinandro ity. Samy manome an’izay amin’ny fomba samy hafa ny vakiteny telo izay retsika teo. Mifalia fa akaiky ny Tompo. Raha ny Evanjely no raisintsika avy hatrany, vao manomboka ny evanjelin’I Md Joany, izy miteny hoe “tany am-boalohany ny teny, ny teny dia avy amin’Andriaanitra sns…”, vao tapitra izay filazana mikasika ny teny tonga nofo izay dia avy hatrany momba an’I Joany Batista no resahana: “Lehilahy iray nirahan’Andriamanitra, Joany no anarany”. Mandritra ny herinandro faharoa sy fahatelo amin’ny Avent dia mampiseho amintsika ny endrika sy ny toetran’I Md Joany ny fiangonana. Efa tamin’ny heriny isika no niezaka namantatra hoe iza moa ity Joany batista ity. Dia anio koa dia mbola mamerina farany hoe iza marina ity Joany batista ity. Satria amin’ny heriny da efa mifantoka amin’I Masina Maria indray isika satria efa akaiky sy mialoha ny fankalazana ny Noely dia miresaka momba azy isika. Fa androany no miresaka farany mikasika an’I Joany Batista.

Iza moa ity Joany Batista ity?

Mety misy amintsika no mahalala hoe Joany Batista, fa mba fantatsika ve hoe iza marina, inona ny toetra nananan’ity Joany Batista ity?

ðFanetre-tena, ary Joany Batista dia nolazaina fa toy ny hoe tsipi-panohizana (trait d’union) mampifandray ny testamenta taloha sy ny testamenta vaovao. Izay I Joany Batista izay: mampifandray izy. Karazana ….

Ary nambaran’I Jesoa indray andro fa amin’izay natera-behivavy dia tsy mbola nisy lehibe toa an’I Joany Batista. Dia hitantsika eo hoe inona no mampiavaka an’I Joany Batista.

Raha ny mampiavaka azy, dia voalohany aloha dia izy irery ihany amin’ny mpaminany rehetra no afaka nanondro an’I Jesoa hoe “indro ny Mesia”. Izy irery no hany mpaminany afaka nahita an’I Jesoa. Nanohy, nanondro ary nampafantatra hoe Indro ny Mesia. Izay no mampiavaka an’I Joany Batista izay.

Mampiavaka azy koa dia fantatsika fa mpialoha lalana ny Mesia. Raha mandeha eny an-tsaha isika rehefa maraina iny ny andro dia mahita ranon’ando. Mandeha amin’ny bozaka dia misy ranon’ando. Dia fanaon’ny olona dia mitondra hazo, tehina, dia kapohina ny ranon’ando eo aloha amin’izay tsy lena ny tongotra. Dia izay I Joany Batista: izay ilay misava ny ranon’ando, misava ny lalana mba ahafahan’I Jesoa mandeha. Nanomboka tamin’ny heriny isika no niresaka fa rehefa tany amin’ny tany efitra I Joany Batista dia nankany daholo ny olona nandray ny  Batemim-pibebahana. Nataon’I Joany Batemy ny olona. Nirodorodo nankany an’efitra. Dia hitantsika indray fa I Joany Batista dia manao Batemy amin’ny rano: na I Jesoa aza mba tonga tany koa mba hatao Batemy fa rehefa tonga teo I Jesoa dia niahotra I Joany. “Ianao no tokony hanao Batemy ahy, koa ianao indray ve no hataoko Batey?” Dia I Joany Batista io ihany koa rehefa nanontaniana, noheverin’ny olona fa izy no Mesia, fa nanambara ny marina I Joany: “tsy Kristy aho”. “Ao aminareo misy anankiray, fantatrareo, ary tsy mendrika ny hamaha ny fehin-kapany akory aho”. Izany hoe fanetre-tena no an’I Joany Batista: fampianarana sy ohatra amin’ny fanetre-tena rehetra ny fiainany, na ny sakafo nohaniny na ny fitafiany, na ny  fihetsika nataony, na ny  teny nolazainy dia samy maneho fanetre-tena goavana. Ary izy hitantsika tsara fa amin’ny voalohany izy miseho, fa tsikelikely izy mihataka moramora. Ary indray andro izy niteny: “Izy tsy maintsy mitombo fa izaho kosa tsy maintsy mihena”. Ary ny nataon’I Joany Batista dia ny nanoro an’I Jesoa, nanao an’izay hanehoana an’I Jesoa amin’ny olon-drehetra, amin’ny firenen-drehetra. Nataony ny Batemim-pibebahana dia tonga tany ny olona rehetra. Avy eo amin’izay: “Ilay avy ao aoriako mahery kokoa noho izaho. Izaho manao Batemy anareo amin’ny rano fa Izy hanao Batemy anareo amin’ny afo( Fanahy). Fanetre-tena I Joany Batista. Ny nanomanan’I Joany Batista hitsena an’I Jesoa dia ny fiainana an’izay fanetre-tena izay. Ary io tenin’I Joany farany io: “Izy tsy maintsy mitombo fa izaho kosa tsy maintsy mihena”; ary dia tena nihena be tokoa  I Joany Batista. Tsy nihena amin’ny habeny akory fa amin’ny fisehoana miharihary ety ivelany. Ary ny niafaran’ny fiainan’I Joany Batista, mba hampangina azy, dia tany an-tranomaizina. Ka rehefa tany an-tranomaizina no niafaran’ny fiainan’I Joany Batista dia I Jesoa nanomboka nitory teny. Nanomboka nanao ny asa. Dia I Joany Batista tsy fantatry ny olona intsony tany an-tranomaizina ary farany moa notapahana mihitsy ny lohany. Ary I Jesoa indray no re laza hatraiza hatraiza.

Fa I Joany Batista mialoha an’izay, nirahin’ny farisianina ny mpahay lalana ho any aminy satria izy ireo mahita ilay zavatra ataon’I Joany Batista: io dia hitondra ny tenin’ny naniraka anay: izy dia mieritreritra fa I Joany Batista no ilay Mesia andrasana. Dia teo dia nahitsin’I Joany Batista hoe “Tsy I Kristy aho”. Fa izay ary ianao? Elia va ianao? Tsia. Mpaminany va ianao ? tsia.

Raha mahatsiaro isika ao amin’ny Evanjely teo, manontany ny mpianany Jesoa: “Heverin’ny olona ho iza ary ny Zanak’olona?” ny sasany manao hoe Elia, ny sasany manao hoe Joany Batista, ny sasany manao ho ny iray amin’ny mpaminany. Fa I Joany Batista ny niafarany dia notapahan-doha satria ahy nijoro tamin’ny marina. Dia Heroda rehefa nahare ny momba an’I Jesoa dia nilaza hoe Joany izay ilay efa notapahako ny lohany; rehefa naheno ny lazan’I Jesoa izy. Izay izany ny fiheveran’ny olona tamin’izany andro izany. I Joany Batista no noheverin’ny olona fa ilay Mesia ho avy.

Dia momba an’I Elia ihany koa: “Elia va ianao? Tsia”, hoy Joany Batista. Satria nahoana no nahatonga an’ilay fanontaniana hoe Elia va ianao?

Satria araka ny voalazan’ny bokin’I Malakia dia tsy maintsy ho avy I Elia mialoha any Mesia. Elia va ianao? Tsia”, hoy Joany Batista, fanetre-tena io. Nefa na tiana na tsy tiana, ny nataon’I Joany Batista dia tsy inona fa izay nataoni Elia ihany. Satria famantarana ny niavian’ny Mesia hoe tsy maintsy mialoha azy aloha I Elia. Fa tsy Elia araka ny anarany teo aloha. Fa Joany Batista no anarany.

Izay no mikasika an’I Joany Batista = fanetre-tena izy, ary tonga ho vavolombelona manambara ny fahazavana. Izay no filazan’I Joany Batista ny tenany, tsy izy no no fahazavana fa tonga ho vavolombelona manambara ny fahazavana; in-droa naveriny io teny io: vavolombelona manambara ny fahazavana. Dia aveo alohan’ny mamaraparana azy dia nambaran’I Joany batista indray hoe “Izaho no ilay feo miantso any an’efitra hoe ahitsio ny lalan’ny Tompo”. Fa tena manambara ny fahazavana izy ary koa ny feo miantso hoe ahitsio ny lalantsika. Ahitsio ny lalana hizoran’ny Tompo. Izay no mahatonga antsika miteny hoe I Joany Batista no ilay mpialoha lalana ny Mesia, misavasava ny lalana andehanan’ny Mesia. Ka miseho amin’izay ny Mesia dia iny izy fa milentika tsimoramora mba hampisongadina an’ilay Mesia. Tahaka an’ilay hoe sira. Ny sira amin’ny maha-sira azy dia tsy misy ilàna azy, tsy misy fotony, apetrapetraky ny olona eny rehetra eny. Hoe tsy misy liana azy, kanefa ny laoka raha tsy asiana sira dia matsatao (hidiran’izay matsatso). Fa rehefa atao amin’ny laoka ny sira d itsy misy misaotra ny mihitsy hoe misaotra ny sira far aha tsy nisy azy dia tsy tsara ny  laoka; fa ny tenenina dia hoe tsar any sakafo: any amin’ilay hena daholo no alehan’ny sain’ny olona fa tsy misy mieritreritra mihitsy hoe ny sira anie no  nampisongadina an’ity laoka ity. Fa raha tsy nisy sir any laoka dia tsy hita izay tsirony. Kanefa rehefa lasa ao ny sira dia tsy misy mahatsiaro y mieritreritra mihitsy hoe vokatry ny sira anie no nampatsiro ny laoka. Fa dia hoe nahay ny mpahandro.

Dia tahaka izay koa I Joany batista: nanome sira, nanome tsiro izy: nanao an’izay nampisongadina an’I Jesoa. Ary rehefa nisongadina I Jesoa dia nihena tsikelikely ny maha-izy azy a’I Joany Batista, ary tany an-tranomaizana no niafarany. Izay ny mahatonga azy hoe vavolombelon’ny fahazavana izy. Ny vavolombelona amin’ny teny grika dia hoe “Martyrios” – martiry. Ka ny tena vavolombelona dia martity. Izay ny tena vavolombelona. Mijoro ho vavolombelon’ny fahazavana dia martirin’ny fahazavana. Vavolombelona izany dia toy izao: ity ny zavatra hitako dia ity no izy, na iza handrahona dia tsy maintsy teneniko satria ity no zavatra hitako marina. Fa ny an’ny saro-tahotra, raha toa fotsifotsy no hita tao dia mba tsy ahatezitra ny olona dia milaza hoe maintimainty no hitako tao: vavolombelona tsy marina. Fa ny olona rehetra miteny hoe maintimainty no tianay ho hita dia izay no ambara. Fa rehefa fotsy no tao dia lazaina hoe fotsy no zavatra misy na ho tezitra aza ny olona. Izay ilay hoe martiry sy vavolombelona.

Joany Batista no vavolombelona manambara ny fahazavana. Iza moa no tena fahazavana? Kristy no tena fahazavana. Ary izay no antony hankalazantsika ny noely amin’ny sasak’alina: hampisongadina ny fahazavana. Izay no antony hankalazana ny noely amin’ny sasak’alina. Ary mbola hampisongadina ny fahazavana ihany koa no antony hankalazantsika ny sabotsy masina na misasak’alin’ny paka.

Mampatsiaro tantara iray izay hoe mampisongadina ny fahazavana izay.

Nisy mpanjaka hono manan-janaka roa lahy izy. Dia tiany ho fantatra hoe iza amin’ireo zanany roa lahy ireo no handimby azy eo amin’ny fitondrana. Dia nandinika izy ny alina ary rehefa maraina dia nampanantsoiny izy roalahy. Izao no izy: izay mahafeno zavatra an’ity trano ity, izy no handimby ahy e amin’ny fitondrana.  Dia lasa izy roalahy; ny iray lasa nandeha nankeny an-tsena nividy avokoa ny mololon’ny olona rehetra, niadiany varotra, ary nofenoiny tao an-trano. Fa tsy nety feno ilay trano. Tsy nisy hovidiana intsony, izy efa niady varotra fa tsy feno ny trano. Fa ny an’ny anankiray indray, lasa koa izy mba nankeny an-tsena fa ny novidiany dia menaka kely hanaovany labozia. Dia iny no nentiny ary napetrany teo am-baravarankely ao amin’ny trano iray mihidy.  Tonga amin’izay ny rainy nijery: ny trano iray feno mololo fa tsy feno hatrany amin’ny farany, ny iray narehiny ny labozia ary nazava daholo ny tao an-trano rehetra: izy izany no voafidy satria fahazavana kely nameno ny trano rehetra, nandroaka ny haizina.

Joany Batista, vavolombelona manambara ny fahazavana. Dia amin’izao andro iavian’ny Tompo izay, anentanan’y foto-kevitra androany hoe “Mifalia fa akaiky ny Tompo”. Ny mahafaly antsika dia tsy eo akaikintsika intsony ny Tompo, fa eo ao amintsika izy. Miaraka amintsika isanandro I Kristy. Araka ny tenin’ny olo-masina iray hoe ny olo-masina malahelo dia olo-masina mampalahelo. Izany hoe ny kristianina malahelo dia kristianina mampalahelo. Kristianina tsy ahitana hafaliana eo amin’ny fiainany dia krtistianina mampalahelo satria tahaka ny hoe tsy ahitana an’I Kristy eo amin’ny fiainany. Ny olona mahatsapa fa miaraka amin’I Kristy, na ao anatin’ny fitsapana, na ao anatin”ny aretina, na ao anatin’ny fijaliana aza dia misy fanantenana mandrakariva. Misy fanantenana fa efa akaiky ny Tompo ka izany hoe mifalia fa efa akaiky ny Tompo: isika dia efa manana ny Tompo mandrakariva.

Dia mampatsiahy tantaran’ankizy iray hafa koa. Maternelle ilay zaza, dia mapianatra ny maitresse hoe rehefa vita batemy isika dia monina ao amintsika I Kristy. Izay no fanazavana amin’ny ankizy kely. Dia indray andro ilay zazakely maternelle, handeha hiditra hianatra dia nitomany be tao am-pianarana. Dia notambatambazana: fa maninona ianao no mitomany: ka nihazakazaka be aho. Gaga ilay maitresse. Dia heveriny hoe reraka izy dia izay no mampitomany azy. Dia ao ary, mipetraha ianao, hoy ilay maitresse. Fa mbola nitomany ihany: fa inona no mampitomany anao? Ka nihazakazaka be aho maitresse. Tsy hita hoe inona ary no hifandraisan’ny hazakazaka amin’ny tomanin’ity zaza ity. Fa mbola nitomany ihany, dia notambatambazana nomena biscuits sns…fa mbola mitomany hatrany. Dia farany izy: fa maninona ianao no mbola mitomany? Ka nihazakazaka be aho. Niazakazaka be aho dia very ny équilibre-n’I Jesoa dia angamba izy nianjera. Satria hoe Jesoa izany ao am-pony dia raha vao mihazakazaka be izy dia very ny équilibre-n’I Jesoa dia mianjera izy ao am-pony ao.  Dia gaga ilay maitresse. dia mbola nitomany ihany izy. Dia hoy ilay zokizokiny kely ira, samy ao amin’ny maternelle ihany: mangina fa izy anie namikitra tamin’ny zavatra eh! Ary izay no nampangina azy. Fa izy nihevitra hoe rehefa miazakazaka izy dia mihetsiketsika dia mianjera I Jesoa ao am-pony ao. Fa rehefa vita batemy dia ao am-pontsika I Jesoa, izay no fampianarana ary izay no fandriasan’ny ankizy ary. Amin’ny lafiny iray dia marina io satria ny azy dia noraisiny ho tahaka ny olona ny ao anatin’ny fony ao I Jesoa. Fa izay no tena izy: ny olona manana an’I Jesoa ao aminy dia afaka mifaly.

Ka raha kristianina tsy ahitana soritra hafaliana ny fiainany dia tokony mba mametraka fanontaniana ihany izy: sao dia tsy fantatro hoe ao amiko I Jesoa. Sao dia Jesoa tahaka ny Jody hoe Jesoa mbola andrasana fa tsy Jesoa efa tonga ao am-pontsika. Ny antsika dia hoe ao ami’nny fiavian’ny Tompo milaza hoe Mifalia isika fa efa akaiky ny Tompo, mamerimberina ny fiangonana.  Fa ho antsika, ny tena marina dia efa tonga ao am-pontsika I Jesoa. Fa mankalaza isan-taona isika ny fahatongavany ho nofo.

Dia enga anie ny hafaliana izay hiainantsika isan’andro dia hafaliana vokatry ny fahatsapana fa efa eo amin’ny fiainantsika isan’andro I Jesoa.

Resaka Facebook