Alahady – 14/09/2014 – Toriteny

Isaky ny faha-14 ny volana septembra toy izao dia mankalaza ny nanandratana ny hazo fijaliana masina ny fiangonana katolika manerantany.  Inona moa ny antony ny fitiavana an’ity daty ity manokana. Nisy amperora iray lehibe sady malaza izay atao hoe Constantin; olona tia tena izy io no nandray ny vaovao mahafaly, dia izy no amperora voalohany nanaiky hatao batemy ary ho tonga kristianina, dia natao batemy izy mivady tamin’ny 14 septembra  taona 335. Ary nanapa-kevitra izy ireo nanangana bazilika lehibe teo Golgotha, toerana izay namantsiana an’I Jesoa. Dia nanomboka tamin’io taona io no nanandratana ny 14 septembra ho fankalazana ny hazo fijaliana masina.

Ny vakiteny izay natolotra atsika androany dia mampatsiahy sy mampitodika atsika hoe : inona marina ity hazo fijaliana ity?, inona ny hevitry ny hazo fijaliana masina ho atsika?

Tamin’ny evanjely re-tsika teo dia niteny I Jesoa tamin’I Nikodema. I Nikodema dia farizianina, efa lehibe ihany izy io, fa amin’ny andro alina izy no mandeha manantona an’I Jesoa mangataka fanazavana mba tsy ho itan’ny farizianina namany, mitady ny fahazavana, dia izay no fanazavana nampianarin’I Jesoa, tsy maintsy mandalo ny hazo fijaliana mba tsy ho very izay rehetra mino azy fa hanana ny fiainana mandrakizay. Izay rehetra mino dia hanana ny fiainana mandrakizay. Ny andro alina dia midika haizina, midika tsy fahalalana , ka ny olona tsy mahalala dia midika hoe ao anaty haizina, tahaka an’I Md Paoly iany koa io, nasehon’Andriamanitra taty ivelany ny tsy fahalalany Azy tamin’Izy tonga tampoka. Dia izay koa I Nikodema, andro alina izy no nanantona an’I Jesoa nitady ny fahazavana. Nomeny ny Zanany tokana mba tsy ho very izay rehetra mino Azy fa hanana ny fiainana mandrakizay, dia naveriny indray fa tsy maintsy ho faty Izy mba hamonjy izay rehetra mino ny Zanaka, dia io hazo fijaliana io no namonjen’Andriamanitra an’izao tontolo izao. Ka tsy ny amin’ny maha-hazo fijaliana azy no inona, fa ilay isika mitodika amin’Andriamanitra  ary mibanjina ny hazo fijaliana. Raha jeretsika hatrany ampiandohana, hatrany ampahariana an’izao tontolo izao, rehefa nahary ny olombelona Andriamanitra napetrany tao amin’ny sahan’I Edena dia inona ny zavatra nitranga?, fakam-panahy nahazo ny olombelona voaloany: nofitahin’ny demony izy, hay ve ka tsy avelany mihinana ny hazo rehetra ato amin’ny saha ianareo, dia hoy ny demony : amin’ny fotoana hinanana an’ity hazo ity dia hisokatra ny masonao, hahalala ny ratsy sy ny tsara, dia naka I Eva dia nihinana izy ary nomeny koa I Adama, tafiditra ny fahotana, tafiditra ny fahaverezana. Izany hoe, ny hazo no nampiditra ny fahotana amin’izao tontolo izao, noho izany dia amin’ny alalan’ny hazo iany koa no namonjen’Andriamanitr any olombelona dia nifidy ny hazo fijaliana Izy mba hamonjena an’izao tontolo izao. Hitatsika eto ny lalana nizorana mandram-pahatonga ny fandinihina izay hazo fijaliana izay, ny zavatra niainan’ny zanak’Israely, rehefa niala tany Ejipta izy dia nipetraka nivezivezy 40 tany an’efitra, 40 taona niaritra ny fijaliana tany, dia inona ny zavatra nataon’ireo vahoaka ireo?, tsy nisy tsy nataon’Andriamanitra taminy, fahagagana, nona izy nandefasan’Andriamanitra mana tany an’efitra, nangetaheta izy, vatolampy nataon’Andriamanitra niboibika rano, te ihinana hena izy, nalefan’Andriamanitra ny papelika, nihinana izay laniny, izany hoe nomen’Andriamanitra izay notadiaviny. Dia inona no nampimenomenona azy tamin’Andriamanitra?, tofoky ny lalàna, tofoky ny asa, noheveriny fa ho vesatra ny lalàna, ary dia nimenimena tamin’Andriamanitra izy  : “nahoana no dia noentinao niala tany Ejipta izahay ho faty aty an’efitra?”, ny mofy tsy misy ny rano tsy misy, ary ny fanahinay  monamonaina, amin’izay fotoana izay dia nalefa ny bibilava, izay misy poizina nanaikitra ireo vahoaka ireo, ary nahatsiaro nangirifiry dia niverina nitodika tamin’I Moizy indray, mivavaha amin’Andriamanitra mba ho esorina aminay ireo bibilava ireo, ary nangataka taminy mba hifona amin’Andriamanitra. Dia nasain’Andriamanitra nanao ilay bibilava mahamay I Moizy nahantona tamin’ny hazo, ka izay rehetra voakaikitra ka mijery ilay bibilava mahamay dia sitrana.

Dia io ilay famantarana ampiasain’ny dokotera sy ny farmasia, lakroà kely na hazo mitsatoka dia misy bibilava miantona eo amboniny, izay no dikan’iny: izay marary ka manantona io toerana misy famantarana io dia ho sitrana.

Dia tahaka izay koa isika, matin’ny fahotatsika isika, tsy afaka manetry tena samy irery isika fa efa eo I Kristy nanetry tena niapatra teo amin’ny hazo fijaliana izay voalaza tao amin’ny vakiteny faharoa re-tsika teo. Nidina tany amin’ny farany ambany izy, nanaiky hofantsihina tamin’ny hazo fijaliana mba amonjena atsika olombelona, isika lavon’ny fahotana raha mitodika eny amin’ny hazo fijaliana dia ho voavonjy. Fa inona no tena ampiasaitsika ny hazo fijaliana?, ankehitriny na ny olona tsy mpivavaka aza dia mitondra lakroà ngeza be, nefa zavatra tsy inoany akory, ary ho an’ireo mpanohitra an’Andriamanitra, alohan’ny hiditra ao ampiangonana dia misy lakroà tsy maintsy itsahina ao, ka mba fantatry ny olona v hoe inona no ilaitsika ny lakroà. Rehefa mandroaka demony isika dia io lakroà io no atahoran’ny demony, ka tsy ny lakroà amin’ny maha lakroà azy no inona, fa ilay fiverenanana amin’Andriamanitra, iny no zava-dehibe. Mampitodika atsika sy mampiverina tsika any amin’Andriamanitra izany. Ny iray miakatra ary ny iray mitsivalana, indray andro nonontanian’ny farizianina I Jesoa, naka fanahy Azy, nanao hoe : inona no voaloany amin’ny didy rehetra?, ny valitenin’I Jesoa dia ity : “Tiavo ny Tompo Andriamanitra amin’ny fonao manontolo, ary tiavo ny namanao tahaka ny tenanao”, ireo no mamintina ny didy rehetra, izany hoe ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana. Dia izay io lakoà io, ilay voaloany mitsangana: ny iray miakatra any andanitra ary ny iray mitsatoka amin’ny tany dia midika ny fitiavana an’Andriamanitra, ary ny faharoa ilay mitsivalana, rehefa manao ny fiadanana isika aloan’ny andraisana ny komonio, dia mifandray tanana, izany hoe miezaka mitia ny namana na ankavia na ankavanana, mety tsy ho fantatrao io, olona mbola tsy hitanao nefa eo ankaikinao dia tsy maintsy mandray Tanana: tiavo ny namanao tahaka ny tenanao, tiavao ny fahavalona, manaova soa amin’izay mankahala anareo, mivavaha ho an’izay manenjika anareo; ka io mitsivalana izany dia midika hoe : fitiavana ny namana. Ka rehefa mijery ny hazo fijaliana isika dia mahatsiaro ny didy rehetra dia ny fitiavana an’Andriamanitra sy ny fitiavana ny namana. Raha izay no tsaroatsika, mamonjy atsika io hazo fijaliana io.

Isaky ny tokatrano kristianina dia tokony hisy hazo fijaliana; ka rehefa miady ny mpivady dia jereo ilay mitsivalana, rehefa adino ny mivavaka, dia jereo indray ilay mitsangana. Ka ireo tsy afaka mandeha irery : tsy mety ny hoe midera an’Andriamanitra nefa tsy hamindra fo amin’ilay nanao ratsy taminao, tsy ampy izany ilay hoe tia an’Andriamanitra fotsiny ary tsy ampy koa ny hoe tiako ny namako dia ampy ahy izay. Tsy lavorary ny fitiavatsika namana raha tsy ampian’ny fitiavatsika an’Andriamanitra: “izay ataonareo amin’ireny madinika ireny dia Amiko no anaovanareo azy” hoy I Jesoa. Izany no tokony ho ao antsaitsika rehefa miambozona ny hazo fijaliana isika, fa tsy iambozombozonana fotsiny izy io, tsy apetrapetraka fotsiny etsy sy eroa fa misy hevitra tokony ho tonga ao antsaitsika mandrakariva.

Tany amboaloany, ny hazo fijaliana dia henatra, satria ny jiolahy no nofantsihina teo, fa rehefa I Jesoa no nofantsihina teo dia lasa nisy heviny vaovao ny hazo fijaliana: fanambarana fitiavana.

Amin’izao dia ho dinihitsika tsirairay avy, rehefa miteny hazo fijaliana isika dia ny fijaliatsika no maha may atsika, rehefa tsy mitodika afatsy amin’ny tenatsika isika dia mihevitra fa ny atsika no tena mavesatra fa ny hafa toa sambatra. Dia izay ilay fanoharana noresahitsika momba ny hazo fijaliana, raha niverina tany amin’ilay mpandrafitra mpanao hazo fijaliana ny olona iray mba ho soloina ny azy, dia apetrao eto hoy ilay mpandrafitra ny anao dia jereo izay metimety aminao ao, dia niodina, niodina, nitady, misy ngeza be, misy kelikely fa mavesatra, nony ela ny ela dia nahita iray kelikely sady maivana dia hoe: “ity no mety amiko”, dia hoy ilay mpandrafitra : “ ka ilay anao teo iany anie iny no napetrakao e!!!”.

Dia anjaratsika androany no mandray lesona rehefa mijery ny hazo fijaliana hoe : inona no ao antsaitsika.

Resaka Facebook