Alahady – 12/10/2014 – Toriteny

Antsoin’Andriamanitra ho eo amin’ny fanasana isika.

Io no lohahevitra azontsika raisina amin’izao alahady faha-28 mandava-taona izao.

Miainga avy amin’ireo tenin’Andriamanitra atolotry ny Eglizy ny sakafom-panahintsika anio, sy amin’itycherinandro ity. Fa ireo tenin’Andriamanitra telo atolotra antsika sy niarahantsika nihaino teo ireo dia mitondra hafatra feno fanantenana. Ary hafatra manjohy antsika tsirairay avy amin’ny toerana misy antsika sy amin’ny maha-izy antsika.

Ao amin’ny vakiteny voalohany, Izaia mpaminany mitodnra hafatra amin’ny vahoakan’Israely izay toa very fanantenana, malahelo, tsy mahita lalan-kizorana. Tany ho any amin’ny taon-jato faha-8 alohan’ny nahatonngavan’I Jesoa Kristy, dia tandindomin-doza ny fanjakan’I Jodà, fanjakan’Israely izany, fanjakana taty atsimo izay nampalaza andry Davida sy Salomôna. Nefa ny vahiny izay tonga haka ny fanjakana dia dia mihaodiaody manodidina, ary ny manodidina an’I Jerosalema dia efa rava. Tamin’izany indrindra Izaia no nitondra teny fampanantenana, niteny fanambarana avy amin’Andriamanitra. Dia nambarany fa tsy izay ratsy hitan’ny vahoaka tamin’izany fotoana izany, loza mananontanona. Tsy izany no tompon’ny farany. Etsy an-daniny izy miteny ny amin’ny hoe fitsaran’Andriamanitra fa tsy fitsarana hamotika, hanimba, fa fitsarana hitondra fiarovana ho an’ny vahoakany.  Dia asehon’Izaia mpaminanay amin’ny teny fanoharana: “ho avy ny fotoana hanomanan’Andriamanitra fanasana ho antsika, dia hiaraka hihinana isika miaraka aminy. Moa va tsy hiaraka hihinana amin’ny mpampakatra noho ny fampakaram-badiny?”. Dia notantarainy teo, hena matavy sy hanim-pitoloha. Tsy haiko raha mbola misy heviny izany amin’izao androntsika izao. Misy ny milaza koa fa tokony ny zava-maniry ihany no tokony hanintsika. Ary tsy isan’andro koa no misy fampakaram-bady ka hisy sakafo matsiro. Izany dia mba hitenenana hoe ilay fihinanana sakafo matsiro sy tsara dia tsy isan’andro, ka iza no tsy hitsiriritra izany? Iza no tsy ho liana amin’izany? Tsy voatery ho hatendan-kanina no hitiavana ilay mihinana, tsy voatery ho izay. Fa ny tiana ho tenenina eto dia hoe ilay fahasoavan’Andriamanitra dia misy mandrakariva ho antsika. Manatena izany ve isika? Satria voalohany, ny mandray di amino. Ataoko fa mbola izany fanantenana izany ihany no asehon’I Md Paoly amintsika amin’ny vakiteny faharoa.

Izy koa tamin’io vanim-potoana dia tena ao anatin’ny fotoana sarotra satria tany an-tranomaizina izy. Fa any an-tranomaizina izy no miteny hoe: “tsy ity tranomaizina ity, tsy ity fanenjehan’olombelona ity, tsy ity fangejan’olombelona ity”, satria hoy izy hoe “efako ny zavatra rehetra ao amin’ilay mampahery ahy”. Misy mankahery ahy, mazava ho azy fa Jesoa Kristy izay, tsy iadian-kevitra io satria fantany ary niainany. Raha ny tantaran’I Md Paoly angamba dia efa diso fantatsika loatra ary raiki-tapisaka ao an-tsaina. Fa Saoly ilay mpanenjika no lavon’I Jesoa tamin’ny lalana ho any Damasy, dia nataon’I Jesoa ho fanaka voafidy ho azy. Fa na izaho tsy izy aza dia mety mba hihebohebo kely aho dia hiteny fa izaho koa na dia ohatra ny soravolana aza dia mba nisehoan’I Jesoa ary nataony apostôly, ka noho izany dia mahefa ny zavatra rehetra aho ao ami’nilay mapahery ahy, satria tsy izaho intsony no velona fa I Kristy no velona ato amiko. Ary I Kristy ilay niteny tamiko hoe “ampy ho anao ny fahasoavako”; dia izaho hiteny hoe “Efako ny zavatra rehetra ao amin’ilay mankahery ahy”.

Dia tadidinareo ilay noteneniko teo hoe “loza mananontanona an’I Jerosalema”? dia ny nahatonga an’Izaia niteny hoe tsy io loza io, tsy io ny farany  ary tsy tompon’ny teny farany io fa resin’Andriamanitra io. Andriamanitra mbola hanao fanasana lehibe ary hiaraka hifaly isika rehetra. Dia izay koa no mbolahampitain’I Md Paoly amin’ny fomba fiteniny, amin’ny fombafiheviny ary amin’ny fiainany mihitsy.  Azontsika an-tsaina ve izany hoe any an-tranomaizina dia mankahery ny olona afaka? Angamba tsy misy ahafahana manao izany afa-tsy amin’I Jesoa Kristy irery ihany.

Ny endrik’ilay fanantenana, fampanantenana dia oharin’I Jesoa Kristy amin’ny fampakaram-bady ao amin’ny Evanjely. Mazava ho azy fa ny nanasan’ilay mpanjaka ,ny namany, fianakaviany, ny olom-pantany, ireo noheveriny fa hanome voninahitra azy; satria ambonin’ny hoe fihinanam-be sy ny sakafo hanim-pitoloha, dia ataoko fa raha tsy nisy fitiavana dia tsy nisy nanao izany. Heveriko fa tsy ilay hanina no ambony noho ilay fitiavan’ilay manasa sy ny nantsongainy an’ilay nasainy. Tsy matetika, tsy imbetsaka, fa indray andro izay dia namapaka-bady ny zanaky ranona, tena namako be iny. Tamin’ny kely izahay niaraka foana, nifampizara ny manta sy ny masaka dia naninona re izaho no tsy nasainy e? vitsy no mieritreritra hoe mba hadinony kosa angamba e! fa maro no mihevitra hoe angamba aho tsy tiany intsony…tsy heveriny intsony, tsy mieritreritra ahy intsony, toy ny miteny hoe tsy mana-pitiavna ahy izy. Ny manasa dia izay manam-pitiavana.  Eny e, mety rehefa manasa isika miteny toy izao ami’ny olona hoe: amin’izao misy fety fitsingerenan’ny taona nahaterahako ka asaiko ianao an… fa inona re no mba tianao e? dia mety hiteny ilay namana hoe ilay tsara be fanaonao iny foana, na koa hoe mba ataovy an’izay re ah! Dia na ilay namana aza mety hiteny hoe ao fa ampiako ianao amin’izay. Mety misy resaka sakafo kely; fa alohan’ilay sakafo dia misy fitiavana ao. Raha sanatria tsy ho avy ianao raha tsy hoe ilay sakafo tianao no omena anao. Fa minoa koa fa noho ny fitiavan’ilay manasa anao, n’inon’inona lazainao dia ataony sy tadiaviny. Mety misy hatramin’ny mangalatra mba hanomezana fahafaham-po ny nasainy. Izaho tsy manao hoe halatra tsy mahafaty, fa rehefa halatra dia halatra, fa mety ho halatra masina ihany izany satria mitady ny tian’ilay tiana. Tsy hanao izany ho an’ny olon-tianareo ve ianareo? Mba alaivo ho ahy akia ny volana hataoko kilalao a! dia tsy hanao ve ianao, na dia hoe ny toky fitaka fa ny atao no hita, rehefa hanam-bady ny olona dia miteny hoe “halaiko ho anao ny volana ho ataonao kilalao”. Inona no tsy lazaina sy tenenina? Fa ny volana ve sa ny fitiavana tiako haseho anao?Misy moa ilay miteny hoe tiako ianao!! Dia manontany ilay iray hoe inona ary ny porofom-pitiavana hasehonao ahy? Dia ny valiny hoe aiza no hananako fo fitiavana fa rehefa tiako dia tiako. Ny fitiavana ve misy porofony? Raha ny fanasana nataon’Andriamanitra dia endrika ivelan’ilay fitiavana. Endrika tety ivelany ilay fiantsoan’Andriamanitra, fa ny ambony indrindra di any fitiavana. Izany alahelone rehefa miteny ilay nasaina fa tsy afaka indray, na handeha hanao zavatra hafa sns… dia nirahina ny mpiasa ka noheverin’ireo ho manadala sns ka nosamboriny dia novonoiny.  Mety malahelo ilay mpanasa raha mieritreritra fa tsy hisy hihinana ilay sakafo; ilay fitiavako tsy voaray. Mba olombelona misy fo sy malahelo ihany, dia mety ho tezitra. Fa tsy hisy hanaraka ilay fitenenana amin’izao hoe “nanasa vahiny tsy tong aka sady voky no afaka adidy” angamba. Fa tami’nizay fotoana izay dia nandefasan’Andriamanitra miaramila handringana azy, arakany fanoharana nataon’I Jesoa.

Rehefa nanasaka tsy nisy ny namely, dia inona no natao? Mandeha antsoy daholo izay olona rehetra hitanareo eny amoron-dalana. Dia mety ny mihevitra hoe “ny an’Andriamanitra ve izany rehefa tsy hit any tiana dia tiana izay hita?” fa ilay tiany no nasainy dia tsy tonga, hany ka tiany daholo indray izay hitany rehetra… fa tsy nahita hotiavina tokoa ve ilay Andriamanitra? Sa adalam-pitiavana? Tahaka ny ho faty raha tsy mitia? Tena marina fa ny maha-Andriamanitra an’Andriamanitra dia fitiavana, ka tsy afaka ny tsy hitia, tsy sanatrian’ny vava ladian’ny lela hoe tsy hitany ilay tiany. Moa tsy naharary izy? Dia nijery hafa izy. Hitenenany hoe fitiavana tys mialon-jafy, tsy manavaka na iza na iza. Dia nantsoina daholo ny olona rehetra teny amoron-dalana. Mazava ho azy koa fa efa notenenina ireo, fa fampakaram-badin’ny zanaky ny mpanjaka. Ka rehefa fampakaram-bady dia fety izany; raha fety dia fanomezam-boninahitra izany. Dia nandeha daholo. Fa indrisy nisy olona iray izay nandeha fotsiny tamin’izao. Mety ho mbola teny am-piandrasana omby dia avy hatrany dia nandeha ary avy hatrany dia niditra niaraka tamin’ny fitafy tsy mendrika sy fanomezam-boninahitra. Mety ho diso eritreritra isika hoe fitafy ety ivelany.

Misy namako efa lahiantitra izay ao Miandrivazo ao, nipetraka elabe tany atsimo izy ary izay fianakaviany tsy mba fantany akory. Dia miresaka amiko izy: “aho mba hipetraka aminao mopera”; dia eny hoy aho. Dia teneniko izy rehefa marary: “ianao dadilahy ny mamparary anao ion oho ianao tsy mivavak sy tsy mankany am-piangonana”. Dia ny avaliny ahy dia hoe “ka izaho tsy manana siky (lamba na akanjo tafiana)”/ dia novaliako indray hoe “raha hividianako siky ianao dia mankany am-piangonana?” . dia eo izy no misalasala? Tsy fantany akory ilay hoe fiangonana.

Tsy dia ilay akanjo, fa ny fo. Tsy mitsara olona aho fa miteny ilay olona ao amin’ny fampakaram-bady, fa na dia eo aza ilay fitiavan’ilay mpanasa. Izaho kosa ve dia hanao ny hoe hanome voninahitra azy dia tsy mendrika ilay fanasana aho dia hiditra ao? Tsy handinika hoe fanasana fampakaram-bady anie ity fa tsy sanatria ka sakafon’ny propagandy? Ka ho’ty sy ‘nday?

Ny fanasana dia milafanomezam-boninahitra. Fanasan’Andriamanitra dia mila fanomezam-boninahitra avy amintsika, di any fontsika mibebaka, mitodika mankany aminy,  mandray izay teneniny ary manao an’izany ho fiainantsika. Vakiteny omaly sabotsy, Evanjelin’I Md Lioka: misy vehivavy irayhitan’I Jesoa niteny taminy: sambatra ny kibo nitondra anao sy ny nono ninonoanao, fa vao mainka sambatra kokoa izay mihaino ny tenin’Andriamanitra sy mitandrina azy”. Ndeha hotenenina daholo isika rehetra hoe ;” sambatra isika fa antsoin’ Andriamanitra”. Dia sambatra isika satria natsoina, tsy ilay nantsoina no mahasambatra, fa ilay mamaly ny antso, dia izay manaraka ny tokony hatao.  Fa tsy manao tahaka ny ondry, manaraka fotsiny na dia tsy fantatra aza hoe hoa aiza na ho aiza. Fa tsy izay fa mahay mamaly fitia.

Koa androany ary, aoka isika tsy hianona fotsiny amin’ny hoe faly aho fa antsoin’Andriamanitra, fa hisaotra azy aho fa antsoiny ary hiezaka ny ho mendrika izany fiantsoany izany. Satria izaho ilay tsy mendrika dia nohamarininy maimaim-poana. Sanatria tsy tiany, fa ny tsy fahamendrehako no tsy niantsoany ahy tamin’ny voalohany. Fa nasainy aho noho ny fitiavany. Dia fantaro fa nataony tahaka ny vahoakan’Israely isika: nofidiany. Ka handà ny fiavany ve isika sa hanaiky? Hiombona aminy?

Jesoa Tompo ô, misaotra anao izahay fa nomenao ny fanahinao mba hankahery anay isan’andro ahakahanay mandray ny teninao sy manao izany teninao izany no fiainanay, araka ilay hira fanaonay hoe “fa ianao no lalana sy fahamarinana, fiainana ary ny teninao no tenin’ny fiainana ka teny mahavelona anay”. Amen.

Resaka Facebook