Alahady – 10/08/2014 – Toriteny

Tamin’ny vakiteny telo retsika teo, dia ahitantsika karazana olona telo ihany koa, miseho eo anatrehan’Andriamanitra. Olona telo manana fisalasalana.

Raha raisintsika ny t@ vakiteny voalohany teo, i Elia. Rehefa vita ny sorona natao teo @ tendrombohitr’I Karmela, sorona omby; ka teo ny mpaminanin’I Bahala, ary teo ihany koa I Elia. Rehefa tsy nahomby ny mpaminanin’I Bahala, dia naripak’I Elia, novonoiny t@ sabatra izy rehetra. Fa rehefa ren’ny mpanjaka Hakaba izany dia nitady hamono an’I Elia izy.Dia voatery Elia nandeha nandositra. Vao nandeha lalana iray andro Elia dia reraka sady noana, ka natory teo @ vato iray ary niteny t@ Andriamanitra hoe “Alao amin’izao ny aiko fa inona moa izay izaho!”, kivy Elia. Fa nony avy eo, nandefasan’Andriamanitra goaika hanome sakafo an’I Elia. Rehefa nihinana an’izany Elia dia lasa nandeha lalana 40 andro sy 40 alina, ho any Horeba tendrombohitr’Andriamanitra.Araka ny vakiteny retsika teo, rehefa tonga teo @ tendrombohitr’Andriamanitra I Elia dia nijanona teo anoloan’ny zohy, ka t@ io no nihoaona t@ Andriamanitra izy.Fa nialohan’ny nisehoan’ny tenan’Andriamanitra dia nisy zavatra nitranga.Nisy rivotra nifofofofo mahery, nisy lel’afa, nisy horohoron-tany, fa tsy tao anatin’ireny Andriamanitra.Fa rehfa afaka ny rivotra, ny lel’afa, ny horohoron-tany, dia nisy fizozozozo malefaka dia malefaka. Dia tao anatin’izay Andriamanitra no nankahery sy niteny t@ Elia.Izay ny vakiteny voalohany.

Tao @ vakiteny faharoa indray, Md Paoly, efa kivy satria ireo jody iray tanindrazana taminy dia toa tsy nety nino an’I Jesoa Kristy. Ohatra ny efa niha-kivy Md Paoly. Dia nanao fitarainana teo anatrehan’Andriamanitra ihany koa.

Any @ Evanjely kosa no ahitantsika an’I Md Piera. Dia ho hitantsika  eon y tantaran’I Md Piera izay efa novakiana t@tsika teo fa voalaza fa “rehefa avy nandrava ny vahoaka I Jesoa”. Tsaroanareo tsar any Evanjely t@ heriny, I Jesoa nampitombo ny mofo dimy sy hazandrano roa ho an’ny olona dimy arivo lahy ankoatra ny zaza amam-behivavy. Rehefa voky ny olona dia noravàna. Tsaroantsika angamaba t@ Evanjely hoe “Omenareo hanina izy”. Jesoa no miteny an’io.Voalazan tsika t@ heriny koa fa “tsy tian’I Jesoa hitady vahaolana ivelany ireto vahoaka ireto”.Raha voky ny vahoaka, izay Jesoa vao nandrava azy ireo handeha hody any @ tanany avy, ary Izy lasa nandeha nitokana any @ tendrombohitra. Io no efa fandaharam-potoanan’I Jesoa io, io no antony nialàny t@ vahoaka, dia ny mba handeha hitokana hivavaka. Kanjo ireto vahoaka ireto nanaraka azy tany @izay nalehany, ka tsy afaka nanao n’inon’inon indray Jesoa fa voatery nampianatra. Fa rehefa voky @izay ny vahoaka, voky sakafom-panahy, voky ny mofo, izay vao navelan’I Jesoa nandeha, fa Izy kosa niakatra tany an-tendrombohitra hivavaka. Ary ny Apostoly dia nalefany lakana hialoha lalana azy eny am-pita.

Zavatra roa mifanaraka ireo: Jesoa niakatra teny an-tendrombohitra hivavaka. Fa mandritra izay fotoana izay kosa ny mpianatra ao anatin’ny sambokely ahilalgilan’ny onja satria nahery ny rivotra ary nanonja mafy ny ranomasina. Ary tena tafiditra ao anaty sambo ny rano. Hitantsika fa ny apostoly sahirana manary ny rano mba tsy ho rendrika. Jesoa mivavaka eny an-tendrombohitra. Dia io Jesoa mivavaka eny an-tendrombohitra io dia fiainantsika tsrairay avy io.

Niteny isika t@heriny hoe mandeha mitokana, ilaina izay mitokana izay. Rehefa alahady tahaka izao isika dia miala @ mahazatra.Io koa no atoon’I Jesoa, miala @ mahazatra, mitokana any @ tendrombohitra, satria tena ilaintsika izay fihaonana @Andriamanitra izay. Md Matio dia milaza matetika io tendrombohitra io, eto izy izao miteny hoe Jesoa nitokana teny an-tendrombohitra, miteny koa izy fa teny an-tendrombohitra I Jesoa no niova tarehy.

Ny tendrombohitra dia toerana fihaonana @ Andriamanitra. Izay no anton’io tilikambo io. Mety tsy dia hain’ny olona firy loatra ny dikan’ilay tilikambo. Mety misy ny mihevitra fa fitoeran’ny lakolosy, fa tandidon’ny tendrombohitra ihaonana @ Andriamanitra izy ireny.

Ilaintsika farafaharatsiny, isaky ny voalohan’ny herinandro isika miataka, miala @ mahazatra, mandeha mitokana mihaona @ Andriamanitra. Mandritra io fotoana io, ny apostoly dia eny ambony sambo, miady mafy @ rivotra sy onja.  Raha arakany baiboly, ny ranomasina dia tandidon’ny ratsy, fonenan’ny ratsy. Raha tsaroanareo tsara, rehefa noroahan’I Jesoa ny demony dia niditra tao @ kisoa efa ho roa arivo. Ny kisoa avy eo dia nirifatyra tany anaty ranomasina.  Koa arak any kolontsain”ny baiboly, ny ranomasina dia fonenan’ny ratsy.

Ny sambokely dia mitety ny ranomasina. Ary mandritra io fotoana io dia nisy ny tafio-drivotra. Ny tafio-drivotra kosa, raha araka ny  kolontsian jody, dia tandindon’ny ratsy izay sarotra ho an’ny olombelona ny miatrika azy. Ny herin’ny ratsy dia sarotra ho an’ny olombelona ny manohitra azy.

Raha arak any kolontsinan’ny eglizy, ny fampianaran’ny Fiangonana, ny sambokely dia tandidon’ny Eglizy. Raha Jesoa nampianatra teo amoron’ny ranomasina, betsaka ny olona teo aminy ka voatery izy niakatra teny @ sambokelin’I Piera, mba ahafahany miataka ny vahoaka ka nampianatra azy ireo avy eo. Eto kosa indray, iony sambokely mitety ny ranomasina, atopatopan’ny onja. Ao anatin’io ny apostoly. Ny sambo izay nisy an’ireto apostoly ireto dia tandindon’ny Eglizy.

Raha atambatra izay zavatra rehetra izay dia izao. Ny Eglizy, io sambokely io, mitety  ny herin’ny ratsy. Ary ny herin’ny fahavalo izay miezaka dia manonja, ka miady ao anatin’izay koa isika olombelona. Izay ny tandindon’ity kisarisary ity.   Ny sambokely diany Eglizy, misy mihitsy ary moa ny fiangonana no atao toy ny sambo.

Ny ranomasina dia fonenan’ny ratsy. Ny rivo-mahery dia tandidon’ny herin’ny ratsy manohina antsika olombelona isan’andro. Dia tahak’izay ny fiangonana, misedra ny rivo-mahery, mitery sy miady @ ratsy rehetra. Izay ny fiainan’ny fiangonana isan’andro. Ary ny fiangonana anie dia tsy iza fa isika rehetra.

Misy ny manontany hoe inona ny fiangonana, inona ny eglizy. Ny fiangonana dia io tranobe io, diso izay. Fa hatrany am-boalohany, ny fiangonana diany vahoakan’Andriamanitra. Isika vahoakan’Andriamanitra vita batemy izao no ataohoe Eglizy, fiangonana. Ka isika, isan’andro isan’andro, eo @ fiainana dia mitety an’io asan’ny ratsy rehetra io. Mandritra ny herin’andro dia maro ny zavatra manahirana antsika, ary mety mahakivy mihitsy aza indraindray. Miady mafy ny mpianatra, miezaka mivoy sy manohitra ny rivotra farany, efa divaraina ny andro; iny Jesoa mandeha eny ambony ranomasina. Miantsoantso izy ireo satria noheverina ho matotoa Jesoa.Fa nony avy eo Jesoa niteny: “Matokia, izaho ihany fa aza matahotra”. Ao anatin’izay adim-piainana izay, rehefa mafy loatra ny adintsika, mafy ny fakam-panahy, misy fotoana tsy tsaroantsika intsony Andriamanitra. Misy fotoana tsy  fantatsika intsony hoe iza no hisarangotana. Na I Jesoa aza tsy haintsika intsony hoe aiza ianao Jesoa. Manjary mitady zavatra hafa, hery hafa isika hisarangotana.Tahaka ny nahazo ny apostoly eto: rehefa mafy ny adiny dia tsy fantany intsony Jesoa. Jesoa irery no hany olona afaka mandeha aùbony ranomasina., izany hoe afaka mandresy ny fonenan’”ny ratsy. Fa rehefa nahita izay ny apostoly dia mbola maka toky ihany I Piera “Raha ianao ary io Tompo dia asaivo makeny aminao mandeha eny ambony rano koa aho”. Dia hoy Jesoa hoe “Avia”. Rehefa nino @ izay I Piera fa I Jesoa io, nib  anjina azy izy dia afaka nandeha teny ambony ranomasina, afaka koa nandresy ny herin’ny ratsy. Afaka nandresy ny fonenan’ny ratsy I Piera rehefa nino ny tenin’I Jesoa.

Rehefa mino an’I Jesoa kosa anefa, dia tsy midika izany fa hoe afaka ny herin’ny ratsy rehetra, na koa hoe tsy misy intsony ny fakam-panahy. Fa na hatraiza ny finoantsika an’I Jesoa, ny herin’ny ratsy dia tsimaintsy manodidina sy manjohy antsika isan’andro. Fa rehefa nampandehanina teny ambony ranomasina I Piera, rehefa nahery ny rivotra, tsy nitodika tany @ Jesoa indray izy fa variana nievi-tena hiady t@ rivotra. Fa rehefa izay dia nilentika.Rehefa nilentika izy vao niteny t@ Jesoa indray: “Tompo ô, vonjeo aho!”.Soa ihany fa nahalala nitodika tany @ Jesoa indray.Dia Jesoa niteny: “Ry kely finoana, nahoana no  misalasala ianao?”

Ny finoana ahavitantsika zavatra maro, ny finoana no ahafahantsika mandresy ny ratsy; ka na manam-pinoana aza isika, aoka tsy hieritreritra mihitsy fa tsy hisy intsony ny fakam-panahy, na koa hoe ho mora ho antsika ny mandresy azy ireny.  Fa raha mandinika isika, arakaraka ny hirosoantsika lalindalina kokoa eo @ finoana no mahamafimafy kokoa ny fitsapana eo @ fiainana.

Andriamanitra mahay mitondra antsika. Raha olona mbola kelikely finoana dia hainy hoe eto, hatreto, toy izao ny fitsapana mety ho zakany. Izay no mahatonga ny olona sasany miteny hoe “aleo ihany tsy atao mariazy fa rehefa vita mariazy dia lasa marobe ny zavatra maniraka. Rehefa tsy mbola natao mariazy dia toa milamindamina ny fiainana”.Fa arakakaraka ny hirosoantsika mandray ndraikitra ao @ fiangonana, any @ fikamabanana masina any, arakaraka ny hirosoantsika @ireny no mahamafy ny fitsapana. Kanefa ireny fitsapana mahazo antsika ireny dia manamafy ihany koa ny finoantsika. Fa indraindray mila mitandrina isika, tsy miady irery isika fa eo mandrakariva I Jesoa mijoro, miteny hoe: “Matokia, aza matahotra”.

Misy ny fitsapana eo @ fiainana, fa I Jesoa eo lalandava; raha vao mitodika any aminy fotsiny isika dia ho hitantsika izy miteny hoe: “Matokia, aza matahotra”.

Ilaina ny finoana.

Andro alahady toy izao no fanovozantsika hery vaovao, hiatrika ny adim-piainana indray isika manomboka miala ity fiangonantsika ity,mandritra ny herinandro, hamakivaky ny ranomasina sy ny onja, hisedra tafio-drivotra. Ao antin’io lakana kely io, ahilangilany ka mila ho rendrika isika indraindray. Tsarovy fa tsy miady irery isika. Samy manana ny olany ny tsirairay, ao ny olana ao an-tokantrano, ao ny ady @ fiainana, eo ny olana eo @ zanaka, ny ho avy, marobe ny zavatra manahirana. Miady @ fiainana isika.

Fa heverintsika mandritra ity herinandro ity, rehefa tojo ny sarotra dia alao sary an-tsaina hoe ity no voalaza t@ alahady. Io ilay ranomasina manonja, ity ilay tafio-drivotra, aiza ianao Jesoa.

Misy hira @ teny frantsay iny hoe: “Tu es là au Coeur de nos vies”, milaza fa ao anatin’ny onjan-dranomasina mahery, dia eo foana i Kristy. Tsy hiraintsika fotsiny iny hira iny, fa rehefa mahatsiaro isika hoe sahirana, manana olana goavana eo @ fiainana, misy aretina sarotra tsaboina, dia ataovy hoe “Tu es là au Coeur de nos vies”-  “Ianao eo @ fiainanay isan’andro”.

Resaka Facebook