Alahady – 07/09/2014 – Toriteny

Ny kristianina tsy mifampijery harina antava.

Io no foto-kevitra nambaratsika tany ampiandohan’izao sorona masina izao, hodinihitsika ary ezahitsika iainana, isankerin’andro dia misy mandrakariva lohahevitra banjinitsika , amin’ity herinandro ity dia ny fiarahamonina sy fifankatiavana dia azotsika soloina ilay kristianina, dia ny olona tia tsy mba mijery harina antava.

Ho raisitsika ireo, raha mijery ny vakiteny voalohany isika tao amin’ny bokin’I Ezekela dia miteny sy afaka mamintina izay hoe tsy mijery harina antava izay. Izao no tenin’I Ezekela  : “ Raha niteny aho nilaza tamin’ny ratsy fanahy hoe ho faty marina ianao ry ilay ratsy fanahy”, Andriamanitra no niteny an’io, “ka tsy niteny ianao nananatra ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany dia ho faty amin’ny helony iany ilay io, noho izy ratsy fanahy, nefa ho adiniko aminao ny rà-ny” . Andriamanitra mampiteny an’I Ezekela satria ireo vahoaka Jody ireo nanarin’Andriamanitra tamin’ny fomba isankarazany nefa tsy nety niala tamin’ny lalandratsy dia izay no natonga an’Andriamanitra niteny tamin’ny Ezekela hiteny amin’ireo vahoaka ireo hiala amin’ny lalandratsy, dia izao no nataon’Andriamanitra hoe, raha tsy niteny ianao nananatra ny ratsy fanahy dia ho faty amin’ny helony iany io, izany hoe, ho faty amin’ny helony, atsoiny ilay ratsy fanahy, fa ianao ilay nampitondraina hafatra iany koa, ho adinina aminao ihany koa ny rà-ny, satria ho faty io olona io, nefa tsy fantany akory hoe tsy mety ny zavatra ataony ary efa itanao ilay olona fa efa makany amin’ny lalan’ny fahaverezana dia mbola manao tazandavitra tsy miteny, fa ho faty iny olona iny, ary raha ho faty iny olona iny, ianao izay mahalala fa tsy mety ny nataony, diso koa ianao, ary ho adinina aminao koa ny ràn’iny olona iny, izany hoe mandray anjara amin’ny fahaverezan’iny olona iny koa ianao raha toa ka tsy miteny azy nefa fantatrao fa lalana ahavery azy ny lalana alehany. Dia ny tohiny, Ezakela ihany :” Fa raha mananatra ny ratsy fanahy kosa ianao hiala amin’ny lalany dia ho faty ao amin’ny helony izy, fa ianao kosa hahavonjy ny fanahinao”, izany hoe ianao nandray andraikitra fa izy no tsy mety miala amin’ny lalany, ho faty izy fa ny fanahinao kosa ho voavonjy. Izay zany, io efa re-tsika Malagasy,” tsy mifampijery harina antava”, efa hita fa lalan’ny fahaverezana no alehan’ilay olona, maty ilay olona, dia diso miaraka aminy isika, raha niala nenina ihany isika niteny, fa izy tsy mety miala amin’iny lalany iny, izy tsy maintsy ho faty fa ianao kosa navita ny adidinao ary afaka ka voavonjy ny fanahinao.

Dia ao amin’ny Evanjely, re-tsika teo mbola mitovitovy hevitra amin’izay ihany ; “raha diso taminao ny rahalahinao, manantona azy”, tsy hoe ianao no nanao ratsy taminy fa izy no nanao ratsy taminao, dia ianao indray no mandefitra hanantona azy, mitokana. Isika izay niharan’ny faharatsian’ny olona, isika indray no manao dingana voalohany, rah any tokony ho izy, ny mahazatra atsika dia ilay olona nanao ny tsy nety no manantona atsika, mifona, mangataka famelana.  Fa ny ampianarin’I Jesoa atsika dia mifanohitra amin’izay, tsy miandry an’ilay olona nanao diso izay vao manantona fa isika izay niharan’ny zavatra tsy mety, isika no manantona an’ilay olona, ambarao aminy ny zavatra tsy nety nataony . Raha tsy miaina anao izy tsy mijanona eo, mbola mitady vahaolana faharoa, makà vavolombelona iray na roa miaraka aminao, satria mety ho menamaso izy raha misy olona hafa anal any henamaso miaraka aminao, dia mbola tsy mety izy, fa tsy maintsy mbola mitady vahaolana fahatelo, ambarao amin’ny Eglizy, izany hoe tsy mety tapitra io, hoe misy zavatra tahak’izao : efa niezaka izahay anantona azy, efa nitondra namana izahay, rehefa tsy mihaino ny Eglizy izy dia afaka isika, fa izy mihitsy no manary tena amin’izay fotoana izay, izay no fampianaran’ny Eglizy, fampianaran’I Kristy, fampianaran’ny soratra masina: tsy maintsy miteny manoloana ny zavatra tsy mety ataon’ny olona iray, raha hita izy fa mizotra makany amin’ny lalana mahavery, dia tsy maintsy miteny azy isika, tsy maintsy mitaona azy koa isika hanantona an’Andriamanitra.

Dia mba manao ahoana nefa isika, amin’ny maha kristianina antsika, raha misy zavatra toy izany; misy olona manafitohina atsika, misy olona efa hitatsika fa tsy mety ny ataony, inona ny fomba ataotsika; isika Malagasy aloha dia sarotiny amin’izany fitandroana ny fihavanana izany, sarotra ho atsika Malagasy ny miteny mivantana ny zavatra tsy mety ataon’ny olona iray, satria sao dia manafitohina azy, sao dia ahatezitra azy, sao dia hanapaka ny fihavanana, dia izay iray alehany na isika tsy miteny na hitatsika ilay zavatra fa tsy amin’ilay olona isika miteny fa any amin’olona hafa.

Mifampijery harina antava : ahoana moa izany mifampijery harina antava izany?

Harina izany dia maintimainty, raha avy nanasa vilany dia mamafa atsembohana dia misy maintimainy ny tava, dia avy eo izy mivoaka ny trano dia hitan’ny olona rehetra hoe misy maintimainty ny tavany, dia ianao tsy miteny hoe misy maintimainy ny andrinao, fa ianao mikakakaka mihomehy fotsiny, dia avy eo miteny amin’olona hafa mba hijery ny andriny fa misy maintimainty. Izany matetika ny ataotsika, dia izay dia, eny tokoa misy maintimainty ny tavany dia afa-baraka ialay olona fa any atrano izy vao mahita fa hay ve misy maintimainty ny andriny, tsy sahitsika ny miteny mivantana amin’ilay olona, fa ifampiresahatsika any ambadika ilay izy dia inona no fivoharana andrasatsika amin’izay?, inona no fivoharana antenaitsika?

Ny mahatonga an’I Jesoa miteny an’ity fampianarana ity dia eo aloan’io Izy niteny fa tsy tian’Andriamanitra hisy ho very, na iray aza, amin’ireny madinika ireny, tsy tian’Andriamanitra ho very na dia mpanota iray aza, fa Izy dia mitady izay fomba rehetr a amonjena ny olombelona. Tsy maintsy miala nenina mba hiverenan’ny olona iray amin’ny lala-marina. Mety tsy mahazatra atsika nefa izany satria ny mahazatra atsika dia mifampitakoritsika, maka vodirindrina dia miresaka, mifosa, manaratsy, fa tsy vitatsika ny miatrika hoe inona ary no ho atao?, nefa hoy ny ohabolana manao hoe: “ Ny teny maro tsy ilaozan’ota”, ary hoe “Ny adala aza raha mahakombombava, dia lazaina fa hendry” izany hoe: mety misy olona manao akanjo tsara mandeha eny andalana eny fa rehefa miteny izay zay vao fantatra hoe adala kay iny olona iny satria izay zavatra teneniny tsy mitony, tsy misy lojika, tsy misy ifandraisany. Isika mety tsy mbola nieritreritra hoe namono olona, fa isika mifosa olona io dia mamono olona isika, fosainao ilay olona dia avy eo “ny teny toy ny atody, ka raha fohy manan’elatra”, misy mihaino eo dia lasa mitantara etsy sy eroa dia miparitaka, raha misy fahavoazana iny olona iny dia tsy misy mamonjy azy intsony satria zavatra kely mivoaka ny vava dia miparitaka etsy sy eroa.

Tahaka ilay oha-panohara iray, isika mifosa olona io, misy an’ilay tohatoha-bato eo andohalo eo, dia rehefa mifosa olona iray isika dia tahaka ny hoe maka akoho iray isika miala eny Mahamasina hiakatra io tohatoha-bato io miakatra eny andohalo. Miala aty ambany ilay akoho dia volosana, volosana mandram-pahatonga eny andohalo, zany hoe aboridanao mihintsy ilay olona. Ahoana no fomba amerenanana ny hasin’iny olona iray iny?, sarotra?, raha vitanao ny mamerina ny volon’ilay akoho dia tafaverina ny hasin’ilay olona iray, izay zavatra tsy ho vita na oviana na oviana. Aleo miteny mivantana, fa famonoana olona ankolaka isika amin’io fosafosa-tsika io. Manatona azy mba tsy ho very miaraka aminy. Ratsy ny olona iray ka tia hilafa fa ho tsara, izay no ao ambadiky ny fifosana, tiany holazaina fa izy no tsara.

Izay zavatra ratsy hitanao amin’ny olona iray dia fataro fa anananao iny toetra ratsy iny. Izay no itsaratsika ny tenatsika satria sarotra ny mitsara tena, ny mitsara ny hafa vitatsika, fa ny mitsara ny tenatsika tsy vitatsika.

=>  Ny fahitatsika sy fitsaratsika ny hafa no ahitatsika ny toetratsika ihany koa.

Ka aoka tsy hitsaratsara olona  foana isika, aoka tsy hifampijery harina antava, fa izay tsy mety dia lazao, dia tsy ny tsy mety ihany no lazaina fa ilaina koa ny fankaherezana, raha itanao fa misy zavatra tsara amin’olona iray dia lazaina ihany koa.

Resaka Facebook