Alahady – 06/07/2014 – Toriteny

BE FITIAVANA SY MALEMY FANAHY JESOA.

Izay no foto-kevitra manentana ny fiangonana manontolo androany. Hitantsika, voalaza tao amin’ny Evanjely teo, izy mihitsy no milaza: “malemy fanahy sy manetry tena ao am-po”. Ka ireo izay manantona azy no mahita ary mahazo fiadanana.

Raha jerentsika ireo vakiteny telo (3) naroson’ny fiangonana antsika androany, dia toa ahitana endrika fampitahàna. Manomboka any amin’ny vakiteny voalohany, ny  vakiteny faharoa, ary aty amin’ny Evanjely, dia  manao fampitahàna ny Soratra Masina.

Tao amin’ny vakiteny voalohany, ao amin’ny Bokin’I Zakaria mpaminany, dia miteny izy “mifalia amin’ny hafaliana rehetra lehibe, ry zanaka vavin’I Siôna”. Ny zanaka vavin’I Siôna dia lazainy: “indro ny mpanjakanao avy any aminao mitaingina ampondra”. Ny zanaka vavin’I Siôna mifaly satria avy ny mpanjakany mitaingina ampondra.

Fa mifanohitra amin’io kosa ny hoe “indro Efraima mitaingina soavaly”.

Izany  dia ahitantsika sahady ny elanelana misy. Ny mpanjaka vavin’i Siôna  mitaingina ampondra, fa ny an’I Efraima kosa mitaingina soavaly.

Tao  amin’ny vakiteny faharoa, taratasin’I Md Paoly  ho an’ny Rômana dia ahitantsika ihany  koa endrika  fampitahàna. “Raha tsy  manana ny fanahin’I Kristy dia tsy an’I Kristy”. Manaiky ho tarihan’ny fanahy.

Mifanohitra amin’izay kosa ilay ara-nofo, tarihin’ny nofo.

Dia ao amin’ny Evanjely retsika teo ny manaraka. Rehefa  nivavaka I Jesoa: “Misaotra anao aho Raiko, nanafina ny tsiambaratelonao tamin’ny hendry sy ny be saina, fa nanambara azy tamin’ tso-po kosa”.

Zavatra roa mandrakariva no nolazaina teo.

Dia eto  amin’ity Evanjely ity dia tsara raha jerena fa maninona I Jesoa no manao an’io vavaka izay retsika teo io.

Ny antony dia izao:

Jesoa talohan’io dia nandalo tany amin’ny faritanin’I Tira sy Dona, dia niteny izy nanao hoe: “ mila loza ianao ry Kôrôzaima sy Betsaida, fa raha izay natao tany amin’ny Tira sy Dôna no natao tany aminao dia hibebaka izy ireo”. Izany hoe Kôrozaima sy Betsaida dia tanàna nandehanan’I Jesoa. Aoka ho fantatsika fa tany ISraely no nanaovan’I Jesoa fahagagana.  Fa ilay Tira sy  Dona dia toerana tsy mba nalehan’I Jesoa., izany hoe tanin’ny haizina ireo. Toerana tsy nolalovan’I Jesoa satria tanin’ny jentily, tany tsy mahalala an’Andriamanitra. Dia niteny I Jesoa fa raha izay no natao tany Tira sy Dona, ny fahagagana, dia efa ela ireo no nibebaka tamin’ny akanjo malailay.

Niteny mafy koa izy  amin’ireo farisianina ireo, ireo dia mihevitra ho tompon’ny lalàna sy mahay ny lalàna. Ireto olona avy any Kôrozaima sy Betsaida  nanaovan’I Jesoa fahaganana, kanefa nalaina tsy nety nino. Dia izay no nahatonga an’I Jesoa rehefa mivavaka eto milaza hoe : “Misaotra anao aho Raiko, nanafina ny tsiambaratelonao tamin’ny hendry sy ny be saina, fa nanambara azy tamin’ny tso-po kosa”.

Dia eto no ahitantsika fa hay ity fahaganana ity dia tsy  voatery hitondra ny olona any amin’ny finoana.

Fakam-panahy mety hitranga io. Aleo mihitsy Andriamanitra hanao fahaganana,  izay aho vao tena hino. Raha tsy misy fahagagana ataon’Andriamanitra tsy hino aho. Dia na ny vavaka izay ataontsika, satria misy fotoana isika mangataka fahagagana  amin’Andriamanitra, ka rehefa tsy tanteraka ilay izy dia miteny isika hoe “angamba tsy misy izany Andriamanitra izany”.

Io no tenin’I Jesoa “Misaotra anao aho Raiko”…satria ireo mihevitra ny tenany ho tompon’ny  Lalàna, mahalala ny Soratra Masina, ireo mihevitra ho be saina sy manam-pahaizana, mikaroka an’Andriamanitra amin’ny alalan’ny herin’ny sainy, dia tsy ahita an’Andriamanitra na oviana na oviana.

Ary efa nambarantsika teto ito, fa Andriamanitra anie ka tsy azo anaovana ho tahaka ny manao siansa: Alaina ny olombelona dia didina. Jerena hoe inona  avy ny ao anatiny, inona avy no mandrafitra azy sns…Andriamanitra tsy tahaka ny zavatra ka ho  azo anaovana “etudes” (fikarohana tamin’ny famoaboasana). Ka raha mihevitra toy izay isika, ary io no nahadiso ny olombelona tany amin’ny  voalohany, ary efa noresahantsika teto ihany koa, ny mitady  an’Andriamanitra amin’ny herin’ny saina.

Natao hatramin’ny zanabolana ka nandeha nankany amin’ny volana satria hoe any ambony any no misy an’Andriamanitra; ka rehefa tonga tany dia nilaza fa tsy misy an’izany Andriamanitra izany aty. Rehefa tonga tety ambonin’ny tany izy dia nitory: “efa tonga tany an-danitra izahay fa tsy nisy an’izany Andriamanitra izany any”; satria heveriny fa amin’ny fikarohany amin’ny herin’ny sainy no ahalalàny an’Andriamanitra.

Fa raha amin’ny herin’ny saina, amin’ny maha-olombelona fotsiny dia tsy mankaiza, tsy ahatakatra an’Andriamanitra na oviana na oviana.

Ary rehefa mahatakatra  an’Andriamanitra ny sain’ny olombelona, dia foana ny maha-Andriamanitra an’Andriamanitra.

Rehefa hain’ny olona daholo ny mistery momba an’Andriamanitra rehetra, dia foana ihany koa ny maha-Andriamanitra azy.  Fa izay no maha-Andriamanitra azy: tsy  takatry ny sain’ny olombelona. Fa ny olona tsotra, be fitiavana, izay no afaka tena mahalala an’Andriamanitra. Ny olona manana fanetre-tena no afaka mahalala an’Andriamanitra.

Ary ao amin’ny Baiboly, Soratra Masina manontolo, dia io foana no miverina. Izay mihevitra ny tenany ho be saina dia tsy ahalala an’Andriamanitra velively.

Ary izay no maha-diso ny filôzôfa: mandinika.  Misy izy ireo no tena “Athée” = tsy mino an’Andriamanitra mihitsy, satria heveriny ho takatry ny sainy Andriamanitra. Fa tsy hotakatry ny sain’ny  olombelona na oviana na oviana. Fa ny ataon’ny olombelona dia ny manaiky. Izay ilay fanetre-tena milaza fahatsoram-po. Ary ireo olomasina teo alohantsika rehetra ireo dia niaina izany daholo.

Dia amaramparanako ny fizarana ny Evanjely, izay fampitahàna izay.

Mikasika an’ity hoe olombelona mihevitra ny ahalala an’Andriamanitra amin’ny herin’ny saina.

Any amin’ny firenena sinoa any dia tena mbola vitsy izany olona hoe mahalala sy  mino an’Andriamanitra izany; fa manana ny finoan-drazany efa hatramin’izay izy ireo. Fa ny finoana kristianina, dia sahirana ny miditra any amin’io toerana io.  Dia misy Pretra niasa tany, dia niresaka tamina sinoa iray izay tsy mba mino an’izany Jesoa izany; tsy mino an’izany Andriamanitra izany.

Dia niezaka niresaka sy  nanazava taminy hatrany anefa Mopera.

Indray andro, nanofy ity rangahy ity.  Nanofy latsaka tanaty lavaka iray. Rehefa latsaka izy dia tsy tafavoaka tao mihitsy. Dia niandry famonjena.

Dia nisy olona nandalo, teôlôjianina io olona nandalo io. Olona manan-tsaina sy heverina fa mahalala an’Andriamanitra tsara. Rehefa nahita an’ilay rangahy  latsaka tao anaty lavaka izy dia niteny hoe “Raha nijery  lalana tsara izao ianao dia tsy latsaka tao, fa amin’ny manaraka mitandrema ianao rehefa mandeha”. Izay ilay saina be fotsiny – fianarana be fotsiny. Dia lasa izy fa tsy afaka namonjy ilay olona latsaka tao anaty lavaka.

Kelikely dia nisy  olona iray hafa nandalo, “Boudhiste” izy io. Nahita azy latsaka tao anaty  lavaka ilay boudhiste dia somary nalahelo ihany izy. Dia niezaka hisintona azy, kanefa lalina loatra ilay lavaka ka tsy nahatakatra ny tanany. Dia hoy izy: “raha mba miakatra ambonimbony kely ianao izao dia ho voaraiko  ny tananao ka ho voavonjiko ianao”. Saingy tsy nahavonjy izy, na dia teo aza ny finiavany.

Dia rehefa kelikely, dia iny Jesoa, ilay tsy ninoany, fa nandalo, ary hitany.

Fa I Jesoa kosa dia nidina tao anatin’ilay lavaka, nanao an-tsangory azy ary nitondra azy nivoaka.

Taitra tamin’ny torimasony ilay rangahy, izay izy vao tonga saina. Hay izany  ity Jesoa ity dia fanetre-tena. Nanaiky nidina ambany. Jesoa izay nampalaina azy ny hino azy. Kanefa ilay zavatra tsy  ninoany nonanavotra azy nivoaka tao anaty lavaka.

Ny lesona  tsoahintsika dia izao:

Raha te ahalala an’andriamanitra marina isika, dia ny lalan’ny fanetre-tena no izorana. Tsy manao fikarohana be, fa raha ao ny fitiavana, dia ao ny fanetre-tena,  ka hazava amintsika hoe iza ity Andriamanitra ho tompointsika ity.

Resaka Facebook