Alahady 05/07/2015 : Toriteny

Na dia osa sy malemy aza isika dia eo i Kristy ho heritsika.

Raha dinihina ireo vakiteny telo nomen’ny Fiangonana antsika anio dia azo adika amin’ny teny Frantsay hoe:  “ Spiritualité de l’echec ”, izany hoe: ny toe-panahy hoentina miatrika ny tsy fahombiazana eo amin’ny fiainana satria samy manambara fa Andriamanitra aza,  i Jesoa aza, dia toa tsy nahomby rehefa tonga tany amin’ny tany nahabe azy. Nankany Nazareta i Jesoa, ka tao ny havany nanao hoe “Moa tsy aty amintsika va ny rahalahiny, aty amintsika ny anabaviny.” Ka diso hevitra isika indraindray, raisin’ny olona sasany io teny io anoherana fa: i Jesoa Kristy dia tsy zanak’Andriamanitra, i Masina Maria dia mbola niteraka an’i Josefa , Joda sns … Olona tsy mahalala no manao izany. Ny toe-tsaina jody dia toe-tsaina tatsinanana : ny zanaky ny rahalahy, na ny zanaky ny rahavavy, na ny zanaky ny anabavy, na ny zanaky ny anadahy dia toy ny iray tampo amin’ny zanaka ihany. Mitovy amin’izay koa ny teo-tsaintsika Malagasy ; ka raha miteny an’io hoe: “aty amintsika va ny rahalahiny, aty amintsika ny anabaviny” dia zanaky ny mpiray tampo amin’i Masina Maria no tiana ambara fa tsy hoe zanak’i Masina Maria ankoatra an’i Jesoa akory.

Nampianatra tao amin’ny Sinagôga i Jesoa, nanao araka ny fomba Jody hoe : ny lehilahy feno taona rehetra dia afaka mamaky ny Tenin’Andriamanitra ao amin’ny Sinagôga. Tamin’izany andro izany, ny vehivavy tsy mahazo mamaky teny, tsy mahazo miakatra eny amin’ny Otely, fa anjaran’ny lehilahy feno taona ihany no manao an’izay. Ka i Jesoa , rehefa tonga tao amin’ny tany nahabe azy,  dia niditra tao amin’ny Sinagôga, ary namaky ny Tenin’Andriamanitra, nanazava  ny Soratra Masina. Tsy nolazain’i Md Marka moa ny Tenin’Andriamanitra novakian’i Jesoa satria tsy izay loatra no tena tiany asongadina fa ny fihetsika nasehon’ny olona tamin’i Jesoa nitory ny Tenin’Andriamanitra tao amin’ny tanindrazany. Zavatra tsara no nampianarin’i Jesoa, fampianarana miezinezina, ary voalaza tao fa gaga ny olona tamin’ny fampianarany. Fa rehefa nitohy teny ny fampianarana dia nifanontan indray ny olona hoe: “Tsy zanak’ i Josefa ve io”. Ka noho izay maha-izy an’i Jesoa izay dia tsy noraisina hatramin’ny fampianarana tsara izay nataony satria nijanona tamin’ilay toetra maha-olombelona an’i Jesoa, tamin’ny fifandraisana sy fihavanana tamin’ireo mpiara-monina aminy ireo i Jesoa . Takona tamin’izay ny mason’ireo vahoaka tao amin’ny Sinagôga ka tsy nijery intsony hoe inona  no fampianarana tsara azo sintonina tamin’ny nataon’ i Jesoa fa variana tamin’ny maha- olombelona an’i Jesoa.
Gaga i Jesoa nohon’ ny tsy finoan’izy ireo. Izany hoe: tsy nahomby i Jesoa tao amin’ny tanindrazany. Fa na tsy nahomby aza izy, dia tsy nijanona teo fa , voalaza mamarana ny Evanjely, nitety ny vohitra sy ny manodidina izy sy ny mpianany.Hoy ny filôzôfy iray, Gabriel Marcel :”L’echec assumé conduit au dépassement” ; izany hoe: raha hainao ny mandray an-tanana ny tsy fahombiazana dia iny no mitondra anao amin’ny fihavaozana rehefa avy eo. Fa indraindray isika rehefa  tratran’ny tsy fahombiazana dia milofika, tsy mivoaka ny trano intsony fa menatr’olona. Io tsy fahombiazana io dia heverintsika fa manimba antsika, heverintsika fa fahafaham-baraka ; kanefa hery iray lehibe io, fahasoavana koa.  Ny hanirahan’Andriamanitra antsika dia tsy ny hahomby, fa ny HIASA : miasa am-pitiavana, miasa am-pinoana, hanao ny sitrapon’Andriamanitra.

Raha jerentsika koa ny ao amin’ny Vakiteny voalohany (Bokin’i Ezekiela Mpaminany), nirahin’Andriamanitra i Ezekiela : “Indro aho maniraka anao ho any amin’ny zanak’Israely, ho any amin’ireo vahoaka izay niodina tamiko… ireo olona mafy fo ireo no anirahako anao.”  Kivy ihany i Ezekiela, fa tsy nijanona tamin’izay fotsiny satria nilaza Andriamanitra hoe : misy Mpaminany eo amin’izy ireo.

Ary ao amin’ny Vakiteny faharoa, izay efa diso fantatsika angamba, “Fa ny fahasoavan’Andriamanitra no nahatoy izao ahy.” Manaraka izay: “Ny fahalemeko no heriko.” Ary sitrako aza, hoy ihany  i Md Paoly ny hirehareha amin’ny fahalemeko. Tsy misy olona afaka mirehareha fa tsy manana fahalemena na iray aza ; fa samy manana ny fahalemeny sy ny kilemany ny olombelona. Saingy tsy izay fahalemena izay no atao hampiondrika ka tsy hiasana intsony. Io fahalementsika io dia manampy antsika tsy hiavonavona ; na i Md Paoly aza nanao hoe “Isaky ny te hanao ny tsara aho dia ny ratsy foana no vitako” , fa hoy Andriamanitra hoe: “AMPY HO ANAO NY FAHASOAVAKO.” Io fahalementsika io dia fahasoavana ho antsika raha haintsika ny mitondra azy mankeo amin’Andriamanitra. Ny tsy fahombiazana koa dia mankahery , fa raha mety avokoa izay atao dia mety ho lasa avonavona no hiafarany.

Ny foto-kevitra androany dia natao hanaitra antsika mianakavy : misy ny tsy fahombiazana eo amin’ny fiainana fa ireny fahalemena ireny dia tokony entina eo amin’Andriamanitra. Izy no manova azy. Ka raha hainao ny mandray an-tanana ny tsy fahombiazanao, dia hanova ny fiainanao tanteraka izany. (“L’echec assumé conduit au dépassement.”, Gabriel Marcel)

Resaka Facebook