Alahady – 03/08/2014 – Toriteny

FETIM-PIANGONANA MB ANNE Anjomakely

“Ray aman-dreny Andriamanitra fa mpamelona ara-nofo sy ara-panahy”.

Retsika t@ Evanjely teo ny tantaran’I Jesoa nampitombo mofo. Raha ny Evanjely efatra (4) no jerena, dia in’enina no miresaka I Jesoa ka mapitombo mofo. Izany hoe Evanjelytsy vaovao amin’ny sofintsika io. Fa ny fanazavana azy kosa no arakaraka ny zava-nitranga t@ nanaovan’I Jesoa ity fahagagana ity.

Eto àry dia misy zavatra sarotra natrehan’I Jesoa. Voalohany, noroahin’ireo vahoaka tao @ tany nahabe azy izy, tao Nazareta. Tonga nampianatra tao @ Synagoga Jesoa no noesoin’ny olona hoe “fa tsy zanaky ny mpandrafitra ve ilay io? Fatantsika tsara ny rainy sy ny reniny sy ny rahalahiny sy ny anabaviny, nahoana izy no miteny toy izao? Avy aiza no nahazoany izany fahendrena lehibe izany?”. Dia tafintohina t@ Jesoa ireo mpiray tanindrazana taminy ka voatery Jesoa niataka.

Taorian’io, dia ren’I Jesoa fa novonoin’I Heroda I Joany Batista, zanaky ny rahavavin’ny reniny. Novonoina notapahan-doha I Joany Batista. Izany zavatra izany dia nialoha ny nandehanan’I Jesoa nampitombo ny mofo.

Fa inona no nahatonga an’I Jesoa nampitombo ny mofo?

Ny antony dia izao: be ny asa nataony, vizana t@ fitorian-teny izy, be nefa ny olana nitranga teo @ fiainany ka nila niataka kely I Jesoa. Hitantsika teo fa nolazain’I Md Matio tsara: nandeha niala t@ tanàna ka nitokana tany an’efitra I Jesoa, mba hitodika @ Andriamanitra, haka hery sy hivavaka. Izay no antony nialàn’I Jesoa t@ ireo vahoaka be dia be ireo, nandeha Izy nitokana ho any an’efitra.

Dia apetrantsika @i Jesoa ny fiainana maha-Kristianina antsika, mandika lesona aminy isika mianakavy: miady @ fiainana. Miatrika olana isan-karazany any anatin’ny fiaraha-monina any, miady isan’andro, izany ny fiainantsika. Mifanenjika @ fiara fitanterana isan-karazany, izany ny asantsika. Fa rehefa tonga ny faran’ny herinandro, tonga ny alahady, Jesoa mampianatra antsika: Miala sy miataka @ asa andavan’andro isika. Mandeha mitokana, mivavaka: hakàntsika hery vaovao avy @ Andriamanitra, izay ilay voalaza teo: Andriamanitra dia ray aman-dreny mpamelona ara-nofo sy ara-panahy. Mamelona ara-panahy Andriamanitra: mahazo sakafom-panahy isika rehefa alahady toy izao, mandray ny tenin’Andriamanitra isika, mankahery antsika hiatrika sy hiomana eo @ fiainana. Iny herim-panahy raisintsika iny no entintsika miatrika ny herinandro vaovao. Tokony isika mitondra ny herin’Andriamanitra miaro ny zanany ary manovo hery vaovao entina miatrika ny herinandro manaraka. Izay no nataon’I Jesoa. Fa inona kosa anefa ny zava-nisy?

Toa tsy nisy fotoana nipetrahana akory Jesoa. Tsy navelan’ny olona, fa ireo vahoaka izay nihaino azy sy nandre ny fampianarany ireo; indreny fa nidodododo nanaraka azy tany @izay nalehany rehetra. Onena I Jesoa nahita ireto vahoaka be dia be. Ny nataony: lasa izy nanasitrana ny marary. Hariva ny andro, ny olona tsy mbola nisy nody ary noana ireo olona ireo. Tsy noana sakafo fa kosa nangetaheta te-handray fankaherezana. Te-handre ny Tenin’Andriamanitra, ary izay no nandehanan’ireo vahoaka ireo nandeha nanaraka an’I Jesoa. Fantany fa any@ Jesoa no ahazoana ny hery rehetra, ary voalazan’I Md Paoly teo fa “Tsy hisy ahasaraka antsika @ fitiavan’I Jesoa”. Inona no ahasaraka antsika @ fitiavan’I Kristy? Fahoriana ve? Sa fahantrana? Fahaterena ve? Hanoanana ve? Loza ve? Tsy misy mahasaraka antsika @ fitiavan’I Kristy. Izany no nahatonga ireo vahoaka ireo nitady sy nanaraka an’I Kristy hatraiza hatraiza.  Fa rehefa teo Jesoa, tsy naharitra fa avy ahtrany dia niasa. Nampianatra sy nanao fanasitranana. Hariva ny andro, ny apostoly tonga nilaza t@ Jesoa: “tany efitra ity ary efa hariva ny andro, koa ravao ny vahoaka handeha hividy hanina any @ vohitra”. Zava-dehibe io fihetsika nataon’ny apostoly io: nandinika ny zava-misy manodidina: fantany ireo vahoaka ireto fa noana, mbola handeha hody lavitra, dia any @ Jesoa  izy ireo no mitodika satria izy no afaka manome baiko handrava ny vahoaka. Izay no hevitra takatr’ireo apostoly ireo: ravàna ny vahoaka ary izy ireo ihany no mandeha mitady sakafo. Tsara ilay hevitra satria mahita ny fahorian’ireto vahoaka marobe ireto, fa ilay vahaolona narosony kosa tsy dia tsara, nefa izay no takatry ny sainy (ny fandravàna ny vahoaka).

Fa Jesoa kosa, tiany hampafantariny ireo apostoly ireo fa tsy ahita vahaolana isikaraha lavitra azy. Aza mitady vahaolana lavitra an’I Kristy isika. Ampafantarin’I Jesoa fa tsy any ivelany, tsy lavitra azy no ahitana ny vahaolana: ao amin’I Jesoa ny vahaolana rehetra.

“Omeo hanina izy”. Inona no nataon’ny apostoly, nivimbina ny mofo dimy sy hazandrano roa izay tao, dia nitondra izany teo @ Jesoa. Dia nomeny ny olona. Ny vokany rehefa avy eo: roa ambin’ny folo sobika ny sombiny sisa tsy lany. Firy anefa ny olona teo? Dimy arivo ny lehilahy ankoatra ny zaza amam-behivavy. Dia azontsika atao ny fampitomboana, raha jerentsika ny ato am-piangonana: firy ny lehilahy? Ka raha atao hoe misy 200 ny lehilahy mivavaka maraina izao, dia jerentsika hoe firy ny vehivavy ary firy ny ankizy?

Ny tiana ambara dia izao: tsy voaisa ny vahoaka tao. Raha iray ny lehilahy, ny vehivavy mety ho roa ary ny ankizy mety ho telo. Dia raha 5000 ny lehilahy, dia firy izany ny olona nanodidina an’I Jesoa t@ io fotoana io. Nefa ny sombintsombiny sisa tsy lany dia nahatratra 12 sobika. Izay no nataon’I Jesoa. Azony natao tsara ny nametraka ny vahoaka ary avy hatrany dia nanao fahagagana avy @ zavatra tsy misy. Fa ny nataony kosa dia ny naka ireo mofo dimy sy hazandrano roa avy @ireo mpianatra. Izany hoe, mila ny vazatra avy amintsika Andriamanitra, tsy te hiasa irery Izy. Fa mba mila ihany koa ny avy amintsika olombelona. Noraisiny ny mofo dimy sy hazandrano roa dia nisaotra an’Andriamanitra izy. Izay ny dikan’ny hoe Eokaristia (fisaorana). Noraisiny ny mofo, nisaotra an’Andriamanitra izy, dia nomeny ny apostoly ny mofo ka nozarainy t@ vahoaka rehetra. 12 sobika ny tsy lany. Izay no atao hoe Eokaristia.

Ka ao anatin’ny fampianaran’ny Vatikana II dia misy filazana ny hoe “Isika kristianina rehetra vita batemy dia mandray anjara @ maha-mpisorona, maha-mpanjakan’I Kristy. Ka ny maha-mpanjakan’I Kristy antsika no asiako teny kely hamaranantsika ny fampizarana.

Inona moa no andraisantsika anjara @ maha-mpisoron’I Kristy antsika?

Voalaza fa rehefa vita batemy isika dia mandray anjara @ soron’i Kristy. Dia antso ho antsika Kristianina rehetra: efa mba nametratra fanontaniana ve? Izaho dia efa mpisoron’I Kristy, inona no fandraisako anjara?

Tsy ilay mandray Kômonio ihany no fandraisana anjara @ maha-mpisorona antsika. Fa ilaina no mahafantatra an’ity zavatra ity. Rehefa manao fanolorana ny pretra dia misy teny ao ataony, isika moa takon’ny hira fanolorana, fa ny teny na vavaka ataon’ny pretra dia ny hoe: “Ankalazaina Ianao ry Tompo Andriamnitry ny tany aman-danitra fa avy Aminao mazava fo sy malala-tanana no ahazoanay izao mofo atolotray anao izao. Vokatry ny tany sy ny asa-tananay olombelona no indro tonga mofon’aina ka mahavelona anay”. Izay ilay vavaka ataon’ny pretra rehefa mandray ny Ostia izy. Ka ny fandraisantsika anjara maha-mpisorona dia iny fanatitra entintsika iny.

Rehefa avy eo izao rehefa misy ny fitondrana fanatitra, dia ireny no tena endrika ireny. Mitondra ny fanatitra. Fa ankoatra iny dia ilay rakitra ataontsika. Betsaka no tsy mahazo ny dikan’iny rakitra atao iny. Iny ny hatsembohantsika mandritra ny herinandro : ny havizanantsika eny an-tsaha, ny tanantsika miempaka @ angady, ny tongotsika vakivaky @ ranon’ando isan’andro mihosy ny tanimbarintsika, isika vakivaky tanana maka vilona eny an-tsaha sns… isika mifoha maraina, isika mandeha mandray fiara fitanterana, isika any @ toeram-piasana rehetra any, vokatra avy any, rehefa alahady, indro entintsika. Izay ilay ambara hoe « Vokatry ny tany izao, vokatry ny asa-tananay olombelona, vokatry ny hasasaranay olombelona” entina aty @Andriamanitra. Satria hitantsika tsara ny nataon’ny apostoly teo: ilay avy any aminy (mofo 5 sy hazandrano 2) no natolotra. Iny no nampitomboin’I Jesoa avy eo. Fa raha tsy nitondra an’iny ny apostoly, angamba I Jesoa tsy nanao fahagagana. Fa misy avy amintsika. Dia io ilay lazaintsika foana hoe arakaraka ny ahafoizantsika ho an’Andriamanitra anie no hitsofan’Andriamanitra rano antsika ihany koa. Mazava ny vakiteny androany.

Misy manao vazivazy izay moa: vao nohamasinina ho pretra ilay vikera iray, dia ity mihitsy ny vakiteny nandeha t@izay fotoana izay: hoe Jesoa nampitombo mofo. Ilay mofo 5000 ho an’ny olona 5. Eo dia efa diso ilay fiteny. Iza no ahavita izany hoy ilay pretra, tsy misy mahavita izany afa-tsy Jesoa irery. Dia nisy anankiray niteny: izaho mopera mahavita an’izany, @ fomba ahoana moa, raha misy oloan 5000 eo, ka mofo 5 ve tsy ho ampy.

Ny tiana ambara dia izao: ilay fahafoizana avy amintsika no  tena ilaina. Raha te ahazo tso-drano sy fahasoavana avy @ Andriamanitra isika dia ilaina io. Io ny zavatra manazava ny zavatra nitranga androany izay voalazan’ny Evanjely teo. Fa rehefa mahafoy ny apostoly nitondra ny mofo 5 sy hazandrano 2, dia noraisin’I jesoa io dia nampitomboiny ka  nihoatra izay notadiavina no azon’ireto vahoaka ireto.

Rehefa jerena anie ny rakitra ataontsika, dia mampisaotra an’Andriamanitra. Tao ho ao isika dia efa hita fa nanao ezaka goavana. Tsy tahaka izao ny rakitra vitantsika h@izay. Manomboka moa ny fialan-tsasatra dia miha-mandeha tsikelikely isika ka mihena ihany koa ny rakitra. Nanao ezaka isika: rakitry ny reny, rakitry ny ray, rakitry ny ankizy sns… betsaka ny nataon’ny reny (satria izy betsaka rahateo moa) fa dia tena nampiaiky sy nahagaga ny rakitra nataon’ny raim-pianakaviana. Satria na dia vitsy aza izy ireo, dia kely sisa no tsy nahatratrarany ny vitan’ny reny. Dia raha atao ny statistika dia mety nandresy lavitra mihitsy ny raim-pianakaviana t@ireny fotoana ireny, fa ny habetsahany no samy hafa.

Indraindray, zavatra fanaontsika, ilay hoe mandray anjara @ maha-mpisoron’I Kristy isika @io  rakitra ataontsika io. Raha fantatsika izay, angamba tsy hisy intsony ny ho sahy handefa vola maloto aty @ rakitra. Tsy ho sahintsika ny handefa vola efa tsy raisin’ny fiara fitanteram-bahoaka intsony aty @ rakitra, tsy ho sahintsika ny handrovitra vola ka hoe ny ilany @ rakitra voalohany ary ny ilany faharoa @ rakitra faharoa. Tsy ho sahintsika ny hanao an’izany raha tsapantsika izany hoe mandray anjara @ maha mpisorona, maha-mpanjakan’I Kristy antsika izany.

Tao @ fiangonana iray dia niova tanteraka toy io nolazaiko anareo androany io ny niseho tao, izay holazaiko izao. Tonga ny alahady taorinan’io dia niakatra ny rakitra. Izay vao tsapan’ny olona ny hasiny. Ary taorian’io dia vola vaovao sy madio avokoa no nataon’ny olona rakitra. Ny mpanisa rakitra ary gaga fa toa vola vaovao avokoa ny ato. Mahita ny ankizy ny sy tanora manakalo ny vola aminy @ ray aman-dreniny ho vola vaovao. Dia ataony anaty fihirana na baiboly ny vola, mba hatao rakitra @ alahady. Ny akizy efa mahatsapa an’izany, satria tsapany ilay hoe fandraisana anjara @ maha-mpisorona iny rakitra izay atao iny. Tsy fombafomba fotsiny iny fa tena ao anatin’ny litorjia.

 Ray aman-dreny Andriamanitra fa mpamelona ara-nofo sy ara-panahy. Mamelona ara-panahy izy @ sakafom-panahy omeny ny vahoaka mitady Azy. Fa mamelona ara-nofo koa Izy t@ nampitomboany ny mofo ho an’ireo vahoaka ireo. Koa aoka ary isika tsy hitady vahaolana hafa lavitra an’I Kristy, fa na inona na inona zavatra mitranga dia ao amin’I Kristy ihany ny vahaolana, araka ny tenin’I Md Paoly teo hoe: “Tsy misy ahasaraka antsika @ fitiavan’I Kristy”.

Resaka Facebook