Alahady – 02/11/2014 – Toriteny

Rehefa 02 Novambra toy izao dia mahatsiaro ireo havana rehetra efa nialoha lalana  isika. Soa ihany fa nisy ny 02 Novambra fa raha tsy izany dia adino ireo havantsika rehetra efa nodimandry.

Manome tsiny antsika ny olona hafa: “fa maninona ianareo katôlika no mivavaka ho an’ireo olona efa maty? Fa angaha ireny mbola maheno?Ny asa nataony tety an-tany, dia ireny ihany no atrehiny rehefa miakatra arak any bokin’ny aoôkalipsa, ka tsy ilaina intsony ny mivavaka ho an’ny maty.Izay no ataon’ny olon-kafa amintsika katôlika. Ary hitantsika ny olon-kafa, na ny protestanta rehefa mitondra ny havany any am-piangonana rehefa maty, dia inona no ao an-tsainy? Ho azy, dia tsy mivavaka ho an’ny maty fa fampionona ho an’ny velona, ka atao izay hampangotsokotsoka ny manam-pahoriana amin’iny fotoana iny, atao izay hampitomany azy. Fanaontsika moa ny hoe tsy hamendrofendra fa vao manika mamendrofendro an’ireo manam-pahoriana isika; tsy hamoha fota-mandry hoy isika, nefa ianao mampatsiaro ny zavatra efa niainany teo aloha, mampilatsaka ny ranomason’ny olona. Ka ho an’ny hafa dia izay no ataony, ka rehefa latsaka ny ranomason’ny olona nampangotsohana ao am-piangonana dia izay no mahafaly ily mpitarika ny vavaka.

Fa ho antsika katôlika manokana, ny fitondrana ny razana  aty am-piangonana dia mivavaka indrindra indrindra ho an’ny fanahin’ilay nodimandry. Satria ny Sorona Masina dia io no faratampony indrindra amin’ny vavaka. Ary tsy vao izao isika no manao an’io, fa raha jerentsika ao amin’ny boky faharoan’i Makabeo, toko faha-12; ny protestanta na baiboly hafa tsy manana an’io ah; io no mila azavaina kely tamin’ny mpianatra katesizy omaly, hoe inona avy ireo boky fito? Ka isan’ny boky fito tsy tafiditra ao anatin’ny baiboly protestant any boky voalohany sy faharoan’I Makabeo. Ka ao anatin’io, rehefa niady ny miaramila, niaro ny tanindrazany nanohitra ny grika izay nanjanaka ny fireneny, dia betsaka ireo lavo tamin’ny ady. Dia nanao sorona ry Makabeo mirahalahy avy, nanao sorona ny vahoaka ho an’ny fanahin’ireo miaramila izay nodimandry. Dia hitantsika ao amin’ny Boky faharoan’I Makabeo, tokok faha-12 ny hoe: “Izany no nanaovany an’izany sorona fanonerana izany ho an’ny maty mba ho afaka amin’ny fahotany izy ireo”. Tsy isika no mamorona hoe ilaina ny mivavaka ho an’ny Havana efa nodimandry, fa rehefa ray aman-drenintsika, ray aman-dreny lehibe tao amin’ny voalazan’ny Soratra Masina no efa nivavaka ho an’ireo Havana efa nodimandry. Ka aza manaiky helohin’ny olona isika hoe tsy ilaina ny mivavaka.

Inona no ataon’ny olona rehefa 02 Novamra? Lasa milahatra izy ireo mankany amin’ny fasana, manantitra voninkazo, mikarakara sy manadio ny fasana. Izay no ataon’ny olona, fa ataon’ny maty inon intsony voninkazo?Izy anie tsy mahita anao akory e. isika fotsiny no lany vola.Ny sasany aza moa etsy misy manatitra voninkazo, vao dify izy dia aalain’ny iray indray dia hafindrany eo amin’ny fasany. Dia mba manatitra voninkazo izy fa tsy manam-bola dia rehefa lasa ny mpanatitra voninkazo dia alainy ary afindrany ery. Ny an’ny sasany dia alainy mihitsy ny voninkazo rehefa hariva tsy misy olona intsony dia entina mody any an-trano, atao fitoeram-boninkazo any an-trano.

Tsy sanatria tsy hoe tsy misy dikany tsy akory, fa ny fananterana voninkazo dia fanehoantsika fitiavana sy fahatsiarovana ireo Havana efa nodimandry. Fa inona no tena ilaina?NY VAVAKA.

Io vavaka  ho an’ny fialan-tsasatry ny fanahiny io dia tena ilaina. Miandry ny vavaka avy amintsika ireo Havana efa nialoha lalana antsika ireo. Miandry ireo, aman’arivorivo sy aman’alina taona ireo miandry ao amin’ny afo fandiovana, miandry ny vavaka avy amintsika. Fa matetika dia hadinontsika ny mivavaka ho azyireny.

Tamin’ny Fikambanana Masera iray, nisy masera iray tena tsara fitondran-tena sy tena masina.Ny olon-drehetra dia tena niaiky hoe masina io masera io. Maty ary ilay masera dia hoy izy mianakvy hoe tsy mivavaka ho azy intsony isika satria avy hatrany dia any an-danitra izy. Raha ny vitany sy niainany, nifihetsiny nandritra ny andro rehetra niainany dia tena efa olo-masina velona iny masera iny. Dia tsy nisy nivavaka ho azy intsony ny masera namany. Fa idnray hariva, teo am-panaovana vavaka hariva tao amin’ny “Chapelle”, dia nisokatra moramora ny tao ambanin’ny Otely tao. Dia nisy feo, kai lay masera maty no niteny: “ianaoreo tsy mivavaka ho ahy intsony, hoy izy, fa heverinareo fa efa any an-danitra aho. Ny lanitra anie ka tsy hidiram-pentina, ka mbola miandry ny vavaka avy aminareo”. Dia nikatona ny Otely avy eo. Tantara efa nitranga izany. Izay vao tonga saina ry masera rehetra: raha iny masera iny aza tsy mbola tonga any an-danitra, fa mainka fa isika?Teo vao nibebaka ny rehetra.

Mampatsiahy ny tantaran’I Md François de Georgia. Narary mafy ny vadin’ny amperora, Isabeth no anarany, ka maty. Dia natory teo am-parafara dia napetraka any amin’ny toeran’ny maty misy ny fiandrasam-paty. Ka I François de Georgia dia anisan’ny tandapa tao amin’ny tranon’ny amperora ary izy ihany no manam-pahefana hanokatra an’io. Andriana be izany ary manana ny maha-izy azy.  Dia nirahin’ny amperora izy hamoha ny tranom-paty. Vao namoha ny tranom-paty izy dia avy hatrany dia namofona be nefa vao iray andro monja. Niova be ny tarehin’ny vadin’ny amperora. Tsy misy olona afaka niditra tao, ary io no nanova ny sainy, nanova ny fiainany manontolo hoe: rahatrizay rehefa tong any fahafatesana, hay ve tahaka izao no hiandry ahy, hay tahaka izao ny olona rehefa maty. Noho izany dia mila miomana.

Misy olona, ao anaty boky iray, misy fitaratra eo. Dia eo amin’ny fitaratra misy sarina olona efa maty. Eo amin’ilay fitaratra misy soratra hoe rahampitso, ary aty amin’ny rindrina eo amin’ilay fitaratra anefa dia ahitana soratra hoe “ANIO”. Dia hita eo amin’ny fitaratra fa ety ivelany misy ilay soratra hoe “ANIO”, ary ao anatiny misy ny maty “RAHAMPITSO”.

Ny dikan’izay dia hoe tsy maintsy iomanantsika ny fahafatesana. Tsy misy olona tsy handalo amin’ny fahafatesana, fa tsy maintsy mandala an’io.

Tenin’I Jesoa anefa anio, naverimberin’I Jesoa ny hoe : “Ny sitrapon’ilay naniraka ahy dia mba hahazo ny fiainana mandrakizay izay rehetra mahita ny zanaka kamino azy”. Izany  ny sitrapon’ny Ray ilay naniraka an’I Jesoa ary izay no antony nahatongavany teto ambonin’ny tany.satria nolazaintsika tamin’ny Noëly, inona ny dikan’ny anarana hoe Jesoa? Ny dikan’ny anarana hoe Jesoa dia hoe Andriamanitra mamonjy ny olona. Ka mamonjy ny olona hiala amin’ny fahotana no nahatongavan’I Jesoa. Io no averimberin’I Jesoa tamin’ny Evanjely androany hoe “Ny sitrapon’ilay naniraka ahy, di any mba hahazo ny fiainana mandrakizay izay rehetra mahita ny zanaka ka mino azy”.

Mahita ny zanaka ka mino azy, io no ahazoantsika ny fiainana mandrakizay. Ka izany hoe mino an’I Jesoa Kristy izany dia misy zavatra miorina eo amin’ny fiainana fa tsy hoe izaho mino an’Andriamanitra, izaho mino an’I Jesoa Kristy amin’ny vava fotsiny fa amin’ny fiainana mifanohitra amin’izay. Io no fanirian’Andriamanitra, faniriana lalina ao am-pony: ahazo ny fiainana mandrakizay izay rehetra mahita ny Zanaka ka mino azy. Ny fiainana mandrakizay, io no andrasantsika. Ary io no ivavahantsika ho an’ireo havantsika efa nodimandry.

Tsy amin’ny 02 Novambra tahaka izao ihany isika vao ahatsiaro ireo havantsika ka hivavaka ho azy, fa amin’ny andavanandro aza isika dia ilaina ny mivavaka ho azy ireo. Raha tena tiantsika ireo Havana efa nodimandry dia vavaka no angatahantsika ho azy satria tena ilainy ary miandry izany izy ireo.

Dia ny olona mety mieritreritra hoe ahoana moa no ivavahanay ho azy? Ahoana no ahafantaranay hoe efa any an-danitra izy na mbola ao amin’ny afo fandiovana? Sao dia efa any an-danitr aizy ka ho very fotsiny ny vavakay? Ka rehefa any an-danitra ny havantsika, iny vavaka ataontsika ho azy iny dia miverina amintsika iny. Ka izay no tsy tokony ahatahorantsika ny mivavaka lalandava ho an’ny havantsika efa nodimandry.

Dia tsy mahazo mivalampatra manazava lava momba ny fahafatesana moa fa io dia iomanatsika isan’andro isan’andro.

Olo-masina iray izay, izao no nataony: “vao mifoha maraina ianao dia hevero fa ity no andro farany iainanao dia miomana ianao: tsy hanao ratsy olona ianao; tsy hiteniteny foana ianao, tsy hamitaka olona ianao satria hoy ianao hoe ity noandro farany iainako. Tonga ianao ny hariva handeha hatory. Dia Alaina sary an-tsaina fa ity no alina farany hatoriako, ity no alina farany hiainako eto ambon’ny tany. Ka na maraina ianao, na amin’ny alina, dia izay no eritrereto, izay no atao an-tsaina iomanantsika amin’ny fahafatesana”.

Taloha nisy an’izay vavaka mba ho tsara fahafatesana ary tena mandaitra io vavaka io fa isika ankehitriny no tsy manao azy intsony, tsy haintsika akory aza izany. Fa izay olona nanao an’io, rehefa maty izy dia tsy mba mijalijaly izany satria efa niomanany izay mba ho tsara fahafatesana izay. Jereo any amin’ny fihirana any io dia mba hataontsika. Vavaka fiomanana mba ho tsara fahafatesana.Misy olona misento indray mandeha fotsiny dia lasa.Tiany izany ary tsy mampijaly olona.

Dia ny hamaranako azy, zavatra betsaka moa no azo resahana raha mikasika ny fahafatesana isika. Mihevitra ireo Havana efa nodimandry isika, mivavaka ho azy fa isika koa dia tsy maintsy mandinika ny fiainantsika tsirairay avy fa tsy maintsy mandeha isika. Tsy misy manam-po mihitsy hoe vao mivoaka eto anie dia maty e! tsy afaka hieritreritra mihitsy isika hoe rahoviana no ahafatesako?

Tsy hanao tahaka ilay tovolahy tamin’ny fahoharana iray izay hoe: “rehefa maty aho letsy dia teny telo fotsiny no lazaiko dia ho voavonjy aho: Andriamanitra ô mamindrà fo amiko. Izay fotsiny dia vita”.Kanjo moa tsy izay noniafaràny, tsy voatonony akory ilay izy fa teny ratsy no nivoaka ny vavany! Raha tadidinareo ity fa efa nolaziko teto indray mandeha. Izy dia tsy nety nibebaka mihitsy fa hoe ho ataoko daholo izay fiainako rehetra fa rehefa alohan’ny ahafatesako, nahatsiaro ny tenin’ny jiolahy teo ambonin’ny hazofijaliana izy (tsarovy aho Tompo rehefa tonga any amin’ny fanjakanao ianao, dia tamin’izay namely Jesoa hoe “anio ihany dia hihaona amiko any am-paradisa ianao). Dia hoy izy hoe izaho koa rehefa hofaty dia teny telo fotsiny no lazaiko dia  ho voavonjy aho. Kanjo tsy nampoiziny akory, fa nidiny niziriziry tamin’ny fidinana be, mandeha bisikileta, efa midina fa mbola mivoy ihany; tahaka izany moa ny tovolahy rehefa mandeha, misetrasetra. Fa rehefa midina dia hantsna be no niandry azy, notazonina ny hisatra, tsy nihinana intsony ka nitsotsotsotso tany anaty hantsana lalina tany. Teny ratsy no nivoaka ny vavany: maty aho hoy izy ary teny ratsy ny tohiny. Aza eritreretina ah, fa ny zavatra nomaniny dia hoe “Andriamanitra ô mamindrà fo amiko”, fa tsy izay novoatonony rehefa tonga ny loza. Fa tsy ho faty toy ilay jiolahy teo amin’ny hazofijaliana.

Farany, efa nolazaiko anareo teo fa ny fotoana tahaka izao dia fotoana ampatsiahivana ny fiatrehana ny fahafatesana.

Ny tantaran’I Alexandre Le Grand. Efa noresahako taminareo teto io. Rehefa misy fahoriana koa indraindray dia amerenako an’io.

Alexandre le Grand, 33 taona izy dia maty. Ary izy dia olona tena nalaza be ary nahazo fanjakana be dia be, tao anatin’ny fahatanorana sy  ny heriny tanteraka izy. Fa tratran’ny aretina izy teo amin’ny faha-33 taonany.Fantatra ary fa tsy ho avotra intsony izy dia nampanantsoiny ireo jeneraly mpikarakara azy.Misy zavatra telo nagatahany.Ireto hoy izy dia tsy maintsy tanterahanareo amin’ny fotoana ahafatesako sy andevenana ahy.Voalohany, antsoy izay dokotera manam-pahaizana eto ambonin’ny tany amin’ny fotoana ahafatesako ka izy ireo no milanja ny vatapatiko. Faharoa manarka izay, ny vatapaty izay ametrahana ahy dia tsy saronana fa sokafana, ary ny tanako dia avoaka ety ivelany. Gaga ireto jeneraly. Ary ny fahatelo, ireo fananako rehetra ireo, volamena sy volafotsy, vatosoa, rehefa harenako sarobidy dia ataovy manaraka ny sisin-dalana miala ato an-trano ka hatrany amin’ny varavaram-pasana. Araraho amin’iny handehanan’y vatampaty hilanjàna ahy.Gaga ireo jeneraly hoe inona ity ataon’ny amperora Alexandre le grand ity, inona ity zavatra hafahafa angatahany ity?Nony farany dia nanontany azy ireo jeneraly ny anton’ity zavatra hafahafa angatahany ity. Izao no antony hoy izy. Ny dikan’ny hoe dokotera manam-pahaizana indrindra eto ambon’ny tany no hilanja ny vatapatiko dia izao: rehefa antsoin’Andriamanitra ny olona, rehefa tong any fahafatesana, na iza na iza manam-pahaizana dia tsy misy mahatana ny aina. Noho izany di any dokotera no milanja ny vatapatiko. Faharoa, ny anton’ny amoahana ny tanako rehefa anaty vatapaty: tonga teto ambonin’ity tany ity dia tanam-polo no nahatongavako teto, rehefa miala eto dia tanam-polo koa satria tsy ahatondra n’inon’inona any am-pasana aho. Ary ny fahatelo, ny zavatra sarobidy ananako rehetra dia araraka hatreo ambaravaram-pasana: ny harena nangoniko nisasarako teto ambonin’ny tany dia tsy mitondra ahy hatraiza fa hatreo amin’ny fasana ihany io.

Fa ilay fiainana aorian’izay, izay no tsy maintsy jerena. Dia matetika isika no voasakan’ny hita maso, ny materialy. Dia iny no imatimatesantsika isan’andro; hany ka na hivavaka azy dia mbola materialy hatrany no ao an-tsaina. Rehefa mangataka amin’Andriamanitra, mba jereo hoe inona daholo no angatahantsika?Diniho fa firy isan-jaton’ny vavaka ataontsika no mangataka zavatra ara-nofo isika?Ary firy isan-jaton’ny zavatra angatahantsika amin’Andriamanitra no zavatra ara-panahy?

Eo isika dia tsy maintsy mandinika. Ka raha samy ho faty ihany, ary io dia tsy azon’ny olombelona rehetra ialàna, aelo miomana. Atao arak any fanoharan’I Jesoa: “Inona no sao azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy nefa very ny fanahiny?”; tahaka ilay rangahy iray ao amin’ny fanoharana. Nahavokatra be izy ka nampitomboana ny tranom-bary. Dia hoy izy: “Efa manna-kaninm-be ohanina mandritra ny taona maro ianao izao, ka miadàna amin’izay ry fanahiko”. Nanangona izy ary tena nanangona ary hitany daholo ny fananany rehetra, miadàna ry fanahiko. Dia hoy Andriamanitra: “Ry adala, anio alina ihany dia alaina aminao ny fanahinao, ka ho an’iza ireo nangoninao ireo?”

Tsy maintsy iomanantsika izay. Soa ihany fa misy ny 02 Novambra tahaka izao handinihantsika. Mivavaka isika ho an’ireo hanvantsika efa nodimandry, fa isika ihany koa dia tsy maintsy miomana.Tsy maintsy miomana isika.Aleo tsara fihavanana amin’ny olona.Araka ireny amin’ny absoty ireny, ireo maty, ireo ory, ireo fadiranovana, ireny mijaly ireny, ireny no handray antsika rahatrizay any an-danitra, ireo no mitsena antsika.

Dia izay no angatahantsika amin’Andriamanitra, mba ho tena hanana izay fahavononana sy fiomanana tsara tokoa isika hiatrehantsika izay fahafatesana ihaonantsika amin’Andriamanitra rahatrizay.

Resaka Facebook