Alahady – 01/11/2014 – Toriteny

Hafaliana lehibe any an-danitra, any moa izay hafaliana foana, fa miara-paly amin’ireo olo-masina any isikamankalaza izao fetin’ny olo-masina rehetra izao.

Ireo vakiteny telo ireo dia mampitodika antsika amin’ny hasambarana valo any an-danitra.

Raha ny evanjely no raisintsika, dia efa fandretsika matetika io. Io ilay fintinina amin’ny hoe hasambarana mandrakizay. Raha jerena ny hasambarana valo, izy dio dia tsy mampanantena hoe rahatrizay aorian’ny fahafatesana, fa ny fahasambarana lazain’I Jesoa eto dia fahasambarana dieny mbola eto ambonin’ny tany. Tsy ny rahatrizay no andrandraina fa manomboka ety ambonin’ny tany.

Fa miankina amin’ny ataontsika hoe inona no heverin’ny olona tsirairay avy ho hasambarana? Rehefa maninona isika no atao hoe sambatra? Rahoviana isika no mahatsapa tena ho sambatra?

Samy manana ny fiheverany izay fahasambarana izay ny tsirairay; fany fahasambarana ambaran’I Jesoa amin’ny evanjely eto dia fahasambarana tsy araka ny eritreritsika olombelona fa raha ity ambarany ity dia milaza fa efa sambatra daholo isika rehetra. Raha tsapantsika ny lanjany, raha haintsika ny mandray azy. Fa rahany fihevereko azy, ny mahatonga ny olona tys ho sambatra dia tsy manaiky ny zava-misy iainana ankehitriny; tsy manaiky ny fandaharan’Andriamanitra, mitsiriritra sy mieritreritra ny hafa ary tsy mahita fa isika koa anieka misy hasambarana amintsika ao. Mety diso hevitra isika fa ny hasambarana dia manana izay ilaina rehetra, manana izay tsy ananantsika: sambatra ianareo fa manana an’izao, manana asa tahaka izao, sns … ny heverintsika ho fahasambarana dia ny tsy fisian’ny fijaliana sy fahoriana fa manana izay ilaina rehetra. Fa tsy izay ilay fahasambarana ambaran’I Jesoa. Fa raha izay no hasambarana heverintsika dia diso ilay lalan’ny hasambarana izorantsika.

Lazain’I Jesoa fa ny fahasambarana dia tsy manala izay rehetra mety ho fahasahiranana sy fijaliana eo amin’ny fiainana. Fa izy ary miteny hoe:

Sambatra ny mahantra am-panahy, sambatra ny malemy fanahy, sambatra izay mitomany, sambatra izy noana sy mangetaheta nt fahamarinana, sambatra ny mamindra fo, sambatra ny madio fo, sambatra ny tia fihavanana, sambatra ianareo raha tevatevaina sy enjehina ary ampangaina amin’ny ratsy rehetra noho ny amiko.

Hitantsika amin’izay fa ilay fahasambarana lazain’I Jesoa dia tsy ny fahasambarana nofinofisintsika isan’andro, ilay katsahantsika toy ny te hanana tranobe, fiara, ho any an-dafy satria izany no heverintsika ho hasambarana, sns …fahasambarana ara-nofo sy ara-materialy.

Izay no eritreretintsika sy antony ivavahantsika. Raha sendra manontany isika hoe inona no antony hivavahanao, di any valiny dia hoe : “ mba ahazoako an’izao”.ny mahatonga azy hifindra any amin’ny sekta, satria rehefa any dia ampanantenain’ny olona fa raha mivavaka any dia mahazo harem-be. Dia lasa mandeha any.

Fa isika ve dia tena mihevitra tokoa fa ireo olona manan-karem-be ireo ve dia tena sambatra tokoa? Dia heverintsika fa sambatra ireo, fa tsy manana fitaintainana isan’andro isan’andro noho ny fiarovana? Arakaraky ny hidirany no hivoahany ihany koa. Fa isika mahazo vola be dia mihevitra fa hoe sambatra?

Fa natoron’I Jesoa fa tsy izay no hasambarana. Ary io no mbola mahagaga ny vahiny amintsika Malagasy. Raha mandeha mankany an-dafy any isika dia mahita, ny olona mifanena amintsika rehetra dia tsy mba miandrandra ny lanitra fa olona miondrika amin’ny tany sy tsy misy hafaliana eo amin’ny tarehiny. Hitantsika fa hoe na manana izay ilaina rehetra aza, fa tsy misy hasambarana misoritra eo amin’ny fiaianany. Ary gaga izy mahita antsika Malagasy: jerena toa sahirana sy mahantra, nefa na dia ilay renim-pianakaviana tsy manana trano ipetrahana fa mialoka eo ambany tonelina aza mampilalao ny zanany, falifaly miaraka amin’ny zanany. Faly isika satria tsy ny harena no mahasa,batra, vao mainka ary io mampijaly raha io no inoantsika mafy.

Fa io no toerana misy antsika, ary mbola harena ho antsika ny fahantrantsika. Fa rehefa rahatrizay manna-karena isika Malagasy dia mety hiodina amin’Andriamanitra, ary eo vao tsy hisy intsony ny atao hoe hasambarana.

Ireo olo-masina nialoha lalana antsika ireo, inona moa no nataon’izay ireo? Inona no tena maha-sambatra azy ireo any an-danitra? Mba fantatrareo ve?

Ny mahasambatra azy ireo dia noho izy ireo afaka mibanjina an’Andriamanitra isan’andro isan’ora. Ao tsy mba misy alina sy atoandro izany, tsy mba misy ora intsony any. Tsy misy alina intsony any. Fa Andriamanitra mibaliaka eo anatrehany isan’andro toy ny masoandro, ary ny mibanjina izany no tena hasambarana. Tahaka ny mahita zavatra nandrasanao efa hatry ny elabe, ka hitanao ilay izy ka tsy te hiala eo intsony ianao. Io dia hasambarana tsy mety ritra. Ary midera an’Andriamanitra arakany voalaza ao amin’ny bokin’ny Apôkalipsa novakiana teo, ny ataon’ireo olona miakanjo fotsy ireo dia manome an’Andriamanitra mandrakizay ny dera sy ny haja ary ny voninahitra, ary miankohoka eo amin’ny seza fiandrianany. Izay no tena hasambaran’ireo olo-masina any an-danitra. Hasambarana lavorary.

Fa mifanohitra amin’izay kosa ny fijalian’ireo olona very any amin’ny afobe. Fijaliana mandrakizay. Ary ny demony rehefa manao fifanarahana amin’ny olona izy, dia voalohany indrindra ny hoe ny fanahinao efa azony. Fa eto  ambonin’ny tany ianao dia mahazo izay tiana rehetra, fa tambin’izay kosa, ny fanahinao dia efa azy.

Dia niteny Jesoa indray andro: “Inona ny soa azon’ny olona raha mahazo izao tontolo izao izy nefa very ny fanahiny?”  Hitantsika amin’izay ny hasambaran’ny olo-masina.

Tsy sarotra anefa io, ny ahatonga olo-masina. Tsy sarotra ny ahatongavana ho olo-masina. Isika rehetra izao dia efa mizotra mankany amin’ny lalan’ny fahamasinana izay. Matoa isika mahatsiaro hafaliana eo amin’ny fiainana satria misy fanantenana ao amintsika ho sambatra.

Ela niainana izay ampahana hasambarana izay isika dieny eto ambonin’ny tany.

Mankalaza ny fetin’ny olo-masina izay efa sambatra ireo isika. Iza ary izy ireo?

Vahoaka marobe.

Hoy ny sekta: izay ato aminay sy mivavaka ato aminay ihany no tonga any an-danitra, ary efa feno ny isa, satria 144.000 ihany. Efatra arivo sy efatra alina sy iray hetsy. Ireo dia isika izay miara-mivavaka ihany. Fa moa ve dia ireo ihany ilay izy?

Voalaza tamin’ny vakiteny voalohany novakiana tamintsika teo ny bokin’ny apôkalipsa, fa manaraka ireo dia misy vahoaka marobe izay tsy tambo isaina, avy any amin’ny lafy efatry ny tany. Fa ilay 144.000 kosa dia efa azavaina amintsika isan-taona.

Fa inona no dikan’ity tarehimarika ity?

Md Joany rehefa miteny ao amin’ny apôkalipsa, dia mifono famantarana izay tsy maintsy ezahantsika ny manazava azy tsikelikely.

Izay ilay hoe “DEVOILER” : manala ilay sarona. REVELATION= DEVOILEMENT na koa hoe fanesorana ny zavatra miafina hatramin’izay. Ary mila fanazavana ireny famantarana ireny.

Ny dikan’ilay hoe 144.000 dia izao. Misy tarehimarika maro ao anatin’ny baiboly ao, fa misy dikany daholo izy ireny.

144.000 = 12 x 12 x 1.000.

Ny 12 voalohany diany foko roa ambin’ny folon’Israely. Ireo no vahoakan’Andriamanitra voalohany.

Ny 12 faharoa diany apostôly roa ambin’ny folo lahy.Ka ny 12 x 12 no manome 144.

Ny 1000 kosa dia midika hamaroana tsy tambo isaina raha arak any Soratra Masina.

Ka ny 144.000 izany dia fitambaran’ny Eglizy tany am-piandohàna sy ny Eglizy taorian’I Jesoa Kristy.

Tsara ny manazava an’ io mba tsy ho rebireben’ny olona isika. Izay no tena hevitry ny famantarana, hevitr’ity tarehimarika ity. Ireo no ho voavonjy, fa ankoatra ireo dia vahoaka marobe, ao isika. Matoa isika mandeha mivavaka dia miandrandra izay fahasambarana izay isika. Ary efa hita sy tsapa eo amin’ny fiainantsika izany, araka ny nolazaintsika teo hoe na dia mahantra aza isika, na dia mijaly any anaty tokantrano aza isika, misy hatrany ahitana hasambarana sy hafaliana. Fa ny olona matoa tsy mahita hasambarana, matoa tsy mahita hafaliana, ny dikan’izay dia tsy ampy fiombonana amin’Andriamanitra izy. Mihevitra ny ho miady irery amin’ny fiainana. Jesoa miteny: “mankanesa aty amiko ianareo rehetra izay mavesatr’entana sy vesara-pijaliana fa hanamaivana anareo aho. Mora entina ny jiogako ary maivana ny entako.” Raha mahatsiaro maharary, mahatsiaro mijaly isika, nefa isika mitady hasambarana, manantona an’Andriamanitra. Ao amin’Andriamanitra ihany no ahitantsika ny hasambarana. Ny olona miaraka amin’Andriamanitra dia mahatsapa fa tsy mizaka irery ny fijaliana. Ampahan’ny fijaliana no zakaintsika. Fa ny mavesatra indrindra dia efa nentin’Andriamanitra.

Mankalaza ny fetin’ny olo-masina rehetra isika. Fetin’ny olo-masina mpiaro antsika. Raha manontany anareo aho, dia iza no mety ahavaly? Fantatrareo ve ny olo-masina mpiaro anareo? Fantatrareo ve ny tantarany?Ilaina io. Rehefa tsy fantatrareo dia jereo ao anaty “Calendrier”, jereo ny anaran’ny olo-masina mpiaro ahy.Dia henoy amin”ny radio Don Bosco ary henoy rehefa tonga ny fotoana itsingerenan”ny andro nahaterahana fa misy tantaram-piainana mampiavaka an’io olona io ao.

Ny antsika moa amin’izao ny ray aman-dreny dia efa tsy manome anarana vahiny (vazaha) intsony fa atao anarana gasy avokoa ny anaran’ny zaza. Ka rehefa tong any Batemy ka anontaniana hoe iza no anaran’ny zaza, eo vao tsy mahita avaly. Tahaka ilay olona iray izay izay hatao Batemy ny zanany, miala tsiny aminareo izay avy any Hazolava, fa avy any ity olona ity, tany ny tantara no niseho. Natao Batemy ilay zaza ary rehefa nanontaniana izy hoe iza ny anaran’ny zaza? Dia namaly izy hoe Bolo. Nanontany imbetsaka ny pretra fa Bolo foana no navaliny. Avy hatrany Mopera dia niteny hoe Joseph, izaho manao batemy anao …

Fa rehefa natao  ny fanadihadiana, nahoana no nahatonga azay ireo nanome an’izany anarana izany ity zanany. Hay rangahy isaky ny zoma voalohany, rehefa avy mamonjy lamesa dia mandeha mijery video. Matetika dia Bolo Young foana no  hitany ao ary tena tiany. Izany no nahatonga ilay anarana. Kanefa izany olona izany dia be sandry ary matetika olon-dratsy ao anatin’ilay horonan-tsary ka amin’ny farany foana vao maty. Io foana no andrasan’ny olona ho voa, ary tsy maintsy maty. Ka mba tiany ho tahaka io mpilalao sary mihetsika io ny zanany ka nataony toy izay ny anarany. Tsy fantany hoe inona no isafidiana anarana amin’ny batemy.

Misy koa ny mirona amin’ny fanagasiana, ka tsy asiana anarana vahiny ny anaran’ny zaza sao dia endrika fanjanahana izany. Nefa tena ilaintsika io, tsy mbola nisy anarana olo-masina gasy azontsika Alaina. Victoire rasoamanarivo aza mbola olon-tsambatra. Fa rehefa tsy manana isika dia mifidiana anarana olo-masina iray ahafahanao maka tahaka ny hatsaram-panahy izay nananany.

Resaka Facebook