Alahady – 07/12/2014 – Toriteny

Manomboka ny famakiana ny Evanjelin’i Md Marka isika, dia ny anombohany azy dia ny hoe ; « Fiandohan’ny Evanjelin’i Jesoa Kristy, Zanak’Andriamanitra ».

Mapatsiaro ihany koa ny fahariana, fony nahary an’izao tontolo izao Andriamanitra tamin’ny voalohany, ao amin’ny Jenezy toko voalohany. Tadidio koa  Md Joany, vao manomboka izy dia miteny an’io fiandohàna io : « Tamin’ny volohany ny  Teny, ary ny Teny dia tao amin’Andriamanitra, ary Andriamanitra niteny ». manomboka ny taonan’ny fiavian’ny Tompo isika dia manomana ny fo amam-panahy ny tsirairay avy. Io ny antsoantso nataon’Izaia mpaminany, ary io koa no averin’i Md Joany Batista amin’ny Evanjely, miantso tany an’efitra : « Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany ».

Tsara ihany ny hiresahantsika an’ity tany efitra ity. Na tao amin’ny vakiteny voalohany, na tao amin’ny Evanjely retsika teo, dia sami miteny izay “misavà ny lalana any an’efitra”, hoy Izaia mpaminany. Tamin’io fotoana io, dia tao ampahababoana ny zanak’Israely. Nampanantenaina faminjena: “misavà lalana any an’efitra”. Inona moa ity efitra ity?

Hitantsika koa tao amin’ny Evanjely teo fa anverin’I Joany Batista io. Joany Batista dia manao fitafy kabary.Raha jerentsika ny fitafiny dia ny hoe “volon-drameva no fitafiny, tantely remby izany nofihinany”. Io fitafin’I Joany Batista io, izany no fanaon’ny olona any an’efitra. Dia tsara hiverenantsika dinihina hoe inona moa ity tany efitra? Inona ny zavatra hitantsika any amin’ny tany efitra? Ho anareo izay efa mba nahita an’izany dia mahalala hoe tahaka izao ny zavatra hita: tora-pasika. Ary io no ho avy eto amintsika tsikelikely noho ny fahapotehan’ny tontolo iainana. Hitantsika fa isan-taona isan-taona dia mihamihena ny rano. Miha-mijaly rano isika. Io dia vokatry ny tsy fahaizantsika mikarakara, miaro ny tontolo iainana. Raha mbola misy foana ny dorotanety, hitantsika fa tototry ny atsanga ny tanimbary. Mihena ny tany azo volena ary mihena ny rano. Isan-taona isika dia matin’ny dorotanety foana.Ny avy any atsimo efa mihamitombo tsikelikely ny fasika. Hanana an’izany hoe tany efitra izany isika afaka fotoana fohy angamaba rha tsy mitandrina. Any amin’ny tany efitra, tsy misy zavatra ho hita, tsy misy zavatra azo antenaina.Tsy misy hazo azo ialonkalofana, tsy rano ho azo sotroina fa dia tora-pasika no hita.Ary tsy misy lalana mazava hoe ity no lalana haleha. Fa dia mamakivaky tendrombohitra sy fasika. Fa dia miejry fotsiny hoe avy aiza ny masoandro, ka miatsinanana izany no haleha na miankandrefana. Fa tsy misy lalana misoritra mazava.Mandeha amin’ny alina di any kintana no ahalalana hoe ary ny atsimo; mandeha amin’ny atoandro dia ny fitodiky no masoandro ho ahitàna hoe ary no atsimo. Dia izay fa tsy misy lalana. Io nefa no antsoantson’ny mpaminany, ary averin’I Joany Batista hoe :”Misavà lalana any an’efitra”.

Ny tany efitra, ankoatry ny toetra mampiavaka azy, dia toerana ilaina hitokanana. Mandeha mitokana. Toerana tsy ahenoana tabataba fa iainana ny fahanginana. Izay ny tany efitra. Ilaintsika io eo amin’ny fiainana.

Ny tany efitra ihany koa, rehefa izay, dia tsy misy olona azonao ianteherana intsony any satria raha mandeha isika eny an-dalana mandeha lavitra, raha mbola misy trano dia mbola afaka mandondona, afaka mba mangataka ranokely, afaka mba mangataka fialofana raha avy ny orana. Fa any amin’ny tany efitra tsy mba ahitantsika tahaka izay. Tsy misy olona azo antenaina hamonjy any fa betsaka ny maty, na biby na olona.

Eo amin’ny fiandrasantsika ny fiavian’ny Tompo ary, tahaka an’I Joany Batista niaina any an’efitra, inona no andrasan’ny fiangonana amintsika?

Fananon’ny kristianina tena mpivavaka, amin’ny fotoan’ny Noely na fotoa’ny Karemy, ny mitokana. Maka toerana mangina handinihana tena, fotoana sarobidy, ary sarobidy noho izany ny fotoan’ny AVENT. Mandeha mihataka, misintaka kely, tsy hoe maka aina fa hitodika manokana amin’Andriamanitra. Ary izay no mampisaotra an’Andriamanitra: isan-taona isika eto amin’ny fiangonana, in-droa no manao Recollection, mba mihataka kely. Laretirety tsy mbola fanaotsika izay, fa ho hita eo ao aoriana kely, ho vitantsika ve? Fa mila mandinikany fiainana maha-kristianina antsika isika kristianina tsirairay avy.Tsy mandeha fotsiny ity fiainana maha-kristianina ity, ary izay no ilàna mandeha kely mankany amin’ny tany efitra, mandeha mitokana. Omaly izao ny ankizy rehetra nanao ny Recollection nitokana teny Ambohipiadanana, dia isaorana anareo ray aman-dreny , isaorana anareo ankizy fa nahatratra tany amin’ny 370 tany ankizy tonga nanao Recollection. Amin’ny faha-21-n’ny volana Desambradianyolon-dehibe rehetra, ho hita eo hoe ahatoraka ny ankizy ve ny olon-dehibe. Fa dia nyolon-dehibe rehetra no manao Recollection. Fa amin’izay fotoana izay dia eto isika no manao azy.Fa amin’ny herin’ny anio di any tanora rehetra dia mankeny Ambohipiadanana. Ho hitantsika indray koa: ny tanora rehefa hoe misy “sortie” na fivoahana dia mahavita ny mandeha any Diego na mandeha mankaiza. Fa ho hitantsika eo hoe hanao ahoana ny fahazotoan’ny tanora raha hivavaka, handini-tena no anton-dia. Ny tanora rehetra izany amin’ny herin’ny anio dia tsy misy mivavaka eto, na maraina na amin’ny atoandro fa tonga dia eny Ambohipiadanana. Ho antsika tanora indrindra, ilaina ny manidi-tena. Mandinika ny  fiainana, tsy misy zavatra mandeha ho azy.

Ny maha-kristianina tsy mandeha ho azy, fa ilaina ny mandeha mitokana. Io no nataon’I Md Joany Batista. Ary rehefa tany an’efitra I Md Joany Batista dia tonga ny olona, tonga tany an’efitra ny olona. Ary ny nahatonga an’I Jesoa nanontany ny olona hoe : “Hizaha inona moa no nalehanareo tany an’efitra? Hazo hetsiketsehan-drivotra ve?”.Joany Batista, ny nandehanany tany an’eftra dia hibebaka.Ary tong any olona nandeha nankany an’efitra nitady izay lalan’ny fibebahana izay. Famerimberintsika matetika eto hoe: amin’izao fotoana izao ary tena mampatahotra antsika ny fitombon’ny Silamo, ny firoborobon’ny Silamo. Fa inona no mahatonga izay. Ny Silamo, marina fa eon y lafiratsiny, manao mahery fihetsika, sy ny fombafomba sasany, fa izy dia mitàna izay finoany izay. Rehefa tonga ny fotoana hivavahany, dia mamelatra “tapis” izy ireo dia mitodika makany “La Mecque”: miondrika mihitsy. Fa isika indraindray amin’ny maha-kristianina katôlika antsika, menatra isika na dia hanao ny famantaran’ny hazofijaliana aza. Sadaikatra isika na dia hanao izany aza, hijoro haneho ny finoantsika. Izay no ilàna an’ity mifidy ny tany efitra: aiza ny tany efitra ho alehantsika.

Ao am-pontsika ao, rehefa mitodika isika, aty amin’ny tany isika, tsy misy olona antenaintsika ho afaka hamonjy antsika afa-tsy Andriamanitra irery. Fotoana hitodihantsika Andriamanitra dia izao: “Amboary ny lalan’ny Tompo, ahitsio ny alehany, ny lohasaha rehetra hototofana”. Dia tahaka ny fanao ankehitriny rehetra manao “lotissement”, tsy ampoizintsika mihitsy fa rehefa elaela tsy mandeha amin’ny toerana iray dia gaga hoe nankaiza ary ilay tendrombohitra avo be tety?Fa lasa tany lemaka.Eo amin’ny fiainantsika dia misy an’izay: mandini-tena isika. Ao anatin’ny fahanginana isika no mandinika ny fiainantsika fa tsy ny hafa. Ao isika no mahita hoe inona no tendrombohitra mbola avo ka mila haetry?Inona ny lohasaha mila totofana: zavatra tsy ampy eo amin’ny fiainana? Inona ny zavatra tokony ahitsy? Ao ny fibebahana izay. Tsy misy fibebahana ho lavorary raha tsy mandinika ny tenany ny tsirairay avy. Izay no ilàna ny fotoan’ny fiavian’ny Tompo tahaka izao. Na amin’ny fotoan’ny Karemy: ny anombohana ny Karemy dia ilay Jesoa mandeha mankany an’efitra 40 andro sy 40 alina nalain’ny demony fanahy. Ao anatin’ny Avent koa isika mahita an’I Joany Batista mandeha miaina any an’efitra, mamola-tena miantehitra amin’Andriamanitra, tsy miantehitra amin’ny herin’ny tenany na amin’ny olon-kafa. Tsy miantso fanampiana avy any ivelany fa fotoana fahanginana, fotoana fanidiniha-tena. Tsy afaka ny hankalaza ny fetin’ny Noely isika raha tsy nandalo fibebahana. Ny fibebahana dia tsy ho lavorary raha to aka tsy mandini-tena tsar any tsirairay.

Inona ny tendrombohitra tokony haetry. Efa natsidika tamintsika tamin’ny herin’andro: avonavona anie io tendrombohitra mila haetry io eh!!! Mihevitra ny tena ho zavatra. Ny avonavona, misy isika tsy mahatsapa tena akory eo amin’ny fiainantsika hoe izaho dia manana an’izay avonavona izay. Mihainoa tsikera. Fa raha olona tsy mahataty tsikera: olona miavonavona izay. Maro tsy voatanisa ny tokony ahatsapantsika hoe misy avonavona ao am-pontsika ao. Efa naverimberintsika mandrakariva fa inona no nahatonga ny fahafatesana, inona no nahatonga ny fahotana teto amin’izao tontolo izao? Dia ny avonavon’ny olombelona hatrany am-piandohàna. Satria ny fahotana voalohany nataon’ny olombelona diany te hitovy amin’Andriamanitra.Izay ny fahotan’ny olombelona voalohany amin’Andriamanitra: io ny avonavona io. Tsy fitoviana eo amin’ny fahamasinana k ate hitovy amin’Andriamanitra mahalala ny zavatra rehetra.

Izay no nataon’ny demony tamin’ny Eva: “tsy navelan’Andriamanitra hihinana ny hazo eo afovoan’ny saha ianareo”. Avy eo nahitsin’ny demony hoe rehefa mihinana amin’io ianareo dia tonga  mitovy amin’Andriamanitra. Dia nihinana I Eva, nomeny I Adama, tafiditra ny fahotana, ary tafiditra ny fahafatesana.

Avonavona. Ary jerentsika anie, io no saika fototry ny fahotana hafa rehetra. Dia izay  no mahatonga an’Andriamanitra misafidy lalana hafa mifanohitra amin’ny avonavona hamonjena ny olombelona. Avonavona, izay no nahatonga ny fahotana, naverina.  Fa lalan’ny fanetre-tena kosa no nofidian’Andriamanitra ho famonjena ny olombelona. Ary ny tononkiran’I Maria: naongany ireo miambina amin’ny fisainan’ny fony, nasandrany ireo nanetry tena.

Dia mbola ho hitantsika sy hifampizarantsika amin’ny Noely ny misterin’ny fahatongavana ho nofo. Avonavona no niainan’ny olombelona te hitovy amin’Andriamanitra, fa lalan’ny fanetre-tena no nofidian’Andriamanitra: manaiky ho tonga olombelona ny zanak’Andriamanitra. Hevero hoe isika ohatra mpanamboatra sary sikotra, dia ianao mihitsy no lasa sary sikotra. Fanetre-tena goavna be izany. Ianao mpahary no manaiky ho tonga zava-boaary. Ary tsy hoe tonga zava-boaary, fa nanaiky ho ambanin’ny zava-boaary rehetra. Efa naverimberintsika ihany, ilay hoe, efa noraisin’I Jesoa ny toerana farany ambany indrindra ka tsy misy olombelona afaka haka an’io toerana io intsony. Isika olombelona di any misondrotra sy miakatra, fa ny an’Andriamanitra kosa di any farany ambany indrindra no nofidiany: teraka any an-tranon’omby, maty tahaka ny jiolahy, ary novonoina tany ivelan’ny tanàna, namidy 30 farantsa izay vidin’ny andevo izany. Farany ambany indrindra no nofidian’Andriamanitra.

Ka ny lalana maha-kristianina dia io lalan’ny fanetre-tena io.

Dia mandini-tena isika mandritra izao fotoan”ny fiavian’ny Tompo izao: inona ny tendrombohitra avonavona ao amintsika? Na ao an-tsaintsika, na ao am-pontsika na ao amin’ny fiainantsika an-davan’andro miaina an’izay avonavona izay.

Hiezahantsika io mandritra izao herinandro izao, hodinihintsika. Mandritra ity fotoan’ny Avent ity, nanomboka ny taona vaovaon’ny fiangonana isika nanomboka tamin’ny herinandro, ao amin’ny fiainantsika, ao amian’ny fianakaviantsika tsirairay avy ao, mba asio tahaka ny an’I Md Joany Batista farafaharatsiny, ary ity no ezahako ho ampitaina eo amin’ny vikaria manodidina manontolo: isaky ny amin’ny 8ora alina isika, ndeha isika mba hiombona. Mba hitodika amin’Andriamanitra isika na dia 5minitra fotsiny ihany aza. Vitantsika ny mijery fahitalavitra hatramin’ny 12 alina, vitantsika ny miari-tory rehefa misy “zoma magnifique” na sahala amin’izany. Ahoana no tsy ahavitantsika 5 minitra monja hitodihantsika amin’Andriamanitra, eo amin’ny 8 ora alina eo.

Dia irariana moa mba ho tonga soa aman-tsara ny lakolosintsika fa rehefa misy ny lakolosy isika, dia hovelomina izany ho henon’ny rehetra fa ion y fiombonantsika mianakavy. Fa raha tsy mbola misy ny lakolosy dia mba mijery famantaran’andro isika dia mihevitra hoe mandeha any amin’ny tany efitra isika mitodika amin’Andriamanitra, mandini-tena ny tsirairay avy.

Resaka Facebook