Alahady – 24/08/2014 – Toriteny

I Kristy no iorenan’ny fiainantsika sy ny fahefan’ny Eglizy.

Dia voalaza ao @ Evanjely teo I Jesoa tonga tany @ faritanin’I Sezarean’I Filipo, izany hoe ivalan’I Palestina io, ivelan’ny firenen’Israely. T@ heriny koa dia  henontsika fa tany ivelany koa I Jesoa, izany no nahatonga an’ilay vehivavy kananeana nangataka t@ Jesoa hanasitrana ny zanany. Dia mboal any ivelany  Jesoa eto no manontany ny mpianatra.

Fanontaniana napetraky Jesoa: “Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona, ary iza no fiheveran’ny olona ahy?”. Dia samy namely ny mpianatra. Ny sasany manao hoe  Joany Batista, ny sasany Elia, ny sasany Jeremia na ny anankiray @ mpaminany. Raha nanontany hoe ahoana ny filazan’ny olona momba ahy, dia samy manna-kambara daholo ary misy valin-teny maro. Fa ao anatin’ireo valin-teny omen’ny olona ireo dia ahitantsika fa ny olon-drehetra izany mahita an’I Jesoa dia tsy oloan mahazatra (ordinaire), tsy olona tahaka ny olona rehetra fa manana ny maha-izy azy sy ny hasiny manokana. Mazava iny.

Fa rehefa avy eo Jesoa nitodika t@ mpianany manokana @izay: “Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza aho?”. Eo vao mifampijery ny mpianatra. Piera irery sisa no nahavaly: “Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona”. Finoana io, tahaka ny nataon’I Tômà ihany: “Tompoko sy Andriamanitro”.

Hainareo ve ny dikan’ny hoe Kristy? Mesia na koa hoa Ilay voahosotra. Sao manko ianareo anontanianan’ny olona hoe inona ny dikan’ny teny hoe Kristy, @ maha-kristianina antsika.

Olona miaraka mihinana ny manta sy ny masaka aminao izao no indro atao hoe Kristy Zanak’Andriamanitra velona, ary izay no nahatonga an’I Jesoa niteny t@ Piera: “Sambatra ianao ry Simôna zanak’I Joany fa tsy ny nofo aman-drà no nanambara izany taminao”, satria raha sain’olombelona fotsiny, dia sarotra ny hinoana fa ity Jesoa ity no ilay Kristy, io ilay nandrasan’Israely h@izay. Sarotra @olombelona ny hanaiky an’izay satria hoy aho teo hoe niaraka t@ apôstoly, nihinana ny manta sy ny masaka, natory tany @izay nalehany rehetra tany, nefa inoanao hoe io ilay Kristy Zanak’Andriamanitra velona. Ka izay no nahatonga an’I Jesoa niteny hoe : “Sambatra ianao ry Simôna” satria tsy takatry ny sain’olombelona izany hoe mistery momba an’Andriamanitra izany. Efa noresahantsika  io raha nanazava isika momba ny Trinite Masina t@ andro iray. “Fa ny Raiko izay any an-danitra no nilaza izany taminao”.

Ny tiako hifampizarana amintsika dia ilay tohiny. Ilay vokatry ny finoan’I Piera, dia nomen’I Jesoa andraikitra manokana izy. Raha aty @ fiainantsika aty @ Fiangonana io dia tahaka ny hoe izay olona manam-pinoana no azo omena andraikitra. Izay olona hita fa matotra eo @ ara-pinoana no omena andraikitra ato @ fiangonana. Mijery isik izao, any @ faritra sy APV any, sahirana isika rehefa mitady olona hoe handray andraikitra. Rehefa tsy misy mandray dia tsy maintsy misy olona iray mitsangana ao, iny olona iny no azo lazaina ho isan’ny manam-pinoana; fa ny sisa dia milaza avokoa ho tsy sahirana, na tsy manam-potoana sns…fa iza no tsy sahirana na koa tsy manana zavatra atao?

Mampatsiaro ahy ny tenin’ilay pretra iray izay. Fetin’I Victoire Rasoamanarivo moa t@ Alakamisy teo, Talata izahay tao Andohalo, ka mba nanentana izy! “Manentana antsika rehetra mba ho tonga hamonjy ny fetin’I Victoire Rasoamanarivo”, ny nampihomehy dia izao: “Ireny olona tsy manana asa sy tsy manna-katao ireny mba asaivo mandeha mankaty Andohalo hamonjy ny fetin’I Vitvoire Rasoamanarivo”. Fomba fiteny ihany io fa misy manindrona kely ao anatiny. Fa iza moa no tsy manna-katao? Fa rehefa ao ny finoana dia na lavitra io, na inona zavatra manahirana tsy maintsy tonga.

Dia izay koa ny  tenin’I Jesoa eto, tsapany ny finoana lalina tao @ Md Piera, ka nomeny andraikitra izay. Ny andraikitra nomeny an’I Piera, I Md Matio ihany no maneho an’ity tantara ity, dia izao: “Ianao no Piera, vatolampy”. Talohan’ity, tsy mbola nisy olona nomena anarana hoe Piera izany. Efa nazavaiko teto io indray andro: raha mba fantatry ny olona moa ny dikan’ny hoe Piera dia ho sahirana ihany izy raha hanome ny anarany na ny an’ny zanany. Raha @ fiteny frantsay dia mahafinaritra ny maheno azy, fa raha fiteny gasy somary manahirana ihany satria hoe Vatolampy. Tsy mbola nisy anarana natao hoe vatolampy lihitsy na iray aza, fa ilay hoe Piera no mahazatra ny sofina. Dia tahaka izay koa ny t@ olona, tsy mbola nahazatra azy ireo ny omena anarana hoe Piera na vatolampy, na sefasy, @ teny aramianina. Ka izay manana anarana hoe Piera izany, dia izay ny dikany: vatolampy.

Koa inona ny dikan’ilay hoe vatolampy? Misy fitenintsika Malagasy hoe “Vatolampy azo handihizam-baratra”,  ka raha misy varatra latsaka aza eo amboniny dia tsy hihontsona ny vatolampy. Ny mpanao vato no mahay mampitresaka ny vatolampy, ary misy antony manokana hoe hanaovan-javatra io matoa vakiana. Fa ny vatolampy izany dia entina hilazana zavatra mafy, mafy orina, tsy azo hozongozonina. Ka ny olona mitondra ny anaran’I Piera izany dia olona mafy, tsy ho voaozongozonao @ finoana na inona fitsapana mandala. Fa I Simôna no olona voalohany nomen’I Jesoa an’io anarana hoe Piera io. Fa ao @ Md Marka dia niteny an’izao koa I Jesoa rehefa niteny an’ilay valin-teny I Piera: “Manomboka izao dia atao hoe Piera no anaranao fa tsy atao hoe Simôna intsony”. Ka manomboka teo, ao @ toko faha-6 @ Md Marka io, rehefa miteny an’I Simona I Jesoa dia tsy antsoiny intsony hoe Simôna fa ataony hoe Piera. Fa any @ faraparany, any @ toko faha-16, naverin’I Jesoa @ anarany hoe Simôna indray I Piera. Fa inona ny antony? Izao: rehefa nentin’I Jesoa niakata manokana I Simôna Piera sy Jakôba ary Joany fony izy niady aina tao @ tanimbolin’I Oliva, ka raha  niverina I Jesoa dia nahita azy telo lahy natory. Dia hoy Jesoa: “Ry Simôna, tsy mahavita miara-tory ora iray akory miaraka amiko ve ianao!” – naverin’I Jesoa t@ anarany taloha I Piera eto. Teo joany sy Jakoba, fa I Piera ihany no noteneniny satria tsy mendrika ny hitondra ny anarana @ maha-Piera azy I Simôna eto.

“Izaho milaza aminao fa ianao no Piera, vatolampy. Ary eo  ambonin’izany vatolampy izany no hanorenako ny Egliziko”. Inona ny dikan’ny hoe Eglizy?

Raha miteny @ ankizy isika hoe ataovy ny sarin’ny eglizy, dia sarin’ny fiangonana no ataony. Fa inona no tena atao hoe eglizy? Ny vahoakan’Andriamanitra no atao hoe Eglizy (Assemblée) – izay no mahatonga antsika milaza hoe “Fiangonana Fiombonana”.  Ireo vahoakan’Andriamanitra nantsoina no atao hoe eglizy. Ka na tsy misy trano aza, satria ianareo rehefa manao APV dia malaindaina satria zatra mankaty am-piangonana, fa ny niatombohan’ny trano fiangonana tahaka izao dia tahaka io APV ataontsika io. Mitambatra ny kristianina vita batemy ary miaraka mivavaka, tsy voatery ho any an-trano, ma indraindry any an-tranon’olona any, indraindray eny an-tanety eny. Rehefa misy an’izay, arak any tenin’I Jesoa: “Na aiza na aiza hiangonan’ny olona roana telo @ anarako dia ho eo afovoany aho”. Izay  no atao hoe eglizy. Ao anatin’io eglizy io dia iombonana ny zavatra rehetra. Ka raha misy iray mihataka rehefa misy zavatra iray apetraky ny fiangonana, dia efa tsy miombona @ eglizy izy izay.  Rehefa mihira aty am-piangonana dia miara-mihira daholo ny rehetra. Noteneniko teto omaly, rehefa andeha ny lames aka nandray kômonio ny mpanao litorjia dia tapaka ny hira, inona ny dikan’izay= tsy misy mihira kay ny mpivavaka rehetra fa nympanao litorjia ihany no mihira. Ary izay no mitranga matetika. Ka eo no ijerentsika hoe azontsika ve ny hevitry ny teny hoe Eglizy? Ato am-piangonana, raha mandeha isika mijery fiangonana hafa, fa na dia olona vitsy aza no ao anatiny fa mila hiala io tafotranom-piangonana io, satria tena mihira mafy sy @ fo ny olona. Araka ny tenin’I Md Augustin hoe; “Ny mihira dia mivavaka indroa”. Dia mijery isika, firy amintsika no mitondra fihirana rehefa mandeha mivavaka? Ny Protestant dia baiboly no entiny, fa ho antsika dia tsy voatery ho io no entina fa ny fihirana dia ampy, satria tenin’Andriamanitra koa no ao anatin’iny fihirana iny. Efa hamaivanina isika fa tsy hoe handeha ho eny Analakely hitady fihirana, ry Masera efa eto @ fiangonantsika no mivarotra fihirana. Ary tsy atao haingon-trano na haingon’ny pôketra ilay fihirana fa ampiasaina io. Ary rehefa mandray kômonio ianao dia tsy midika velively izany hoe tsy mahazo mihira intsony, ny mifanohitra @izany no izy. Amin’ny fotoana mitelina kômonio fotsiny isika notsy afak mihira fa sao dia mivoaka ilay kômonio, fa rehefa avy eo dia tohizina ny hira. Izany no atao hoe eglizy izany: misy zavatra iombonana, misy zavatra iraisana.

“Ny vavahadin’ny afobe tsy aharesy azy”. Inona indray ny hevitry ny vavahady?

Ny vavahady dia tandidon’ny herin’ny tanàna iray. Aty amintsika mbola mahita hadivory. Ny tanàna t@izany andro izany, ankoatra ny tamboho gasy, dia asiana hadivory manodidina azy. Io dia nahagaga ny vazaha mihitsy ny nahavitana ireny. Fa ranon’orana no ahodian dia mandavaka isan-taona ka mihalalina hatrany ny hadivory. Ary mialoha ny hidirana io hadivory io dia asiana varobe efatra mitazona vavahady vato izay azo akodia. Izay no naha-Tsiafahy an’I Tsiafahy. Tsy any @ misy ny gadra fa aty akaikin’ny fiangonana. Misy ao vavahady. Niafina tao ny vahoaka di any miaramila aty ivelany tsy tafiditra tao mihitsy ka navarina tao aminy avy eon y rano. Ka ny vavahdy dia tandindon’ny hery. Dia io no tenin’I Jesoa, I Piera koa no nametrahan’I Jesoa hoe “Ny vavahadin’ny afobe tsy aharesy azy”.

“Omeko anao ny fanalahidin’ny fanjakan’ny lanitra.” Inona indray ny dikan’ny fanalahidy? Ny lakile? Ny olona manana ny fanalahidy no manana ny fahefana. Entina hilazana fahefana io. Any @ fitsarana any isika dia mahita sarina fanalahidy, toa misy an’izay ao. Rehea hametrak Curé iray ao @ toerana isika dia omena azy ny falanahidin’ny Tabernakla. Tadidinareo t@ fotoana nametran’ny vikera jeneraly ahy teto, nomeny ahy ny fanalahidin’ny Tabernakla ary namoha izany aho ary nanidy azy avy eo. Izany hoe ny olona manana ny fanalahidy no manana ny fahefana, ary mia      nkina @ olona mitana azy no ahafahan’ny olona miditra na mivoaka @ toerana iasan’io fanalahidy io.

Izay ny dikan’ireo fiombonana efatra ireo:

  • Vatolampy
  • Eglizy
  • Vavahdy
  • Fanalahidy.

Dia hamaranantsika azy dia hoe: ilay fiombonana tanteraka. Raha tsy ao ny fiombonantsika, voalohany @izany ny ao an-tokantrano. Ao no mandeha ny vavaka. Ao no manomboka ny zavatra rehetra. Miakatra tsikelikely any @ APV io, manao ahoana ny fahazotoan’ny tsirairay avy? Sao dia tsy ao am-piangonana akory ny APV? Any ny APV. Misy ny olona mandeha mivavaka any am-piangonana fa tsy mamonjy ny APV, dia hoy aho hoe olona mpiatsara ivelatsihy izany. Any @ APV no misy fiombonam-bavaka, ary tahaka ireny no niantombohan’ny fiangonana. Hafa kosa raha hoe teren’ny zavatra hafa na koa ny fahasalamana. Satria mitaraina ireo mpanentana: “telo na efatra fotsiny anie izahay mopera no manao ny APV”, dia hoy aho @izy ireo: “ataovy foana, fa raha tsy manao koa ianareo dia tsy hisy mihitsy io”. Fa ato amintsika ahitana faritra misy APV foana mandritra ny vola manontolo. Tokony ho ataontsika mianakavy io satria izay ny hevitry ny fiangonana. Any @APV, avy eo any @ faritra. Jerena efa misy tokantrano efa ho zato mahery ny faritra iray, fa rehefa tonga ny lamesan’ny faritra, angamba ny amahaefatry ny tokantrano no hitanao mamonjy izany. Fa rehfa aty am-piangonana anefa isika dia tonga maro. Fa tena ilaina ny mijery ireny ambaratonga ao @ fiangonana ireny. Avy eo isika dia miakatra any @ Vikaria izay hanao ny androny @ 16 Novambra any Itaosy, avy eo misy koa ny fiombonambe any @ diosezy.

Izany zavatra izany no ezahintsika mba haneho izay fiombonana izay.

Niezaka be isika androany ka nanomboka ara-potoana ny lamesa. Nataontsika t@ 6h30 satria efa miverina miha-mafana ny andro amin’izao fotoana izao, raha to aka nagatsiaka izy teo aloha teo ka nahatonga antsika nanomboka t@ 7h. antony iray koa satria mbola handeha hanenjika ny fanamasinana pretra any Ambatolampy aho rehefa avy eo, ka I Mopera Matthieu no hitarika ny lamesa atoandro, lamesa @ fiteny anglisy.

Resaka Facebook