Toriteny Alahady 03 Jiona 2018
Fankalazana ny Vatana aman-dRà Masin’i Kristy, taona B
« Sorom-pihavanana sy sakafo mampiray, ny Eokaristia »
Mankalaza ny fetin’ny Sakramenta Masina isika androany, ka hiezaka ny hanazava mikasika ny Eokaristia ary isika.
Betsaka ny adihevitra sy ny olana eo amin’ny hoe « Inona no mahasamy hafa ny Eokaristia aty amin’ny Katôlika sy ny Fanasan’ny Tompo any amin’ny fiangonana hafa ? Nahoana isika no tsy mahazo mandray ny Fanasan’ny Tompo ? Ary nahoana ny hafa finoana no tsy mahazo mandray Komonio ? » Anjarantsika ny miezaka : mahazo ny foto-pinoantsika mikasika ny Eokaristia, miaro ny finoantsika, tsy ho menatra hijoro amin’ny finoana.
Ny Tenin’Andriamanitra anio ary no mamaly izay mety ho fanontaniana ao amintsika ao izay sy izay fanazavana hanampy azy :
- Boky Eksaody 24,3-8
Ity Tenin’Andriamanitra ity dia maneho ny endriky ny Eokaristia : rehefa nivoaka ny tany Ejipta ny vahoaka Israely dia nanao ny Fanekem-pihavanana voalohany tamin’izy ireo Andriamanitra. Ny olona tsy mifankahazo no mila fampihavanana ; ka tafasaraka tamin’Andriamanitra ny olombelona satria noravan’ny olombelona tamin’ny alalan’ny (suite…)