Toriteny Alahady faha-08 Aprily 2018
MAHERY NY FINOANA OMBAN’NY FANANTENANA SY FITIAVANA
Ry havana, valo andro izay no nankalazaintsika ny nitsanganan’i Jesoa ho velona ary tao anatin’izay dia feno hafaliana ny fontsika satria ilay Andriamanitra nantenaintsika ary nametrahantsika ny fitokisantsika dia tsy Andriamanitra maty fa Andriamanitra velona, nandresy fa tsy sanatria resy. Ka zava-dehibe loatra eo amin’ny fiainan’ny Fiangonana tamin’izany sy ankehitriny io zava-nitranga io, ary raha tsiahivintsika kely ny nahafatesan’i Kristy dia nandrava zavatra ary tena nandrava satria vaky ny fiangonana, nitsoaka daholo ny mpianatra sady kivy.
Hifampizarana amintsika ny vokatry ny fitsanganan’i Jesoa Kristy ho velona, jerentsika ny fihetsiky ny mpianatra : ny fihetsik’i Tomà. Jerentsika kely ny tantara nisy satria dia niteraka hafaliana lali-paka tao ampon’ireo Apôstôly ny fitsanganan’I Jesoa ho velona, niara-nisakafo tamin’ny mpianany I Jesoa ny alakamisy hariva dia teo no nisaraka taminy i Jodasy nankany amin’ny mpitondra fivavahana nanotany hoe omenareo ohatrinona aho fa atolotro ho anareo izy ? Dia i Jodasy izany tsy niaraka tamin’i Jesoa intsony vitasakafo hariva, (suite…)