Toriteny Alahady 25 Febroary 2018
OMEO IZAY ANGATAHAN’ANDRIAMANITRA
Hevitra roa no hifampizarana amintsika amin’ireto tenin’Andriamanitra ireto. Ny voalohany dia mikasika ny fiovan’i Jesoa tarehy ary ny faharoa dia manamafy ny lohahevitra izay aroson’ny Fiangonana androany dia ny hoe: omeo izay angatahan’Andriamanitra.
Isaky ny alahady faharoa amin’ny karemy dia mamaky ny fiovan’i Jesoa tarehy isika aty am-piangonana, amin’ny taona A dia Md Matio, taona B Md Marka ary ny taona D dia Md Lioka. Amin’izao taona B izao dia i Md Marka no arahantsika fa ny faha 6 ny volana Aogositra isika dia mankalaza ny fiovan’i Jesoa tarehy, izany hoe in-droa isa-taona isika no mamaky izany. Ny fiovan’i Jesoa tarehy dia fanomanana ny Apôstoly hiatrika zavatra mafy. Nentin’I Jesoa nitokana I Joany sy I Jakoba, izy ireo dia vavolombelona. Tamin’ny nananganan’i Jesoa ilay zazavavy roa amby folo taona izy telo lahy no nahita ny nanaovana izany, izy ireo ihany koa dia nentin’i Jesoa nitokana tamin’izy hiady aina ary niova ny endriny tamin’io fotoana io. Androany io fiovana io, lasa fotsy manjopiaka tahaka ny ora-panala ny tarehin’i jesoa ary voalaza fa tsy misy mahavita fotsy madio tahaka an’izany eto ambonin’ny tany. Niondrika teo anatrehany ireo mpianatra ary nisy olona roa dia I Moizy sy Eli niresaka tamin’I Jesoa, misy dikany io; I Moizy dia tandindon’ny lalàna satria ny lalàna dia mahakasika ny mesia izay ho avy ary I Eli dia tandindon’ireo mpaminany rehetra izay efa nilaza mialoha mikasika ny Mesia ihany koa. Samy olon’ny tendrombohitra izy roalahy ireo, I Moizy dia nihaona tamin’Andriamanitra tany an-tendrombohitra nandritra ny efapolo andro nandray ny lalàna ary i Eli ihany koa dia tany an-tendrombohitra no nandray ny hafatr’Andriamanitra. Ny tendrombohitra dia toerana avo hihaonana amin’Andriamanitra, izay no anton’ny tilikambo. Ny tilikambo dia tandindon’ny tendrombohitra hihaonana amin’Andriamanitra, izay no dikan’ny tendrombohitra; toerana niovan’i Jesoa tarehy, hihaonana amin’Andriamanitra, nanomezan’i Jesoa ny lalàna.
Ny andro fankalazana ny niovan’i Jesoa tarehy dia manome hery fa tsy maintsy hiatrika ny fijaliana isika manome herim-po (suite…)