Toriteny Alahady faha-28 Janoary 2018
IZA I JESOA KRISTY AMINTSIKA?
Ry havana, tato ho ato isika dia nandinika ny antson’Andriamanitra miantefa amintsika tsirairay. Isika rehetra izao no antsoin’Andriamanitra tamin’ny alalan’ny batemy fony isika mbola kely ary rehefa lehibe dia mamaly amin’ny anarana fiantsoana. Dia izay no vatsy omen’ny fiangonana antsika androany hoe: iza moa I Kristy? Izay mino an’Andriamanitra dia tokony mahafantra azy ary ny fahafantarana azy no mahatonga antsika hifikitra aminy. Handeha lalina momba an’izay fahafantarana an’Andriamanitra izay isika androany, I kristy no nametraka io fanontaniana io tamin’ny mpianany. Izay no hodinihintsika ato amin’ny vakiteny masina telo androany.
Ahoana no hahafatarantsika an’Andriamanitra raha tsy izy no manambara ny tenany?
Nomeny antsika ny teniny dia amin’ny alalan’ny teniny no hahafantarantsika azy, ary izy no nanantona voalohany mba hahafantarantsika azy, dia tamin’ny alalan’ny zava-boahary izany: rivotra, masoandro, hazavana. Tononintsika amin’ny fiekem-pinoana izany. Ato ary dia ambarany mazava fa Andriamanitra no mifidy ny olona mitondra ny teniny, ary lazainy fa izay ambaran’izy ireo dia tenin’Andriamanitra. (suite…)