Vakiteny voalohany: Boky Jenezy (Jen 15, 5-12. 17-18)
Nanao fanekem-pihavanana tamin’i Abrama Andriamanitra.
Tamin’izany andro izany, i Abrama dia nentin’Andriamanitra nivoaka ka nilazany hoe: “Atopazy hijery ny lanitra ny masonao ka isao ny kintana raha mahisa azy ianao”. Ary hoy Izy taminy: “Ho tahaka izay ny taranakao”. Ary nino ny Tompo i Abrama; ka neken’ny Tompo ho fahamarinany izany. Ary hoy Izy taminy: “Izaho no Tompo nitondra anao nivoaka avy any Ora amin’ny Kaldeanina, mba hanomezako anao ity tany ity hanananao azy”. Hoy ny navalin’i Abrama: “Tompo Andriamanitra ô, inona no hahafantarako fa hanana izany aho?” Dia hoy ny Tompo taminy: “Mandehana maka ombivavy kely efa telo taona iray, osivavy efa telo taona iray, ondrilahy efa telo taona iray, domohina iray, ary vanto-boromahailala iray”. Dia nentin’i Abrama nankeo aminy ireo biby rehetra ireo, ka nosasahiny roa mitovy avy izy ireo dia nampifanandrifiny avy ny vakiny; fa ny vorona tsy mba nosasahiny. Niantoraka hifaoka ny fatin’ireo ny vorona mpihaza, fa noroahin’i Abrama. Raha ilay nilentika iny ny masoandro dia rendriky ny torimaso mafy i Abrama, ary indro notsindrian’ny tahotra mafy sy ny haizim-pito izy. Nony maty ny masoandro, ka efa maizina ny andro, dia indro nisy memy mivoa-tsetroka sy fanilo mirehitra namakivaky iretsy biby voasasaka. Tamin’izany andro izany nanao fanekena tamin’i Abrama ny Tompo nanao hoe: “Omeko ny taranakao ity tany ity hatrany amin’ny onin’i Ejipta ka hatrany amin’ny ony lehibe, dia i Eofrata izany.
Vakiteny faha-2: Taratasin’i Md Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Filipy (Fil. 3, 17 — 4, 1)
Hanova endrika antsika hitovy amin’ny vatany be voninahitra i Kristy.
Ry kristianina havana: makà tahaka ahy ianareo; ary diniho ireo mandeha araka ny ohatra hitany taminay. Voalazako taminareo matetika, sady mbola lazaiko amin-dranomaso koa ankehitriny, fa maro no mandeha miseho ho fahavalon’ny Hazofijalian’i Jesoa Kristy mihitsy. Fahaverezana no hiafaran’ireny, fa ny kibony no andriamaniny, ny tokony hampahamenatra azy no ireharehany, ny zavatry ny tany no hany ankamamiany. Fa isika kosa dia any an-danitra no fanjakantsika, ary avy any koa no iandrasantsika Mpamonjy, dia i Jesoa Kristy Tompo, izay hanova ity vatantsika tsinontsinona ity, ka hampitovy endrika azy amin’ny Vatany be voninahitra, araka ny herin’ny fahefana nampanekeny azy ny zavatra rehetra. Koa amin’izany, ry kristianina havana mamiko indrindra, fifaliako aman-tsatro-boninahitro, mahareta tsara ao amin’ny Tompo, araka izany.
Evanjely Masina nosoratan’i Md Lioka (Lk 9, 28b-36)
Niova toetra ny Tarehiny raha mbola nivavaka Izy. (suite…)