Alahady 25/10/2015 : Toriteny
« MPANELANELANA SY MPANASITRANA MAHAY MIANTRA I JESOA KRISTY”
Jesoa miakatra any Jerosalema, any Jerikao izay tanàna lalovana raha ho any, ary inty fahagaganana fanasitranana nataon’i Jesoa an’IBartiméinty no fahagagana farany nataon’I Jesoa mialoha ny nijaliany sy ny nahafatesany. Ka tsara ihany raha fantatsika ny fizotran’ny tantara.
Tamin’ny heriny isika dia nandre an’I Jesoa eny an-dalana miaraka amin’ireo mpianany: niady hevitra ny mpianatra eny an-dalana ka nanontany an’I Jesoa ny farany ho eo an-kaviany iray ary eo an-kavanana ny iray. Raha araka ny jeografia dia I Jerikao no toerana farany iva indrindra eto amin’izao tontolo izao ka rehefa miala ao dia tsy maintsy miaka-piakarana. Io no vohitra farany lalovana raha ho any Jerosalema. Ary fantatsika koa mikasika an’I Jerikao rehefa hiditra ny tany nampanantenaina ny vahoakan’Israely dia tsy maintsy nandalo ny onin’I Jordana dia miditra ny tanànan’I Jerikao izay tanànan’i manda, efa natolotr’Andriamanitra ny vahoakany ny tanànan’I Jerikao ka rehefa niodina im-pito io tanàna io ny vahoakaka nirodana ny manda tamin’ny fiodinana fahafito farany. Ny teny hoe Jerikao dia avy amin’ny teny Hebrio izay midika ho tanànan’ny volana, satria ny olona tao dia nanompo ary nivavaka tamin’ny volana.