Alahady 12/07/2015 : Toriteny
« Nofidian’Andriamanitra isika mba hirahiny »
Mitodika amin’ireo Apôstôly aloha ny dingana voalohany amin’ny fampianarana amin’ity Alahady ity.
Nifidy olona hiara hiasa aminy i Jesoa, dia ireo Apôstôly roa ambinifolo lahy. Ny isa 12dia manan-danja ao amin’ny Soratra Masina satria: 12 ny fokon’Israely, ireo no nanorenana ny Eglizy raha ao amin’ny Testamenta taloha no jerena ; ary ao amin’ny Testamenta Vaovao, nanomboka nisian’i Jesoa, dia nifidy mpianatra 12 lahy indray i Jesoa anehoana an’izay Fiangonana vaovao naorin’i Kristy (hitatsika amin’ny alalan’ireo Apôstôly 12 lahy ireo). Ka rehefa nofidiany, dia nantsoiny izy ireo hankeo aminy. Naniraka azy ireo tsiroaroa i Jesoa, fa alohan’ny nanirahany azy dia nozarainy tamin’ireo mpianatra ireo ny fahefany: handroaka demony, hanasitrana ny marary, sns … Ny tenin’i Jesoa dia hoe: tsy mitondra na inona na inona eny ana-dalana na kitapo na mofo na vola, fa tehina no entina ary asiana kapa ny tongotra.
Inona no ilana ny “tehina”? Voalohany, ny mpiandry ondry no mitondra tehina; manaraka izany, ny tehina, rehefa mandeha lalana lavitra, dia afaka itehenana rehefa reraka sy manampy hijoro ; fa ny tehina ihany koa dia ahafahana miaro tena eny an-dalana. Ny hevitry ny hoe “Ny tongotra no asiana kapa” kosa dia : mba tsy hanavesatra satria lavitra ny lalana. Izay no hafatr’i Jesoa tamin’ireo mpianany. (suite…)