Alahady 21/06/2015 : Toriteny
Andriamanitra no vonjitsika sy arotsika
Andriamanitra no vonjintsika sy arontsika, izay no foto-kevitra anentanan’ny Fiangonana antsia androany ary mamintina ireo tenin’Andriamanitra telo nohenointsika teo. Ny zava-nisy dia I Jesoa avy nampianatra ny vahoaka ary teo koa ireo Apôstôly nihaino ny zavatra nataony. Rehefa hariva ny andro arak any voalazan’I Md Marka teo dia niondrana an-tsambokely i Jesoa niaraka tamin’ny mpianany hiampita ny rano. Ny farihin’I Tiberiada no iampitan-dry zareo, ny mampalaza ity farihy ity dia misy ilay fanjonoana mahagaga, ary koa misy tafio-drivotra sy onja mahery tampoka tonga amin’io farihy io. Ireo mpianatra dia efa mahalala ny lazan’ity farihy ity, amin’ny andro alina ry zareo no miampita ary nisy sambokely maromaro koa niaraka taminy; dia nipoitra tokoa ary ilay toetra mampiavaka ity farihy ity, nisy tafio-drivotra tampoka ary nanonja mafy rano ka tonga hatrany anaty sambokely.
Azontsika Alaina sary an-tsaina hoe isika mandeha sambo ary monja mahery ny rano dia mety hanao ahoana ny fihetseham-po antsika. Jesoa miaraka aminy nefa mahagaga fa ny sambo efa mitsingilahila, ny rano efa tafiditra nefa mbola misy olona mahita tory ihany. Mapametra-panontaniana izany zavatra izany, ny mpianatra tsy mitombona intsony fa natahotra hoe ho rendrika ny sambo raha izao no mitohy. Dia nofohazina I Jesoa ary hoy izy ireo: “Ry mpampianatra o! tsy mampaninona anao ve raha ho faty izahay?” Izany hoe I Jesoa tsy tafiditra ao anatiny. Niarina I Jesoa ka niteny mafy ny rivotra << mangina, mitonia>>, niaraka tamin’izay dia lasa tony dia tony ny ranomasina. (suite…)