Alahady sampa-kazo – 29/03/2015 – Toriteny
Fetin’ny sampa-kazo

Faly miarahaba antsika rehetra amin’izao marainan’ny alahady ankalazantsika ny fetin’ny sampankazo izao. Fety satria mahatsiaro ny nandraisana an’I Kristy tao Jerosalema ireo vahoaka ka ho fihobiana azy dia ao ny namelatra ny lambany eny amin’izay toerana handalovany. Ao ny nanofahofa sampan-drofia. Raha raisina sary an-tsaina dia toy ny fandalovan’ny olona manam-boninahitra, ny dikan’ny hoe Kristy moa dia anarana iombonana, ka ny dikany dia toy ny hoe “Président”, na “chef”, na “patron”. Ka rehefa mandalo izy ireny dia mitsangana ny olon-drehetra, raha makany anaty vahoaka izy dia maro no mifandrombaka mba handray ny tanany. Na mandalo izy ireny dia hajaina, ka mihorakoraka feno fiderana tokoa ny olona. Toy izany no nanaovan’ny olona an’I Jesoa Kristy tamin’izy niakatra tao Jerosalema. Ambony kokoa i Jesoa Kristy ary hovakiana aorian’ny Paka fa ilay olona nofantsihana tamin’ny hazofijaliana iny, novonoina iny no natsangan’Andriamanitra, ary iny no Tompo Andriamanitra, ka vavolombelon’izany izahay hoy ireo apôstôly.
Ato anatin’ny Fiangonana anefa dia i Kristy no lohan’izany Fiangonana izany, na dia maro ary ireo ambaratonga tompon’andraikitra amin’izany Fiangonana izany dia i Kristy no lohany. Na dia eo aza ny Papa, ny Eveka, ny Pretra, isika izay manana andraikitra ato amin’ny Fiangonana dia i Kristy no tena lohan’izany Fiangonana izany. Ka ato anantin’ny Fiangonana dia izay Tompo no manompo, izay Mpanjaka na “Président”, ireny no manompo, ary dia ho hitantsika fa izany tokoa no nataon’i Jesoa Kristy. Nanasa ny tongotry ny mpianany, ho hitantsika ny dikan’izay amin’ny Alakamisy Masina amin’ny lamesa miaraka amin’ny Eveka, amin’ny lamesa eto amin’ny Fiangonana misy anareo dia ho hitantsika ny dikan’izany. Satria ny hevitr’Andriamanitra dia tsy mitovy amin’ny fiheveran’izao tontolo izao, ny fiheveran’Andriamanitra dia ambony noho ny fiheveran’ny olona. Ka dia izay ambony sy lehibe tahaka azy Andriamanitra no midina mandohalika manasa ny tongotry ny mpianany. Ary izany dia tsy maintsy arahintsika Kristianina, tsy maintsy hianarantsika izany hoe mifanompo izany satria ny Andriamanitsika dia tsy toy ny Andriamanitr’izao tontolo izao, satria ny vola koa dia Andriamanitra, ny “sexe” dia Andriamanitra, ny fahefana dia Andriamanitra, fa ny Andriamanitsika dia io ilay manaiky ny fanekena hidina ambany dia ambany io ary manasa ny tongotsika. Izay fanasana tongotra izay dia fanandratana antsika mba hitovy toerana amin’izy Andriamanitra. (suite…)