Alahady – 25/01/2015 – Toriteny

Ny tarehy ratsy tsy azo ovaina fa ny toetra ratsy azo ovaina.

Izany no lohahevitra aroso hodinihintsika anio, tao Galilea no toerana nanombohan’I Jesoa ny raharahany, ary nanambaràny voalohany tamin’ny olona hoe: “Mibebaha ary minoa ny Vaovao Mahafaly”.

Inona no tian’I Tompo holazaina amin’ny hoe “Mibebaha” ?

Raha asian-teny ny tamin’ny andron’I Jesoa , rehefa hibebaka ny olona dia manao sorona biby, ka halatsa-drà ao Tempoly izany. Dia noheverina fa voadion’iny ny fahotàna rehetra. Amin’izao androtsika izao indray, sodokan’ny seho amin’ny endrika ivelany isika. Heverintsika noho izany fa ny atao hoe mibebaka dia manaraka ny fombafomban’ny fiangonana isan-karazany. Izany hoe fiovàna amin’ny endrika ivelany matetika no handraisantsika ny atao hoe “Fibebahana”.

Amin’Andriamanitra anefa, fiovam-po sy fiovan-tsaina mankany amin’ny tsara araka ny teniny no atao hoe mibebaka. Ny fihetsika ety ivelany izany dia taratry ny avy ao anaty ihany. (suite…)

Continuer la lecture Alahady – 25/01/2015 – Toriteny

Alahady – 25/01/2015 – Tenin’Andriamanitra

Vakiteny voalohany: Bokin’i Jônasy Mpaminany (Jônasy 3, 1-5. 10)

Niala tamin’ny lalan-dratsiny ny olona tao Niniva.

Tamin’izany andro izany, dia tonga tamin’i Jonasy ny tenin’ny Tompo, nanao hoe: « Mitsangàna ianao mandehana mankany Niniva, tanàna lehibe, hitory aminy ny toriteny holazaiko aminao ». Dia nitsangana i Jônasy, ka nankany Niniva, araka ny tenin’ny Tompo. Ary i Niniva dia tanàna lehibe teo natrehan’Andriamanitra, fa lalan-kateloana. Nanomboka niditra tao anatin’ny tanàna, lalana indray andro aloha i Jônasy, ka nitory izy nanao hoe: « Rehefa afaka efapolo andro, dia horavana i Niniva! » Nino an’Andriamanitra ny olona tao Niniva, ka niantso fifadian-kanina sy nitafy lasàka avokoa, hatramin’ny lehibe indrindra ka hatramin’ny kely indrindra.  Nahita ny nataon’izy ireo, sy ny nialany tamin’ny lalan-dratsiny Andriamanitra, ka nanenina tamin’ny loza voalazany hamelezana azy ireo Andriamanitra, ka dia tsy notanterahiny indray izany.

Vakiteny faha-2: Taratasy voalohan’i Md. Paoly Apôstôly ho an’ny kristianina tany Kôrinty (1 Kôr 7, 29-31)

Mandalo ny endrik’izao tontolo izao.

Ry kristianina havana, izao no hevitro: fohy ny andro, ka amin’izao sisa izao aoka ny manam-bady ho toy ny tsy manana; ny mitomany ho toy ny tsy mitomany; ny mifaly ho toy ny tsy mifaly; ny mividy ho toy ny tsy manana; ny manararaotra izao tontolo izao ho toy ny tsy manararaotra; fa mandalo ny endrik’izao tontolo izao.

Evanjely Masina nosoratan’i Md Marka (Mk 1, 14-20)

Mibebaha ianareo ary minoa ny Evanjely. (suite…)

Continuer la lecture Alahady – 25/01/2015 – Tenin’Andriamanitra

Alahady – 11/01/2015 – Toriteny

Ny nanaovana Batemy ny Tompo

      Ny alahady manaraka ny Epifania dia mankalaza ny Batemin’ny Tompo isika isan-taona Ny “Epiphanie” moa dia ny fisehoan’ny Tompo fa ny fankalazana ny Batemin’ny Tompo kosa dia antsoina hoe “Théophanie”. Ny “Théophanie” dia ilay fisehoan’Andriamanitra na koa hoe Andriamanitra no miseho. Tamin’ny herin’andro i Jesoa no niseho fa izao kosa Andriamanitra no miseho amin’ny alalan’ny teny ambarany tamin’ny nanaovana batemy an’i Jesoa teo amin’ny onin’I Jordany. Ny mpanoratra ny Evanjely telo dia samy mitantara ny nanaovana Batemy ny Tompo avokoa: Matio, Marka ary Lioka. Taorian’ny nitantaràna ny nahaterahan’i Jesoa dia avy hatrany dia ny nanaovana Batemy Azy. Ireo Evanjely telo ireo dia mitantara an’i Joany Batista nanao batemy tao amin’ny onin’i Jordany. Izany ony izany dia avy any ambony ka midina hatrany amin’ny ranomasina maty, eo amin’ny roapolo sy roanjato (220) kilaometatra eo ho eo ny halavany ary eo amin’ny efatra amby telopolo sy sivinjato (934) metatra  ambanin’ny ranomasina eo ho eo ny halaliny. Tsy misy aina mety ho velona ao amin’izany ranomasina maty izany na ireo zava-maniry, na ireo trondro noho ny sira mahery be ao anatiny. Rehefa hoentin’ny rano ny trondro hankao amin’io ranomasina io dia miverina  miakatra izy ireo, izany hoe, mafimafy kokoa ny ezaka ataon’ireo trondro ireo mba tsy ho faty ao amin’izany ranomasina izany (manavotra aina izy). I Joany Batista manao Batemy eo amin’ny onin’i Jordany io dia misy dikany, midika izany fa misy ezaka tokony hiomànana eo amin’ny fidirana ho zanak’Andriamanitra. Batemim-pibebahana no nataon’i Joany Batista nefa mba nanantona hatao batemy koa i Jesoa. Rehefa nitsangana avy tamin’ny rano Izy dia nisokatra ny lanitra ary ny Fanahin’Andriamanitra nidina nàka endrika voromahailala. Ny dikan-teny hafa moa dia milaza hoe: “Rovitra ny lanitra…” izany hoe mifono hevitra “hery”. Andriamanitra niteny tamin’i Jesoa nanao hoe: “Ianao no Zanako malalako, Ianao no ankasitrahako” ary henon’izay nanatrika teo rehetra izany teny izany na dia ny demony aza. Rehefa vita Batemy I Jesoa dia nentin’ny demony halaina fanahy tany an’efitra ary izany no dinihintsika rehefa vanim-potoanan’ny Karemy. “Raha Zanak’Andriamanitra Ianao, ataovy tonga mofo io vato io”, izany hoe asehoy ny maha zanak’Andriamanitra Anao fa i Jesoa tsy nanaiky izany famitahan’ny demony Azy izany.

Voalaza tao amin’ny teny fampidirana fa ny Batemin’i Jesoa dia tandindon’ny Batemintsika. (suite…)

Continuer la lecture Alahady – 11/01/2015 – Toriteny

Alahady – 11/01/2015 – Tenin’Andriamanitra

Vakiteny voalohany: Bokin’i Izaia Mpaminany (Iz 55, 1-11)

Mankanesa aty amin’ny rano, na ianareo tsy manam-bola aza.

Izao no lazain’ ny Tompo; ianareo rehetra izay mangetaheta, mankanesa aty amin’ny rano, na dia ianareo tsy manam-bola aza; avia mividiana vary, ka mihinàna; avia hividy tsy amim-bola, na takalo, hividy divay sy ronono. Nahoana ianareo no mandany vola amin’izay tsy hanina; symisasatra amin’izay tsy mahavoky? Koa mihainoa Ahy, ary mihinana izay tsara; ary aoka ny fanahinareo hiravoravo amin’izay hanina fy. Atongilano ny sofinareo, ka mankanesa aty amiko; mihainoa ka aoka ho velona ny fanahinareo; ary hanao fanekena mandrakizay aminareo Aho,ary hanome anareo ny fahasoavana nampanantenaina an’i Davida. Indro izy natsangako ho vavolombelona eo amin’ny firenana;ho mpanapaka sy mpandidy ny firenena. Indro ianao hiantso ny firenena tsy fantatrao, ary ny firenena tsy nahalala anao, hidodododo ho aminao, noho ny amin’ny Tompo Andriamanitrao, sy ilay Masin’i Israely, satria nomeny voninahitra ianao. Mitadiava ny Tompo, dieny mbola mety ho hita izy. Miantsoa Azy dieny mbola akaiky Izy. Aoka ny ratsy fanahy hiala amin’ny lalany, ary ny meloka min’ny heviny; ka hiverina amin’ny Tompo izy, dia hamindrany fo; dia amin’Andriamanitra fa mamela malalaka Izy. Fa ny fihevitro, tsy fihevitrareo, ary ny alanareo, tsy mba lalako. – Teny marin’ny Tompo. – Tahaka ny haavon’ny lanitra noho ny tany, no haavon’ny fihevitro noho ny fihevitrareo. Tahaka ny ranon’orana aman’ oram-panala milatsaka avy any an-danitra tsy miverina any, raha tsy efa mahavonto sy mahalonaka ny tany, sy mampaniry ny zavatra mitsiry avy aminy, ka mampahazo voa famafy ny mpamafy, ary hanina ho an’ny mpihinana; toy izany ny teniko izay aloaky ny vavako, tsy miverina amiko foana izy, fa mahatanteraka izay tiako, sy mahatontosa izay namoahako azy.

Vakiteny faha-2: Taratasy voalohan’i Md. Joany Apôstôly (1 Jo 5, 1-9)

I Jesoa no Ilay avy tamin’ny rano sy ny ra.

Izay rehetra mino fa i Jesoa no Kristy, dia naterak’Andriamanitra; ary izay rehetra tia Ilay niteraka Azy, dia tia Azy naterany koa. Ny marika ahafantarantsika fa tia ireo zanak’Andriamanitra isika, dia ny fitiavantsika an’Andriamanitra sy ny fitandremana ny didiny. Fa ny fitandremana ny didiny no fitiavana an’Andriamanitra, ary tsy mavesatra ny didiny, satria izay naterak’Andriamanitra dia mandresy an’izao tontolo izao, ary ny fandresena izay naharesy an’izao tontolo izao dia ny finoantsika. Iza àry no maharesy an’izao tontolo izao, afa-tsy izay mino fa i Jesoa no Zanak’Andriamanitra? Dia izy no Ilay avy tamin’ny rano sy ny rà; tsy tamin’ny rano ihany, fa tamin’ny rano sy ny rà; ary ny Fanahy no manambara, satria ny Fanahy no fahamarinana. Fa misy telo no manambara [any an-danitra, dia ny Ray sy ny Teny sy ny Fanahy Masina; ary izy telo ireo dia mifanaraka. Misy telo koa no manambara ety an-tany], dia ny fanahy sy ny rano sy ny rà; ary mifanaraka tsara izy telo ireo. Raha ny fanambaran’ny olona aza raisintsika, mainka fa ny fanambaran’Andriamanitra izay lehibe lavitra; ary ny fanambaran’Andriamanitra, dia ny nanambarany ny Zanany indrindra.

Evanjely Masina nosoratan’i Md Marka (Mk 1, 7-11)

Ianao no Zanako malalako, Ianao no ankasitrahiko.

(suite…)

Continuer la lecture Alahady – 11/01/2015 – Tenin’Andriamanitra

Alahady – 04/01/2015 – Toriteny

        Ny finoana dia fanehoana an’Andriamanitra miharihary amin’ireo firenena rehetra.Misy tantara kely anankiray izay resaka momba ny Epifania izay, ankizikely anankiray manontany ny reniny nanao hoe: »fa inona moa no asany masin’i Maria »dia namaly ilay reniny nanao hoe: izy tsy mba nanana asa manokana fa nataony daholo izay asa fanaony renim-pianakaviana rehetra toy ny mahandro sakafo, manjaitra, mandamina trano, fa izy tsy manana asa manokana hoe mampidi-bola tahaka ny fahitantsika, dia rehefa avy nianatra katesizy ilay zaza dia nanontany an-dreniny indray nanao hoe: »fa iza loatra ity Kristy ity, i Jesoa ity fa rehefa nianatra izay tany am-pianarana katesizy dia ny fety rehetra manomboka noely ka hatramin’ny fetin’ny Kristy mpanjaka dia ankalazaina ny fety rehetra, hay nefa hankalazaina hatramin’ny aretiny aza dia gaga ilay reniny ary nanontany hoe aretina inona? dia namaly ilay zaza nanao hoe « épidemie ».
    Epifania no nampianarina tany, dia hoe épidémie no tadidiny ka ankalazaina hatraminy aretiny nefa epifania no ankalazaitsika satria fisehoan’i Jesoa amin’ny olona rehetra sy ny firenena rehetra. Isan-taona isika dia mankalaza ity Evanjely nosoratan’i Md Matio ity izay momba ny Epifania ity, anehoana ny tantaran’ny Majy avy any atsinanana izay efa  voalaza ny salamo faha-11 ilay nataotsika hira teo, Eo koa ny « salamo », vavaka io dia ilaina ihany koa ny mandinika sy mamakafaka hoe inona ny voalaza. Ireo mpanjaka rehetra avy any andrefana dia tonga hanefa ny adidiny dia toy izany ny majy tonga hanatitra fanatitra, io dia voalaza taminy salamo teo; firy taona, firy taon-jato talohan’i Jesoa dia efa no hiraina izany salamo izany, izany ilay Mpanjaka avy any atsinanana tonga hanolotra fanatitra ihany koa.Dia voalaza tamin’ny vakiteny voalohany teo « Jerosalema »ao no ipoiran’i Mesia dia rehefa avy any atsinana any aminy iposahany masoandro dia misy dikany ihany koa io hoe avy any atsinanana no iposahan’ny masoandro, iposahan’ny fahazavana, avy any ireo Majy ireo, olona nanana ny maha-izy azy, olona tsy nahalala an’Andriamanitra akory fa araka ny maha-mpandinika ny kintana azy ireo dia nahita kintana anankiray hafa izy ireo tsy toy ny fahita,nanaraka any iny izy ary mandeha mapmpitondra fanatitra,tsy tonga ho azy ity kintana ity fa misy fambara.

(suite…)

Continuer la lecture Alahady – 04/01/2015 – Toriteny