Sasak’alin’ny noely 2014 – 24/12/2014 – Toriteny
Voalaza ao anatiny tantaran’izao tontolo izao izay mifanindra-dalana satria mazava hoe tamin’ny taona voalohany no lazaina fa teraka i Jesoa kristy no teraka izy,ny anaran’olona mpitondra dia voalaza fa ara-baiboly dia mifanaraka amin’ny tantaran’izao tontolo izao anehoana fa tena nisy io. Dia tamin’ny andro ny governora io no nisy ny fanoratana anarana voalohany na « recensement »;inona moa no ilaina ny recenssement,mety misy mpiasan’ny « statistique ao,mety misy efa zatra manao statistique koa ao.matoa ny fanjakana mampanao statistique dia misy tanjona ao izay,voalohany tiany ho fantatra dia tia marina ny vahoaka ka arakarak’izay koa no tokony hoe ohatr’inona marina izany ny hetra tokony alohan’ny vahoaka,izany no mahatonga ireny fanisam-bahoaka ireny,mandany volabe ny fanjakana manao an’ireny recensement ireny,mandefa olona mitety isan-tokantrano mba ahazahona mampiditra ny hetra ara-dalana,io no nahatonga ny fanisam-bahoaka voalohany,ny vahoaka tsy maintsy mankany aminy tanindrazana ary any no atao ny recensement ,i Zozefa taranak’i Davida izany dia tsy maintsy nandeha nankany Jerosalema,zavatra tsy noheritreretiny izany hoe ho teraka an-dalana izany i Maria,nandeha namakivaky ny lalana kanjo nony tonga teo Betlehma,rehefa ho tonga eo amin’ilay toerana tokony ho aleha dia tonga ny fotoana ahaterahana,nandeha nitady tranom-bahiny kanjo tsy nisy ndirana dia ny tranom-bahiny no niteny araka ny voalazany soratra masina hoe misy tran’omby ao raha mety aminareo,tany no nahaterahan’i jesoa,ny tranom-bahiny tamin’izaby andro izany dia tsy mba tahaka ireny hotely aty amintsika ireny hoe misy 5 étoiles,3étoiles,hoe chambres tsotsotra kely tsy mba tahaka ireny;fa ny atao hoe tranom-bahiny tamin’izany andro izany dia trano iray malalaka be tsy misy efitra dia tsihy no velarina izany hoe afaka misy vahiny maro be indray matory ao anaty ny trano iray ,izany no tranom-bahiny taminy andron’i Jesoa dia tsy omby intsony ilay trano fa marobe ny olona tonga handeha hisoratra anarana dia lasa tany an-tranon’omby no nahaterahan’i jesoa.Inona indray ny tranon’omby? (suite…)