Alahady – 23/11/2014 – Toriteny
Herinandro faha-34 anio, dia mifarana anio ny taonan’ny Eglizy. Amin’ny herin’ny anio isika dia miditra amin’ny atao hoe taom-baovaon’ny fiangonana. Manomboka amin’io ny alahady voalohany amin’ny fiavian’ny Tompo.
Mamarana ny taonan’ny fiangonana ary isika, 34 herinandro mandavan-taona. Mety ho gaga ihany angamba isika satria dia misy herinandro 52 ao anatin’ny taona, koa nahoana ny an’ny Fiangonana no 34 monja?
Dia eo no mila maetrahana ny fanontaniana. Fa indraindray isika isaky ny alahady toa tsy taitra akory raha miteny ny mpanentana hoe herinandro faha-32 mandavan-taona. Tys mahataitra antsika akory hoe inona moa izany? Fa androany isika vao gaga fa mifarana ny taonan’ny fiangonana, herinandro faha-34; dia nankaiza izany ny ambiny satria 52 ny herinandro ao anatin’ny taona? Ohatra ny sampona ny fanisana ny andron’ny fiangonana hoy isika.
Izay no anazavana anazy alohan’ny hidirantsika amin’ny tenin’Andriamanitra satria ao amin’ny taona litorjika dia ilaina ny ahafantarana an’io sao dia anontanian’ny olona isika hoe ny anareo katôlika 34 ny herinandro nefa ny anay 52. Manomboka amin’ny herin’ny anio dia efa tsy isaina, esorina ny “Avent” izay misy alahady 4 eo. Aorian’izay ny fankalazana ny fetin’ny Noely, dia efa mialaizay, misy herinandro 4 eo. Aorian’izay koa, ny Karemy izay 40 andro, izany hoe herinandro maromaro koa tsy isaina. Ary aorian’ny Paka dia misy herinandro 7 be izao mitohy ny fankalazana ny fitsnaganan’I Jesoa ho velona. Ireo izany dia miala avokoa. Ary izany no mahatonga hoe 34 ny herinandro mandavan-taona. Ilaina ny mba ahafantarantsika an’izay satria ho anareo mpianatra katesizy na ho antsika kristianina tsotra, maro no tsy mahafantatra an’izany akory. Fa tapitra eo amin’ny herinandro faha-34, izay androany, tapitra ny taonan’ny fiangonana. (suite…)