Alahady – 19/10/2014 – Toriteny
Mialoha ny hanazavantsika ny Evanjely dia mila azontsika tsara ny atony nitenenan’i Jesoa azy. Iverenantsika azavaina ireo rehetra antokon’olona voalaza etsy amin’ny Evanjely.
Voalohany tao dia ny farisianina. Ny farisianina dia olona mifanohitra amin’I Jesoa ireo, ary Jesoa rehefa miteny ny farisianina dia lazainy fa mpiatsara ivelatsihy ireo: miseho ho tsara ety ivelany, nefa ny ao anatiny dia zavatra hafa. Miseho ho mpivavaka ety ivelany nefa ny fiainany tsy araka izay. Ny farisianina koa dia olona fatra-pitandrina ny lalàna, ary mitsikera sy manara-maso ny olona izay tsy manaraka ny lalàna.
Dia misy koa ireo voalaza hoe herôdianina. Mazava fa nalaina avy amin’ny teny hoe Herôda izany; ny ao an-tsaina voalohany dia hoe mpanjaka izay.ka ny herodianina dia ireo olona mpankato, mpanaraka ary mahazo tombon-tsoa amin’ny mpanjaka. Ka Herôda tamin’izany andro izany dia tsy manam-pahefana firy fa karazana marika na tandindona fotsiny ihany, famantarana fotsiny ihany fa tsy manam-pahefana na kely ary; ary ireo moa no tena voalaza eto.
Ny firenena jody tamin’ity andro niainan’I Jesoa ity dia teo ambany fanjanahan-tany rômanina, k any amperora tamin’izany andro izany dia antsoina hoe “César”. Ny César dia tahaka ny hoe Ranavalona (teto amintsika); samy manana ny anarany izy ireo. Ny fiantsoana ny amperora rehetra dia natao hoe César, fa ny tena anarany dia I Tiber. Izay rah any ara-tantara. Tiber no César nanjaka tamin’io andro io. Ka tsar any ahaizantsika io antokon’olona io.
Ny farisianina, ny herodianina. Ireto farany dia mpanohana ny fanjakana rômanina satria matahotra ny ho very seza dia manohana ny fanjakana rômanina. Fa ny tena mpanohitra dia ilay antokon’olona antsoina hoe “Zelotte” – mpanohitra ireo. Raha tamin’ny fanjanahan-tany teto amintsika, dia ireo angamba no MDRM, na koa Menalamba. Fa manao ady anaty ankata ireo ary mamono miaramila rômanina izay tratrany any ambadimbadika any. Ary mitaona ny olona tsy hando a hetra. Ao ny fitiavan-tanindrazana izay ananan’ireto Zelotte ireto, ka mitraotra sy mampiasa eritreritra ka mitaona ny olona tsy handoa hetra.
Fa ny herodianina sy ny farisianina tsy misakana ny olona amin’izay. Izay ity tantara ity. (suite…)