Alahady – 21/09/2014 – Toriteny
FITSIDIHANA PASTORALY NATAON’NY MPIANDRY ONDRY &FANOMEZANA NY SAKRAMENTAN’NY FANKAHEREZANA
“NY FIHEVITRO TSY FIHEVITRAREO”
Toritenin’I Md Matio izay mpamory hetra fa nantsoin’I Jesoa ho mpianany. Dia mifanojo amin’izay ny fampianarana entin’I Jesoa amin’ny Evanjely sy ny Tenin’Andriamanitra aroso amintsika.
Fa mialohan’ny hifampizarana ny Tenin’Andriamanitra dia tiako ny mampatsiahy ny dinidinika nifanaovana niaraka tamin’ireo filan-kevitra sy izy 67 mianadahy handray ny sakramentan’ny Fankaherezana. Ny tatitra mikasika ny fiainan’ny fiangonana mandritra ny taona manontolo ka nandinihantsika, miainga amin’ny sori-dalan’ny fiangonana eto amin’ny diosezy. Raha mijery ny statistika dia manodidina ny 2580 isa ny kristianina vita Batemy voasoratra eto amin’ny fiangonana. Ny tonga mankamasina ny Alahady amin’izay dia eo amin’ny 1200 eo ho eona 1100. Izany hoe ny antsasak’olona dia tsy tonga ato an-tranon’Andriamanitra. Ka izay no nanatitranterana hatramin’ny omaly mikasika ny fankamasinana ny Alahady. Didin’Andriamanitra io, tsy afaka ny hanamarina ny conscience isika, fa mazava ny didy: “Mankamasina ny andro alahady”; tsy azo ovana izany. Ny fiangonana nomen’I Kristy fahefana: “Izay hovahànareo dia ho voavaha, ary izay hofehezinareo dia ho voafehy”. Tsy namaha ny fiangonana fa mbola nanamafy aza; fa teo kosa no nanazava hoe “raha tsy misy antony lehibe”. Ny antony lehibe ambaran’ny fampianaran’ny fiangonana dia telo ihany:
- Tsy fahasalamana,
- Ny fahafatesana
- Ny fahaterahana.
Ny ankoatr’ireo dia tsy afaka manamarina conscience isika fa rehefa tsy mivavaka dia fahotana izay. Eo ny hoe noho ny asa amùan-draharaha, manatona ny famindram-pon’Andriamanitra amin’ny alalan’ny sakramentan’ny Fampihavanana.
Dia manamafy an’izay,ary izay ny Visite Pastorale voalohany nataontsika teto fa ny mijery an’iny dia anjaran’ny filan-kevitra izay efa nahazo iraka hatry ny omaly : Andeha hitady sy hamerina ny andian’ondrin’Andriamanitra ato an-tranony. (suite…)