Alahady – 24/08/2014 – Toriteny
I Kristy no iorenan’ny fiainantsika sy ny fahefan’ny Eglizy.
Dia voalaza ao @ Evanjely teo I Jesoa tonga tany @ faritanin’I Sezarean’I Filipo, izany hoe ivalan’I Palestina io, ivelan’ny firenen’Israely. T@ heriny koa dia henontsika fa tany ivelany koa I Jesoa, izany no nahatonga an’ilay vehivavy kananeana nangataka t@ Jesoa hanasitrana ny zanany. Dia mboal any ivelany Jesoa eto no manontany ny mpianatra.
Fanontaniana napetraky Jesoa: “Ataon’ny olona ho iza moa ny Zanak’Olona, ary iza no fiheveran’ny olona ahy?”. Dia samy namely ny mpianatra. Ny sasany manao hoe Joany Batista, ny sasany Elia, ny sasany Jeremia na ny anankiray @ mpaminany. Raha nanontany hoe ahoana ny filazan’ny olona momba ahy, dia samy manna-kambara daholo ary misy valin-teny maro. Fa ao anatin’ireo valin-teny omen’ny olona ireo dia ahitantsika fa ny olon-drehetra izany mahita an’I Jesoa dia tsy oloan mahazatra (ordinaire), tsy olona tahaka ny olona rehetra fa manana ny maha-izy azy sy ny hasiny manokana. Mazava iny.
Fa rehefa avy eo Jesoa nitodika t@ mpianany manokana @izay: “Fa ianareo kosa, ataonareo ho iza aho?”. Eo vao mifampijery ny mpianatra. Piera irery sisa no nahavaly: “Ianao no Kristy Zanak’Andriamanitra velona”. Finoana io, tahaka ny nataon’I Tômà ihany: “Tompoko sy Andriamanitro”. (suite…)