Tantaran’ny fiangonana
- NY FIARAHAMONINA TRANAINY SY NY FIANGONANA SAVARAVINA :
Ny làlana tamin’izany mbola teny ambodin’I Lohalambo akaikin’ Ambatobehasina iny ary ny tanàna nalaza dia mbola Amboanjobe, Ampahamasina, Ambohidrazana, Ambolamena, Ambohidrano sy Antsahamaina, Amporano, Ambohinaivo ary Bongatsara ! Nitsitokotoko sy samy nanidy hadivory Na tamboho NY olona tamin’izany ary ny toe-tsaina amam-panahy koa dia saika nanahaka izay .Samy lehibe tamin’ny azy ary tsy tohinina fa samy sarotiny na teo aza ny fihavanana naha-malagasy!
SOA IHANY FA TONGA NY EVANJELIN’I KRISTY NENTIN’IREO MISIONERA.
Hoy Raleva Philippe,mpanoratra tera-tany iray tao amin’ny boky :NY RAZAN’ANDRIANAMBONITRIMO TAO LOHALAMABO – pejy:10 : ” Roa ny Fiangonana tao Amboanjobe dia Protestanta sy Katolika .Ny Protestanta dia tokony ho tany amin’ny taona 1875 no niorenany, fa ny Katolika kosa tsy fantatro mazava . Teo Ankotra NY Protestanta fa ny Katolika tao an-tanànan’Amboanjobe!”
Dia hoy kosa Rakambana Jerôme,zana-dRainivaha sady raibenay , terak’Amboanjobe fa sady Katesista tany Vohimavony- Ambositra no mpila ravinaritra ! “ Mbola kely izahay tany Imerina (Amboanjobe io ) dia efa nisy mompera vazaha nandehandeha teny Amboanjobe ary nampivavaka sy nampianatra katesizy sy hira . FINAZ NO ANARANY ! Tsy nisy fiangonana akory teny fa fisariham-panahy fotsiny ! – Nohamafisin’ireo olon-dehibe teo Andratandroka toa an-dry RAFARILAHY sy Ra-Therèse teo Amboanjobe izany saingy nampiany hoe : Teo ANKAMORY no mitangorona rehefa mandalo ilay Mompera vazaha dia mivavaka sy mianatra katesizy fa teny ANTSAHAMAINA teny no efa nisy trano kely natao fivavahana indraindray.. .. Izay tena nafana fo dia nankany Tanjombato fa tany no nisy trano fiangonana lehibe sady nahasondriana ny atiny !
Nisy vaviantitra izany hoe natao batemy teny Antsahamaina teny tamin’ny 02 Oktobra 1869 ary Mompera Finaz no nanao azy ! Rejistra taiza re no mety niraketany azy e ? – Angamba Reny na Reniben-dry Antoine RARABO mirahalahy na avy amin-dry Séraphine RASENDRA tao Andohony izany satria ireo no tera-boromanga nalaza renay sy mbola hitanay teny .
Mompera Joseph LIMOZIN no tena nanorina ny Fiangonana tao Antsahamaina . .. Ny 06 Septambra 1877 izy no voatendry hitondra ny Faritany Katolika taty Atsimondrano. – – -Tanjombato no renivohitry ny Distrika tamin’izany ary fiangonana faha-16 tao anatiny Antsahamaina na dia mbola tsy azo ho natao hoe fiangonana loatra aza ny bikany .
- FITOKANANA NY TRANOM-PIANGONANA VOALOHANY :
Ny taona 1880 no hita fa nahaleo tena ny Kristianina tao Antsahamaina ary dia natomboka teo ny fanisan’andro voalohany ho nijoroan’ny FIANGONANA KATOLIKA Efa aman-jato ny vita Batemy ka nanome tany ny Ray aman-dReny tamin’izany hanorenana TRANO FIANGONANA amin’izay . (suite…)